Toko faha 7

1 Reo fariseo voho gny mpanoradalagna sasany zay bakagny Jerosalema la avy nivory nagnodidy Gnazy. 2 Sady jerin-drozy gny mpianany sasany nihinan mofo tamin'ny tana tsy voadio, izany hoe , tsy voasasa. 3 ( Fa gny fariseo voho gny Jiosy iaby la tsy mba mihina laha tsy fa nanasa gny tanan-drozy, fotony magnaraky gny fombafomban'ireo loholona.) 4 Sady lafa mimpoly bakagny an-tsena reo Fariseo , la tsy mihina rozy laha tsy baka mandro. sady mitandrina fomba maro hafa fatratra rozy, manahaky gny fanasa gny kapoaky, voho gny famaragna voho fanaka varahy, sady gny fandria zay ihinanan-drozy.) 5 Reo Fariseo voho gny mpanoradalagna nagnotany gnan'ny Jesosy hoe:" nagnino gny mpianatsao ro ts mandeha araky gny fombafomban'ireo loholona, fa mihina gny mofon-drozy amin'ny tagna tsy voasasa?" 6 Nefa hoy Ie tamin-drozy :" Isaia naminany soa momba gnanareo mpiahatsaravelatsihy. Nosoratany hoe:" Toy vahoaky toy magnaja Gnahy amin'ny molony, fa gny fony koa lavitsy Gnahy. 7 Rava gny fivavaha atolon-drozy Gnahy, laha mampianatsy gny fitsipik'olombelo ho fampianaran-drozy." 8 Agnivonareo gny lilin-Dranagnahary ka tanjahonareo mare gny fomban'ny olo." 9 sady hoy avao koa Ie tamin-drozy :" Manahaky gny akory gny fanagnarinareo gny lilin'ny Ndranagnahary mba hitandremanareo gny fomban-drazanareo! 10 Fa hoy Mosesy:" magnaja gny rainao voho gny reninao, sady koa, Zay miresaky raty gny rainy na gny reniny la ho maty tokoa." 11 Kanefa nareo miresaky hoe:" Laha misy johary raiky miresaky gny rainy na gny reniny hoe:" ndra ino ino tianao ho azo tamiko la fa Korbana," ( izany hoe:" Namean-Dranagnahary)__ 12 la tsy enganareo hanao na ino ino amin'ny rainy voho gny reniny sasy ie. 13 Magnafoana gny safan-Dranagnahary nareo noho gny fomban-drazanareo zay nitananareo. Sady raha maro mitovy amin'io koa ro ataonareo." 14 sady niakaiky gny vahoaky ndraiky Ie ka niresaky tamin-drozy hoe:" Mijanjigna Gnahy, nareo iaby, ka fantaro. 15 tsy misy raha bakaeo ivelany zay militsy ao agnatin'ny olo ka afaky mahaloto gnazy lafa militsy ao aminy. Fa zay miboaky bakao agnatin'ny olo ro mahaloto gnazy." 16 [Gny fandika soa mare la tsy magnisy gny andininy faha 16: Laha misy manan-tsofy hijanjy , ao ie hijanjy.] 17 Sady lafa niala teo amin'ny vahoaky Jesosy ka nilitsy tao an-tragno, gny mpianany nagnontany Gnazy momba gny fagnohara . 18 Hoy Jesosy taminy:" Nareo koa va mbo tsy mana fahalala? Tsy hitanareo va fa zay iaby militsy ao agnatin'ny olo bakagny ivelany la tsy mahaloto gnazy, 19 fotony tsy afaky militsy ao am-pony io, fa ao an-kibony avao ka miboaky agny amin'ny fiboaha?" Tamin'io fagnambara io la nahatonga gny hany iaby ho malio Jesosy. 20 Hoy Ie:" Zay moboaky akao amin'ny olo ro mahaloto gnazy. 21 Fa bakao agnatin'ny olo, bakao am-pony, ro iboahan'ny say raty, gny fahavetaveta, gny halatsy, gny famonoagn'olo, 22 gny fijangajanga, gny fitsiririta, gny haratiam-pagnahy, gny fitaky , gny fijejojejoana, gny fialogna, gny fiampanga vandy, gny avognavo, gny hadala. 23 Io raha raty iaby io ro miboaky bakao agnatin'ny olo , voho reo ro mahaloto gnazy." 24 Niala teo Ie ka lasa nandeha amin'ny faritsy Tyro voho Sidona. Nilitsy tao an-tragno raiky Ie sady tsy tiany ho hain'ia nia fa tao Ie, kanefa tsy afaky nimpoly. 25 Kanefa niaraky tamin'izay la nisy ampela raiky , zay nisy fagnahy maloto raiky gny anakampelay kely, nahare gny aminy, avy , sady niankohoky teo an-tombony. 26 Sady Grika gny ampela, Syro-foinika ro niaviany. Niangavy Taminy ie mba hamoaky gny demonia hiala amin'ny anakampelany. 27 Hoy Ie taminy :" Ao homen-kany aloha gny aja. Fotony tsy mety gny mangalaky gny mofon-jaza ka manipy gnazy ho gnan'ny alika." 28 kanefa namaly ie ka annao Taminy hoe:" Eka, Tompoko, fa ndra gny alika ao ambany latabo aza la mba mihina gny sombintsombiny amin'ny mofon-jaza." 29 La hoy Ie taminy:" Nohon'io safanao io, afaky mandeha iha. Fa niboaky tamin'ny anakampelanao gny demonia." 30 Sady laha nimply tagny an-tragnony ravehivavay la nahita zaza nadry teo agnabon'ny kitrely, sady gny demonia fa niala. 31 Sady Jesosy niboaky ndraiky niala gny faritsy Tyro, la namaky gnan'i Sidona hatragny amin'ny Ranomasin'ny Galilia ka niakatsy gny faritsy Dekapolisy. . 32 Sady nandesin-drozy teo Aminy gny olo raiky maregny sady sahira laha mivola, sady nitalaho taminy rozy mba hametraha gny tagna aminy. 33 Ninday an-dralehilahy nitoka niala teo amin'ny vahaoaky Ie, la nametraky gny rantsan-tagnany tao an-tsofiny Ie, sady laha baka nandora , la nikasiky gny lelany. 34 la niandrandra gny lagnitsy Ie, la nisento ka nanao taminy hoe:" Efata," izany hoe:" Maladia!" 35 Sady malaky teo gny sofiny la nalady, sady zay namehy gny lelany la potiky sady afaky niresaky mazava soa ie. 36 Sady Jesosy nandrara gnan-drozy ts hiresaky na amin'ia ia. kanefa ndra la nirara aza rozy ,vao maika nampiely gnan'io bebe kokoa. 37 La gaga tanteraky gny olo, ka niresaky ho:" Nataony soa daholo gny raha iaby. Nataony mahare aza gny maregny sady miresaky gny moa."