Toko faha 17

1 Jesosy nivola tamin'ireo mpianany hoe: " Azo antoky fa hisy raha afaky hanositsy antsika hanota, fa loza ho gnan'ny olo zay hiavian'izay! 2 Soa ho gnazy kokoa laha asia vato bevata eo amin'ny vozony ka atoraky agny andranomasy, manahaky zay hahatafitohina gny raiky amin'ireo madiniky reo. 3 Mitandrema nareo. Laha manota gny rahalahinareo, volagno mafy ie, sady laha mibebaky ie, mamela gnazy. 4 Laha manota agnaminao impito ao agnatin'ny draiky andro ie, ka impito mimpoly agnaminao ie, mivola hoe: ' Mibebaky aho', la tsy maintsy mamela gnazy iha!'' 5 Reo apostoly nivola tamin'ny Tompo hoe: " Ampitombo gny finoanay." 6 Gny Tompo nivola hoe: " Laha mana finoa ohatran'ny voatsinampy nareo la afaky mivola amin'io voroihazo io hoe: ' Miombota, sady maniria agny an-dranomasy,' la hagnenky gnanareo ie. 7 Fa ia agnaminareo, ro mana mpanompo miasa tagny na miamby aondry, ka hivola aminy lafa avy agny an-tsaha ie hoe: ' Avia malaky ka mipetraha mba hihina?' 8 Fa tsy hivola aminy va ie hoe: ' Hikarakarako raha hohaniko aho, ka asio fehikibo magnodidy gny ankanjonao la manompoa gnahy mandrapahalanin'ny haniko voho finomiko. La bakeo iha mihina voho mino?' 9 Tsy misaotsy gny mpanompo ie fotony nanao reo zay nibaikoa gnazy ie, sa misaotsy va ie? 10 Na la nareo koa aza, lafa nahavita reo raha iaby zay nandidia gnanareo nareo, la tokony hivola hoe: ' Rahay la mpanompo tsy mendriky. Izay tokony nataonay avao ro nataonay."' 11 Sady laha nandeha ho agny Jerosalema Ie, la nandeha teo amin'ny sisin-tany teo agnelagnelan'i Samaria voho Galilia. 12 Lafa nilitsy tao amin'ny tana raiky ie, la nisy boka folo lahy nifakatojy tagnaminy tao. Nitsanga lavitsy Gnazy rozy 13 sady nanandratsy abo gny feon-drozy, nivola hoe: " Jesosy, Tompo o, mamindra fo agnaminay.' 14 Lafa nahajery gnan-drozy Ie, la nivola tamin-drozy hoe: " Mandehana la ampisehoy amin'ireo mpisoro gny vatanareo." Laha igny roso igny rozy la nalio. 15 Lafa nahajery gny raiky tamin-drozy fa sitrana ie, la nimpoly, niaraky tamin'ny feo abo nankalaza an-Dranagnahary. 16 Niankohoky teo an-tombon'i Jesosy ie, nanolotsy fisaora ho Gnazy. Ie la Samaritana. 17 Sady Jesosy nivola hoe: " Tsy fa voalio va ie folo? Fa aia gny sivy? 18 Tsy nisy hafa nimpoly hagnome voninahitsy an-Dranagnahary va, afa-tsy toy vahiny toy?" 19 Sady hoy Ie taminy: " Mitsangana, ka mandehana. Gny finoanao ro nahasitra gnanao." 20 Laha nagnotanian'ireo Fariseo hoe mbia gny fanjakan-Dranagnahary ro ho avy, la namaly gnan-drozy Jesosy ka nivola hoe: " Tsy taza-maso gny fiavian'ny fanjakan-Dranagnahary. 21 Tsy hivola koa rozy hoe: ' Henteo, Toy gny ie!' na hoe: ' Indroy gny ie!' Fa ingo, gny fanjakan-Dranagnahary la ao agnatinareo." 22 Hoy ie tamin'ireo mpianatsy: " bakagny gny andro hanirianareo gny hahajery gny raiky amin'ny andron'ny Anak'Olo, fa tsy hahajery izay nareo. 23 Sady rozy la hivola agnaminareo hoe: ' Henteo, eroy! Henteo, Etoy! Fa ka miboaky na mania gnan-drozy, 24 fa manahaky gny helatsy mamiratsy mazava lafa mitaratsy bakagny amin'ny ilany gny lagnitsy izay gny Anak'Olo amin'ny androny. 25 Fa voalohany la tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro Ie sady ho laviny toy avorota toy. 26 Manahaky zay nitranga tamin'ny andron'i Noa, ro hiseho koa amin'ny andron'ny Anak'Olo. 27 Nihina rozy, nino, nanambaly, natolotsy ho ampakary, mandrapihavin'ny andro zay niliran'i Noa tao amin'ny sambofiara _ sady avy gny Safo-drano ka nandrava gnazy iaby. 28 Manahaky zay nitranga tamin'ny andron'i Lota _ nihina sady nino rozy, nivily voho nivarotsy, namboly voho nanao trano. 29 Fa tamin'ny andro zay niboahan'i Lota avy tao Sodoma, la bolo voho solifara ro nilatsaky bakagny an-dagnitsy ka nandrava gnazy iaby. 30 La hoatran'izay koa gny amin'ny andro hisehoan'ny Anak'olo. 31 Amin'izay andro izay, ka enga hizotro hangakalaky reo entany ho egny amonton'ny tragno zay egny amin'ny tampon-tragno; sady ka enga himpoly zay agny am-baibo. 32 Tadidio gny valin'i Lota. 33 Na ia na ia mila hamonjy gny ainy la hahatsobo gnazy, fa na ia na ia hahatsobo gny ainy la hamonjy gnazy. 34 Mivola agnaminareo Aho, fa amin'izay haliky izay la hisy olo roe eo ambonin'ny fandria raiky. Gny raiky la horambesy, sady gny raiky ho enga. 35 Sady hisy roe vavy miaraky-mandisa vary. Gny raiky ho rambesy, sady gny raiky ho enga." 36 [ Fanamariha: reo fandika taloha soa mare la mangalaky gny andininy faha 36 hoe: " Hisy roe lahy agny am-baibo; gny raiky ho rambesy, sady gny raiky ho enga."] 37 Nagnontany Gnazy rozy hoe: " Aia, Tompo?'' sady Ie nivola tamin-drozy hoe: " Izay hipetrahan'ny maty, la agny koa ro hisy votoro hiara-mivory."