Toko faha 11

1 Sady lafa baka nampianatsy reo mpianany folo roamby Jesosy, la niainga bakeo Ie hampianatsy voho hitory agny amin'ny tanan-drozy. 2 Voho lafa ren'i Jaona tao am-ponja gny momba reo asan'i Kristy, la nandefa hafatsy tamin'ny alalan'ireo mpianany ie. 3 ka niresaky Gnzy hoe:" Iha va gny raiky zay ho avy, sa tokony hila hafa rahay?" 4 Jesosy namaly voho nisafa gnan-drozy hoe:" Mandehana voho resahao amin'i Jaona zay jerinareo voho renareo." 5 Mahazo fahita reo jiky, mandeha reo olo malemy, diovy reo boka, mahare ndraiky reo olo maregny, atsanan-ko velo reo olo maty, voho agnambara reo vaovao mahafaly gny mahantra. 6 Sambatsy zay tsy tafitohy noho gny amiko." 7 Laha nandeha tegny amin'ny lalany reo johary reo, la nanomboky nisafa gny momban'i Jaona tamin'ireo vahoaky Jesosy hoe:" Hijery ino ro niboahanareo agny agn'efitsy-volotara tsofin'ny tsioky? 8 Nefa hijery ino ro niboahanareo johary manao fisikigns sarotsy vily? Ingo, reo zay manao fisikigna sarotsy vily la mipetraky ao an-tragnon'ireo mpanjaka. 9 Nefa hijery ino ro niboahanareo-mpaminany? Eka, miresaky aminareo Aho, voho mandilatsy lavitsy noho gny mpaminany. 10 Ie gny zay voasoratsy hoe:" Jereo, magniraky gny irako hialoha gny tarehinareo Aho, zay hagnoma gny lalanareo mialoha gnanareo. 11 Resahako marina aminareo , fa amin'ireo zay natera-behivavy la tsy misy bevata mandilatsy noho Jaona mpanao Batisa. Nefa gn'olo tsy manan-danja mareeo amin'ny fanjakan'ny lanitsa la bevata noho ie. 12 Nanonmboky tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa ka hatramin'izao, la miaritsa amin'ny herisetra gny fanjakan'ny lanitsy, voho reo olo mahery loha la mangalaky gnazy an-keriny. 13 Fa reo mpaminany iaby voho gny lalagna fa naminany hatramin'i Jaona; 14 voho laha sitrakareo gny hagnenky gnan'io, la Ie ro Elia gny ho avy. 15 Zay manan-tsofy handesy hijanjy , ao ie hijanjy. 16 Amin'ino ro tokony hampitahako toy avorohota toy? Io la manahaky gny aja mihisa egny amin'ny tsena , zay mipetraky voho mifampikaikaiky 17 ka miresaky hoe:" Nitsoky sodina ho gnanareo rahay, fa tsy nisindraky nareo. nanao hira fisaogna rahay fa tsy nitagny nareo." 18 Fa Jaona la tsy avy hihina mofo na hino divay, ka hoy rozy hoe:" Mana demonia ie." 19 Gny anak'olo la avy hihina voho hino ka hoy rozy hoe:" Jereo, johary tia hany voho mamolava ie, naman'ireo mpamory hetra voho reo mpanota!" fa gny fahendrea la voamarina tamin'ireo asany." 20 Bakeo Jesosy nanomboky niresaky mare reo tana zay nanaovany gny ankamaroan'ny asany mahatseriky, fotony tsy nibebaky rozy. 21 Loza ho gnanareo, ry Korazina! Loza ho gnanareo , ry Betsaida! Laha natao tagny Tyra voho Sidona reo asa mahatseriky zay natao teto aminareo, la fa ela ro nibebaky tamin'ny siky fisaogna voho laevoniky rozy. 22 Nefa ho moramora tokoa gnan'ny Tyra voho Sidona amin'ny andron'ny fitsara mandilatsy noho gnanareo. 23 Nareo , ry Kapernaomy, mihevitsy va nareo fa hasandratsy agny a-dagnitsy? Tsia, handesy mizotso agny amin'ny helo nareo. Fotony laha tagny Sodoma ro natao reo asa mahagaga zay natao teto aminareo, la mbo ho tavela io mandrak'androany. 24 Nefa milaza aminareo Aho fa ho mora tokoa ho gnan'ny tanin'i Sodoma gny andron'ny fitsara noho gny ho aminareo." 25 Tamin'io fotoa io Jesosy niresaky hoe:" mandrengy Gnanao Aho, ry Baba, Tompon'ny lanitsy voho gny tany, fotony Iha ro nagnetaky reo raha reo tamin'ny hendry voho gny mahalala, voho nagnamabara reo tamin'ireo zay tsy mahay, manahaky reo aja kely. 26 Eka, ry Ray, fotony io la nahafinaritsy teo imasonao. 27 Gny raha iaby nankigny tamiko la avy amin'ny Babako; voho tsy misy mahay gny Anaky afa-tsy gny Baba voho tsy misy mahay gny Baba afa-tsy gny Anaky, voho zay filin'ny Anaky hagnamabara Gnazy. 28 Mandehana atoy amiko, nareo iaby zay miasa voho mavesatsenta, la ameako fitsahara nareo. 29 Andeso gny zioga voho mianara amiko, fa malemy fagnahy voho manetsy tena am-po Aho, la hahita fitsara ho gnan'ireo fagnahinareo nareo. 30 Fa mora gny zioga voho maiva gny entako."