Toko faha 16

1 Arovo aho, Andrianagnahary o, fa mialoky agnaminao. 2 Hoy gnataoko tamign'i Iaveh hoe:" Iha ro tompoko, tsy misy fahasoava anagnako mihoatsy gnanao. 3 Laha agnamin'ny reo olo masy an-tany eto, la magnevan-kaja rozy, gny fankasitraha iaby la ho amin-drozy. 4 Ka hamopitomboa gny alahelon-drozy, ka ze mila Andrianagnahary hafa. Tsy mba handraraky fagnati-dio amin-drozy gn'Andrianagnaharin-drozy aho na hanondrotsy gnagnarany ami-gny sogniny. 5 Yaveh o, iha ro anjara nifiliko voho kapoakiko. Iha ro mitanjaky gnanjarako. 6 Eo amign'ny tany soasoa ro nasiany gny voamariky ho gnahy, gnahy vatany gny lova soasoa. 7 Hisaotsy an'i Iaveh, ze manoro hevitsy ahy aho, eka na ami-gny haliky aza la mampianatsy ahy gny fisaignako. 8 Ataoko agnilako mandrakariva Yaveh, la tsy hihozonkozo an-tagna-kavanany aho! 9 Ka noho gny zay la faly gny foko, falifaly koa gny fagnahiko. Hiay am-pilamina vatany aho. 10 Fotony hagnenga gny fagnahiko ho amign'ny fiagna tsy hita iha. Tsy hagnenga gnany reo matoky anao hahajery gny lavaky Iha 11 Natoronao ahy gny lalan'ny fiaigna; hafalia bevata gnagnilanao; fahafinareta la zisiky amparany gny mifitaky an-tagna-kavananao!"