Toko faha 16

1 Lafa tapitsy gny andron'ny Sabata, la nivily raha magnitsy hagnosora amin'ny fatin'ny Jesosy i Maria Magdalena voho Maria renin'i Jakoba, voho Salome nivily hagnitsy mba handeha ka hagnosora gny fatin'i Jesosy. 2 Vao maraim-be tamin'ny andro voalohan'ny herignandro, la nagnegny amin'ny fasana rozy lafa niposaky gny masoandro. 3 La nifampiresaky rozy hoe:" ia ro hagnakodia gny vato eo amin'ny varavagnam-pasana ho gnantsika?" 4 Lafa nitraka rozy , la jeriny fa voakodia niala gny vato, zay tena bevata tokoa. 5 Nilitsy tao am-pasana rozy la nahajery zatovolahy niakanjo foty , nipetraky teo ankavava, voho la tseriky rozy. 6 La hoy Ie tamin-drozy hoe:" Ka matahotsy. Mila gnan'i Jesosy nareo, gny Nazerana, zay nohomboha. Nitsanga Ie! Tsy eto Ie. Jereo gny toera zay nametrahan-drozy Gnazy. 7 Fa mandehana, resaho reo mpianany voho Petera fa nialoha lala gnanareo agny Galilia Ie. Agny ro hahitanareo Gnazy, araky zay niresahiny taminareo." 8 Niboaky rozy ka nilay niala gny fasana; nangovotsy voho tandregna rozy. Tsy nilaza ndra ino ino tamin'ny olo rozy fotony tena natahotsy mare. 9 [ Fanamariha: Gny fandika taloha soa mare la mangalaky gny Marka: 16: 9-20] Vao maray tamin'ny andro voalohan'ny herignandro, tafaran'ny nitsanganany, la niseho tamin'i Maria Magdalena aloha Ie, gny nandroahany demonia fito. 10 La lasa Maria ka nilaza gny vaovao tamin'ireo niaraky tamin'i Jesosy, laha mbo nisaona voho nitagny rozy. 11 Ren-drozy fa velo Ie sady nahajery Gnazy ie, fa zao tsy nino rozy. 12 [ Gny fandika taloha soa mare la mangalaky gny Marka 16: 9-0] Tafaran'iro raha reo Jesosy la niseho tamin'ny endriky hafa tamin'ny roe tamin-drozy, laha nandeha ho agny an-tana rozy. 13 la lasa rozy ka nilaza tamin'ireo mpianatsy sisa, fa zao tsy nino rozy. 14 [Fanamariha: Gny fandika taloha soa mare la mangalaky gny Marka 16: 9-20] Tafarany kely la niseho tamin'ny foloraikamby lahy Jesosy laha mbo teo am-piasakafoana rozy, sady niresaky mare gnan-drozy Ie nohon'ny tsy finoana voho hamafin'ny fon-drozy, fotony tsy nino reo zay nahajery Gnazy tafaran'ny nitsangany tamin'ny maty rozy. 15 Sady hoy Ie tamin'ireo hoe:" Mandehana agny amin'izao tontolo zao, voho torio amin'ny olo iaby gny FFilazantsara. 16 Zay mino voho atao batisa ro ho vonjena, sady zay tsy mino koa la hohelohina. 17 [ Fanamarihana: Gny fandika taloha soa mare la mangalaky gny Marka16:9-20] Reto famantara reto la hagnaraky reo zay mino : Amin'ny agnarako ro hamoahan-drozy demonia. Hiresaky amin'ny firesaky vaovao rozy. 18 Handramby menarana amin'ny tagna rozy, sady laha mino raha mahafaty rozy, la tsy hampagnino gnazy io. Hametra-tagna amin'ny marary rozy, la ho janga regny." 19 [ Gny fandika taloha soa mare la mangalaky gny Marka 16:9-20] Lafa baka niresaky tamin-drozy gny Tompo, la nampiakary ho agny an-dagnitsy Ie voho nipetraky eo an-tagna ankavanan-Dranagnahary. 20 La lasa reo mpianatsa nitory tegny rehetsa tegny, voho gny tompo niara-niasa tamin-drozy ka nagnamafy gny safa tamin'ny alaln'ny famantara zay niaraky tamin-drozy.