Toko faha 22

1 Niresaky tamin'ny fagnohara tamin-drozy ndraiky Jesosy , nanao hoe:" 2 Gny fanjakan'ny lanitsy la mitovy amin'ny mpanjaka zay nagnoma fanasa amin'ny fangalam-baly ho gnan'ny anaky lahiny. 3 Nagniraky reo mpanompony hikaiky reo zay nahazo fanasa hagnatriky gny lanom-pangalam-baly ie, fa tsy nety ho avy rozy. 4 Nandefa reo mpanompony hafa ndraiky gny mpanjaka, nanao hoe:" Iresaho rozy zay nasa hoe:" Henteo , fa nikarakarako gny sakafoko. Fa nivonoa gny aomby voho gny anak'aondry vondrakiko, voho fa vonona gny raha iaby. Miavia ao amin'ny lanonam-panambalia." 5 Fa zao tsy niraharaha rozy voho lasa nandeha, gny raiky namonjy gny toeram-piompiany, gny hafa tamin'ny raharaham-barony. 6 Reo sasany nanambotsy reo mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka gnan-drozy, voho namono gnan-drozy. 7 Nasiaky gny mpanjaka ka nagniraky reo miaramilany, voho nandringa io mpamono olo voho nagnoro gny tanany. 8 Bakeo niresaky tamin'ireo mpanompony ie hoe:" Fa vonona gny fampakaram-baly, fa rozy zay nasa ro tsy mendriky. 9 Nohon'io mandehana egny amin'ny sampan-dalabe voho manasa olo maro araky zay jerinareo ho ao amin'ny lanonam-mpampakaram-baly." 10 Nandeha niboaky tagny amin'ny lalan-dehibe reo mpanompo voho nanambatsy gnolo iaby zay jerin-drozy , na gny soa na gny raty. Nohon'io la feno vahiny gny efi-tragno bevata nisy gny fampakaram-baly. 11 Fa lafa nilitsy gny mpanjaka mba hijery reo vahiny, la nahajery johary tsy nagnisy akanjo fandesy amin'ny fampakaram-baly ie. 12 Niresaky taminy gny mpanjaka hoe:" Ry namako, manao akory ro niliranao ato tsy miaraky amin'ny fisikigna fandesy amin'ny fampakaram-baly? Fa tsy nahavola gny johary. 13 Bakeo niresaky tamin'ireo mpanompony gny mpanjaka hoe:" Fehezo gny tagna voho gny tomboky toy johary toy, voho atoraho agny amin'ny maiky agny ivelany ie, agny ro misy fitagnia voho fikotrohan-kihy." 14 Fa olo maro nikaihy , nefa tsy ampy ro ho voafily. 15 Bakeo nandeha reo Fariseo voho nagnoma fomba mety hamandria gnan'i Jesosy amin'izay niresahany. 16 Bakeo nirahin-rozy hagnagnaminy agny reo mpianatsin-drozy, niaraky tamin'ireo Herodiana. Niresaky tamin'i Jesosy rozy hoe:" Ry mpampianatsa, hainay fa marina Iha, voho mpampianatsy gny lalan-Dranagnahary amin'ny marina. Tsy miraharaha gny hevitsy gny hafa Iha, voho tsy mizaha mitagnila. 17 Nohon'io resaho aminay, ino gny hevitrao? Ara-dalagna va gny fandoavan-ketra agny amin'i Kaisara sa tsia?" 18 Nefa azon'i Jesosy gny faharatian'ireo ka nivola hoe:" Nagnino ro mitsapa Ahy nareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19 Aseho Gnahy gny farantsa amin'ny hetra." Bakeo nanday denaria taminy teo rozy. 20 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:' Gnan'ia sary voho agnara toy?" 21 niresaky taminy rozy hoe:" Gnan'i Kaisara." Bakeo Jesosy niresaky gnan-drozy hoe:" Omeo gnan'i Kaisara zay gnan'i Kaisara, voho omeo gnan-Dranagnahary zay gnanin-Dranagnahary." 22 Lafa nahajanjy gnan'io rozy la tseriky. Voho niala taminy teo ka nandeha. 23 Tamin'io andro io avao gny Sadoseo sasany, reo zay nivola fa tsy misy fitsangana amin'ny maty, namonjy Gnazy. Nagnontany Gnazy rozy, 24 nanao hoe:" Ry mpampianatsy, Mosesy niresaky hoe:" Laha maty gnolo , tsy managnanaky , la tokony hanambaly gny valiny gny rahalahiny bakeo hanagnanaky ho gnan'ny rahalahiny. 25 Nisy mpirahalahy fito. nanambaly gny voalohany voho maty bakeo. Lasa tsy nagnenga anaky, nengany ho gnan'ny rahalahiny gny valiny. 26 Bakeo nanao raha mitovy amin'izay gny faharoe, avy eo gny fahatelo, manahaky gnan'io avao hatragny amin'ny gny rahalahiny fahafito. 27 Tafaran-drozy iaby reo, la maty koa gny ampela. 28 Voho amin'ny fitsanga aamin'ny maty, ho valin'ia amin'ireo mpiarahalahy fito ie? Fa fa nanambaly gnazy rozy iaby." 29 Fa namaly Jesosy voho niresaky gnan-drozy hoe:" Diso nareo, fotony tsy mahay gny Soratsy Masy na gny herin-Dranagnahary. 30 Fa amin'ny fitsangana amin'ny maty la sady tsy hisy hampaka-baly no tsy hisy hampakary. Fa koa, mitovy amin'ireo anjely agny an-danitsy. 31 Fa mahakasiky gny fitsangana amin'ny , mbo tsy nivakinareo va zay niresahan-Dranagnahary taminareo , manao hoe:" 32 Zaho ro Ndranagnaharin'i Abrahama, Ndranagnaharin'Isaka, voho Ndranagnaharin'i Jakoba? Ndranagnahary la tsy Ndranagnahary gny maty, fa gnan'ny velo." 33 Lafa nahare gnan'io reo vahoaky, la tandregna tamin'ny fampianarany. Fa lafa ren'ireo fariseo gny nampahasina gny sadoseo Jesosy, la niara-nivory rozy. 35 Gny raiky tamin-drozy , mpahay lalagna, nametra-pagnontania taminy, nangalaky fagnahy Gnazy hoe:" 36 Ry mpampianatsa , ia eo lehibe mare amin'ny lily ao amin'ny lalagna?" 37 Niresaky taminy Jesosy hoe:" Tiavo amin'ny fonareo manontolo, amin'ny fagnahinareo manontolo, voho amin'ny sainareo manontolo gny Tompo Ndranagnaharinareo." 38 Io ro lily bevata voho voalohany. 39 Sady gny lily faharoe la manahaky gnan'io :" Tiavo gny mpiara-belo aminareo manahaky gny vatanareo. 40 Amin'ireo lily reo ro iankinan'ny lalagna manontolo voho reo mpaminany." 41 Voho laha mbo niara-nivory reo Fariseo, la nametram-pagnontania gnan-drozy Jesosy. 42 Hoy Ie hoe:" Ino ro eritseritsareo momban'i Kritsy? Anaky lahin'ia Ie?" Niresaky taminy rozy hoe:" Anak'i Davida." 43 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Nagnino ary Davida mipetraky ao amin'ny Fagnahy ro mikaiky Gnazy hoe Tompo, manao hoe:" 44 Gny Tompo niresaky tamin'ny Tompoko hoe:" Mipetraha eo amin'ny tagnako ankavana, mandra-panaoko gny fahavalonao ho fipetraha-tombokao?" 45 Laha Davida aza mikaiky gnan'i Kristy hoe:" Tompo; la manao akory ro maha-anaky Davida Gnazy?" 46 Tsy nisy nahavaly Gnazy tamin'ny safa, voho tsy misy olo nahasaky nametra-pagnontania hafa sasy nanomboky tamin'io andro io.