Toko faha 6

1 Sady tamin'ny Sabata la nandeha nagnagny an-tanimbary Jesosy sady reo mpianatsy nangalaky gny salohim-bary, nikosoky zay tamin-drozy sady nihina gny voa. Fa gny sasany tamin'ireo Fariseo kosa nivola hoe: " Nagnino nareo ro manao raha tsy ara-dalana gny manao gnazy amin'ny andro Sabata?" 3 Namaly gnan-drozy, Jesosy nivola hoe: " Mbo tsy nivakinareo va zay nataon'i Davida lafa mosare ie, ie voho reo johary zay niaraky tagnaminy? 4 Nandeha nagnao an-tragnon-Dranagnahary ie, sady nandramby gny mofon'ny fanatreha voho nihina gny ampahany tamin'izay, sady nomeany apahany koa gny johary zay niaraky taminy mba hihina, na la gny mpisoro avao aza ro araky gny lalagna laha mihina izay." 5 Bakeo Ie nivola tamin-drozy hoe: " Gny Anak'Olo la Tompon'ny Sabata." 6 Sady tamin'ny Sabata hafa la nandeha tao amin'ny synagoga Ie la nampianatsy gny vahoaky tao. Nisy johary raiky maty tana havana tao. 7 Nijery akaiky Gnazy soa reo mpanora-dalana voho reo fariseo mba hahita laha hanasitrana olo amin'ny Sabata Ie, mba afahan-drozy mahajery antony hiampanga Gnazy. 8 Nefa hainy zay tao an-tsain'ireo sady nivola tamin'ny johary zay maty tana Ie hoe: " Mitsangana sady mandehana eto agnivon'ny olo iaby eto." koa nitsanga gny johary sady nitsanga teo. 9 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Manontany gnanareo aho, ara-dalana amin'ny Sabata va gny fanaova gny soa va gny fanaova gny raty, gny manavotsy ay sa gny mamotiky gnazy?" 10 Sady nijery gny manodidy gnazy iaby Ie ka nivola tamin'ny johary hoe: " Amparo gny tagnanao." Nanao izay ie, sady sitrana gny tagnany. 11 Nefa feno hatezera rozy sady nifampiresaky mikasiky zay mety ho hataon-drozy amin'i Jesosy. 12 Tamin'izay andro izay la nandeha nagnagny an-tendrombohitsy Ie mba hivavaky. Nitohizany gny haliky manontolo gny fivavahana tamin-Dranagnahary. 13 Lafa avy gny andro, nikaiky gny mpianany ho eo aminy Ie, sady nifily roe ambin'ny folo tamin'ireo Ie, zay kinainy avao koa hoe Apostoly. 14 Gny agnan'ireo Apostoly reo la Simona ( ie zay kinaiky avao koa hoe Petera) sady gny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba anaky lahin'i Alfeo, Simona zay kinaiky hoe Zelota, 16 Jodasy anak'i Jakoba, sady Jodasy Iskariota, zay avy mpamaliky. 17 Bakeo Jesosy nizotso gny tendrombohitsy niaraky tamin-drozy la nitsanga tamin'ny tany to niaraky tamin'ny mpianany maro voho vahoaky maro bakagny Jodia voho Jerosalema sady gny sisin-tanin'ny Tyro voho Sidona. 18 Avy reo mba hijanjy Gnazy sady mba ho sitrana amin'ny aretin-drozy. Sitrana avao koa gny vahoaky zay korontanin'ny fagnahy maloto. 19 Gny olon-drehetra tamin'ireo vahoaky la niezaky gny hikasiky Gnazy hatrany fotony niboaky bak'amin'ny gny hery manasitrana, sady sitrana iaby rozy iaby. 20 La nijery gny mpianany Ie, sady nivola hoe: " Sambatsy nareo zay mahantra, fa gnanareo gny fanjakan-Dranagnahary. 21 Sambatsy nareo zay mosare henanizao, fa ho voky nareo. Sambatsy nareo zay mitomany henanizao, fa hihomehy nareo. 22 Sambatsy nareo lafa mankahala gnanareo gny olo sady lafa ahilikin-drozy voho haratian-drozy nareo, nohon'ny amin'ny Anak'Olo. 23 Mifalia amin'izay andro izay sady mibitaha an-kafalia, fotony azo antoky fa hahazo valisoa bevata agny an-dagnitsy nareo, fa mitovy amin'izay ro nanandesan'ny razan'ireo gnan'ireo mpaminany. 24 Fa loza ho gnanareo zay manan-kanagna fa azonareo zay mahafa-po gnanareo. 25 Loza ho gnanareo zay voky henanizao, fa mbo ho mosare nareo agny afara agny. Loza ho gnanareo zay mihomehy henanizao, fa hisaona voho hitomany nareo agny afara agny. 26 Loza ho gnanareo, lafa mivola soa mikasiky gnanareo gny olo iaby, fa mitovy amin'izay gny nataon'ny razan-drozy tamin'ireo mpaminany sandoky. 27 Fa mivola agnaminareo zay mijanjy Zaho tiavo gny fahavalonareo sady manaova gny soa amin'izay mankahala gnanareo. 28 Tahio zay manozona gnanareo sady mivavaha ho gnan'ireo zay manaoz tsinotsino gnanareo. 29 Laha misy manampify gny fifinao raiky omeo gnazy koa gny ilany. Laha misy olo mangalaky gny lambanao, ka mitandraky na la gny akanjonao koa aza. 30 Omeo zay iaby mangataky aminao. Laha misy olo mangalaky gny raha zay gnanao, aza mangataky gny hamerenany izay agnaminao. 31 Manahaky zay teanao hataon'ny olo agnaminao, la tokony hataonao amin-drozy izay. 32 Laha zay olo tea gnanao avao ro tiavinao, ino ro soa ho azonao amin'izay? Fa na gny mpanota aza mba tea gnan'izay tea gnazy koa. 33 Laha amin'izay olo manao soa gnanao avao iha ro manao soa, ino ro soa ho azonao amin'izay? Fa na gny mpanonta aza la manao manahaky izay. 34 Laha tsy mampindra afa-tsy amin'izay olo lignasa fa hampimpoly izay agnaminao avao iha, ino ro soa ho azonao amin'izay? Fa na gny mpanonta aza mampindra gny mpanonta, mba hahazoa manahak'izay koa. 35 Fa tiavo gny fahavalonareo sady manaova gny soa ho gnazy regny. Mampindrama ka miamby valiny sady ho bevata gny valisoanareo sady ho anaky gny Abo Mare nareo, fa Ie vatany la soa fagnahy amin'izay tsy misaotsy voho gny olo raty fagnahy. 36 Mana famindram-po, manahaky gny Babanareo mpamindra fo. 37 Ka mitsara, mba tsy ho tsara nareo. Ka manameloky, sady tsy ho melohy nareo. Mamela gny hafa, voho ho avela nareo. 38 Manomeza, la homea nareo izay. Fahafoizam-be - zay atafotafo, miaraky voahontsa sady mitobaky - ro hararaky eo am-pofoanao. Araky gny famaharanareo, ro hamahara gnanareo manahaky izay koa." 39 Bakeo Ie nanao fanohara tamin-drozy." Moa va gny olo jiky afaky mitariky olo jiky hafa? Laha manao izay ie, la mety hilatsaky agny an-davaky rozy reo, sa tsia? 40 Gny mpianatsy raiky la tsy bevata noho gny mpampianany, fa zay iaby nahatanteraky gny fiofana la hitovy amin'ny mpampianany. 41 Fa nagnino iha ro magnenty gny sombin-kazo kelikely zay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahatsikaritsy gny vatan-kazo ao agnaty fijerinao? 42 Manao akory ro ivolagnanao gny rahalahinao hoe: ' Ry johary, mamela gnahy hangalaky gny sombin-kazo eo amin'ny fijerinao eo io,' lafa tsy jerinao gny vatan-kazo eo amin'ny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Alao eo amin'ny fijerinao aloha gny vatan-kazo, bakeo la hahajery soa iha ka afaky hangalaky gny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. 43 Fa tsy hazo soa hamokatsy voankazo lo, na hoe hazo lo hamokatsy voankazo soa. 44 Fa gny hazo kiraidraiky la hainy amin'ny karazam-boankazo zay vokariny. Fa tsy afaky gny hioty aviavy amin'ny fatiky gny olo, na hangalaky voaloboky amin'ny hazo voaroy. 45 Gny olo soa mamokatsy zay soa avy amin'ny harena soan'ny fony, sady gny olo raty mamokatsy zay raty bakamin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa zay aloaky gny fony ro volagniny vavany. 46 Fa manino nareo ro mikaiky Gnahy hoe: ' Tompo, Tompo,' Nefa nareo tsy mankato zay raha volagniko? 47 Gny olo iaby mamonjy Gnahy voho mahanjanjy gny safako sady mankato izay, la ho ambarako gnanareo hoe manahaky gny ino ie. 48 Manahaky gny olo zay nananga tragno ie, zay nandavaky laliky teo amin'ny tany sady nanory gny fototsy gny tragno teo ambony vatolampy. Lafa avy gny tondra-drano, la nandriaky nanohitsy izay tragno izay gny rano be, fa tsy nampiontsona gnazy, fotony soa ory ilay izy. 49 Sady zay olo mahajanjy gny safako nefa tsy mankato izay, la mitovy amin'ny olo zay nanory tragno teo ambonin'ny tany ka tsy nanisy fototsy. Lafa nandriatsy namely io tragno io gny rano be, la nitonta avy hatrany izay, sady rava tanteraky izay tragno izay."