Toko faha 12

1 Nanomboky nampianatsy gnan-drozy tamin'ny lalan'ny fagnohara Jesosy. Hoy Ie hoe:" Nisy johary nanao tanim-boaloboky , nagnisy fefy magnodidy gnan'io, voho nandavaky famiaza. Nananga tilikambo ie voho bakeo nampagnofa gny tanim-boaloboky tamin'ny mpamboly voaloboky. la niala nandeha lavitsy ie bakeo. 2 Tamin'ny fotoa mety, la nagniraky mpanompo ho agny amin'ilay mpamboly voaloboky ie mba hangalaky amin-drozy gny sasany amin'ireo zay tokony ho anjarany amin'ny vokats'ilay tanim-boaloboky. 3 Fa nisamboron-drozy ie, nivangoany, voho niroahiny tsy handay na ino ino. 4 Nagniraky mpanompo hafa ho agny amin-drozy ndraiky ie, la nivakin-drozy tamin'ny lohany teo voho nalan-drozy baraka. 5 La mbo nandefa hafa avao ie, ka nivonoan-drozy io raiky io. Nataon-drozy manahaky gnan'io reo maro hafa, nivangoan-drozy gny sasany voho nivonoan-drozy reo hafa. 6 Mbo nana olo raiky hafa nirahy ie, la anaky malala. Ie ro farany nalefany tagny amin-drozy. Hoy ie hoe:" Mba hagnaja gny anaky lahiko rozy." 7 Nefa nifampiresaky reo mpamboly voaloboky hoe:" Intoy gny mpandova. Avia , andeha ho vonoantsika ie, la halantsika gny lova." 8 Nisamborin-drozy ie, la nivonoan-drozy, ka natorany tagny ivelan'ny tanim-boaloboky. 9 Koa , ino ary ro hataon'ny gny tompon'ny tanim-boaloboky? Ho avy ie ka handringa reo mpamboly voaloboky voho hagnome gny tanim-boaloboky ho gnan'ny hafa. 10 Tsy nivakinareo vasa zao Soratsa Masina zao? Gny vato zay nilavin'ny mpagnorin-tragno, ro natao vato fehizoro. 11 Bakamin'ny Tompo io, voho la mahatseriky eo imasontsika." 12 Nila gny hanambotsy gnan'i Jesosy rozy, fa zao natahotsy gny vahoaky, fotony hain-drozy fa hagnoregna gnan-drozy ro niresahany gnan'io fagnohara io. Ka la nengan-drozy Ie ka lasa nandeha rozy. 13 La nagniraky gny Fariseo voho Herodiana sasany ho agny Aminy mba hamandriky Gnazy amin'ny safa rozy. 14 Lafa avy rozy, la hoy rozy taminy hoe:" Mpampianatsa o. hainay fa tsy miraharaha gny hevitsy gny olo Iha, sady tsy maneho fiangara eo amin'ny olo. Mpampianatsa marina gny lalan-Dranagnahary Iha. ara-dalagna va sa tsia gny mandoa hetsa amin'i Kaisara? Tokony handoa hetsa va rahay sa tsia?" 15 Fa hain'i Jesosy gny fiatsarambelatsihin-drozy ka niresaky gnan-drozy hoe:" Nagnino nareo ro mitsapa Gnahy? Agnandeso denaria raiky Aho mba hijereko gnan'io." 16 La nagnandesan-drozy drala raiky Jesosy. Hoy Ie tamin-drozy hoe:" Endrik'ia toy sary voho soratsy toy?" Hoy rozy hoe:" Gnan'i Kaisara." 17 Hoy Jesosy hoe:" Omeo gnan'i Kaisara zay gnan'i Kaisara, voho ameo gnan-Dranagnahary zay gnan-Dranagnahary." La tandregna taminy rozy. 18 Bakeo Sadoseo, zay milaza fa tsy misy gny fitsangana amin'ny maty, la avy teo aminy. nagnontany Gnazy rozy, nanao hoe:" 19 Mpampianatra o, nanoratsy gnan'izao ho gnanay Mosesy hoe:" laha maty gny rahalahin'y johary raiky ka namela valy ie, nefa mbo tsy nana gnanaky, la tokony manambaly gny valin-drahalahiny gny johary, ka hana avorohota ho gnan'ny rahalahiny." 20 20 Nisy fito mirahalahy ; nanambaly gny voalohany ka maty, tsy nagnenga avorohota. 21 Bakeo nangalaky gnazy gny faharoe la maty, tsy nagnenga avorohota, la manahaky gnan'io koa gny fahatelo. 22 Tsy nisy nagnenga avorohota rozy fito. Gny farany mare, maty koa gny ramatoa. 23 Amin'ny fotsangana amin'ny maty, lafa hitsanga ndraiky rozy, la ho valin'ia ? Fotony samby nanambaly gnazy iaby rozy fito mirahalahy.' 24 Ka hoy Jesosy hoe:" tsy io va ro antony maha-diso hevitsy gnanareo, fotony tsy hainareo ndra gny Soratsy Masina na gny herin-Dranagnahary? 25 Fotony lafa mitsanga amin'ny maty rozy, la tsy hanmbaly na hatolotsy amin'ny fanambalia, fa hanahaky gny anjely agny an-dagnitsy. 26 Fa mahakasiky gny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy nivakinareo va gny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andala momba gny voaroy, gny niresahan-Dranagnahary taminy ka niresahany hoe:" Zaho ro Ndranagnaharin'i abrahama voho Ndranagnaharin'Isaka voho Ndranagnaharin'i Jakoba? 27 Ie la tsy Ndranagnahary gny maty, fa gnan'ny velo. Somary diso hevitsy nareo." 28 Nisy raiky tamin'ireo mpanora-dalagna taminy ary nahare gny resakin-drozy; hitany fa nivalian'i Jesosy soa rozy. Ka nagnontany Gnazy ie hoe:" Ino ro lily bevata mare amin-drozy iaby?" 29 Jesosy namaly hoe:" Gny bevata mare la hoe:" Mijanjigna gny Tompo Ndranagnaharintsika, ry Israely, raiky gny Tompo. 30 Tsy maintsy mitia gny Tompo Ndranagnaharinao amin'ny fonao manontolo iha, amin'ny fagnahinao manontolo, amin'ny sainao manontolo, voho amin'ny herinao manontolo. 31 Toy ro lily faharoe:" Tsy maintsy mitia gny namanao manahaky gny vatanao iha. tsy misy lily hafa bevata mandilatsy noho reo." 32 Hoy gny mpanora-dalagna hoe:" Soa io, ry mpampianatsa! Voalazanao marina fa Ndranagnahary la Raiky, ka tsy misy afa-tsy Ie. 33 Sady gny mitia Gnazy amin'ny fo manontolo voho amin'ny saina manontolo voho hery manontolo, voho gny mitia gny nama manahky gny vatany, la soa lavitsy mandilatsy gny fagnatitsy dorana voho gny soro manontolo." 34 Lafa jerin'i Jesosy fa nagnome valin-teny hendry Ie, la niresaky taminy Ie hoe:" Tsy lavitsy gny fanjakan-Dranagnahary iha." Ka tafaran'io, la tsy nisy olo nahasaky nametraky fagnontania tamin'i Jesosy sasy. 35 Namaly Jesosy , laha nampianatsy tao amin'ny tempoly Ie; la hoy Ie hoe:" Nagnino moa ro ilazan'ny mpanora-dalagna fa Kristy la anak'i Davida? 36 Davida vatany, tamin'ny Fagnahy Masina, nanao hoe:' Gny Tompo niresaky tamin'ny Tompoko hoe:" mipetraha eo an-tagna ankavanako, mandram-panaoko gny fahavalonao ho fipetrahatombokao. 37 Davida vatany aza nikaiky Gnazy hoe Tompo, ka manao akory ro maha anak'i Davida gnan'i Kristy?" Nijanjy Gnazy tam-pazotoa reo vahoaky lako. 38 Tamin'ny fampiananarany Jesosy la niresaky hoe:" Mitandrema amin'ireo mpanora-dalagna, zay tia mandehana amin'ny akanjo lava voho tian-drozy gny fiarahaba azon-drozy egny an-tsena 39 voho tian-drozy gny mahazo gny seza voalohany agny amin'ny Synagoga voho gny toera voalohany agny amin'ny fety. 40 Mandroba gny tragnon'reo mpitondra tena rozy, voho manao vavaky lava be mba ho hitan'ny olo. Reo johary reo la handramby fanameloha bevata tokoa." 41 Bakeo Jesosy nipetraky nifanandrify gny vatan-drakitsy tao amin'ny faritsy gny tempoly, nijery reo olo manontolo zay nandatsaky drala tao amin'ny vatan-drakitsy . Mpanandraha lako ro nandatsaky drala be tao. 42 La nisy ampela mahantra mpitondratena raiky avy nandatsaky farantsakely roe, zay kely variroaventy ohary amin'ny iraimbilanja. 43 La nikaihiny reo mpianatsy ka hoy Ie tamin-drozy hoe:" Resahiko aminareo marina tokoa , fa toy ampela mahantra mitondratena toy ro nandrotsaky maro mandilatsy amin'ny olo zay nandatsaky drala tao amin'ny vatan-drakitsy. 44 Fotony gny iaby la nagnome tamin'ny fanagnam-ben-drozy. Fa toy mpitondratena toy koa, tamin'ny fahantrany , la nandrotsaky gny drala iaby zay tokony hivelomany tao."