Toko faha 12

1 Vonjeo, Yaveh o, fa tsy misy sasy gny soa fagnahy; nandravo gny matoky. 2 Gnolo iaby mivolambola fahatany amign'ny namany, gnolo iaby mivola amign'ny sogny mandroboky voho fo misalasala. 3 Yaveh o, foagno gny sogny mpiatsaravelatsihy, gny lela iaby mangambara raha bavata. 4 Rozy mivola hoe:" Gny lelanay ro hampandresy gnanay. Ka laha mivola gny sogninay, ia ro afaky ho mpanapaky agnaminay? 5 Nohogn'ny serisery atao amign'ny gny malahelo, noho gn'ny fifoaizan'ny gny mahantra, la hitsanga aho," hoy gnataon'i Iaveh. "Hagnome filamina zay irin-drozy fatratsy aho." 6 Safa malio gny safan'i Iaveh, manahaky gny volafotsy lavo im-pito. 7 Iha ro Yaveh! Magnajary an-drozy iha. Miaro gnolo masy fagnahy ami-gny zao taranaky raty fagnahy zao mandrakizay iha. 8 Mandeha magnaia gny raty lafa asondrotsy amignanak'olombelo gny raty.