Toko faha 16

1 La hoy koa Jesosy tamin'ireo mpianany hoe: " Nisy johary mpanan-kanagna raiky nana mpitantana sady nitanteriny tagny aminy fa io mpitantana io ro nandany gny fanagnany iaby. 2 Koa nampikaiky gnazy gny johary mpanan-kanagna sady nivola tagnaminy hoe: ' Ino izay heloko mikasiky gnanao asa fitantananao, fa iha tsy ho afaky gny ho mpitandri-panagna sasy.' 3 Sady gny mpitandrim-panagna nivola tagny an-tsay hoe: " Ino ro tokony ataoko, fa mangalaky gnahy amin'ny asa tantaniko gny tompoko? Tsy manan-kery hiasa tany aho, sady megnatsy gny hangataky aho. 4 Haiko gny ho ataoko, mba lafa alany amin'ny asa fitantanako aho, la hampandroso gnahy ao an-tragnon-drozy gny olo.' 5 Bakeo gny mpitan-draharaha nikaiky gny kiraidraiky tamin'ireo mpitrosan'ny tompony, sady nanontany gny voalohany ie hoe: ' Hoatrino ro anagnan'ny tompoko agny aminao?' 6 Nivola ie hoe: ' Menaky oliva zato litatsy.' Nivola tagnaminy ie hoe: ' Rambeso gny taratasinao, mipetraha malaky, sady dimampolo soratana.' 7 Sady bakeo gny mpitantana nivola tamin'ny raiky hoe: ' Hoatrino gny trosanao?' Nivola ie hoe: ' vary zato famara.' Nivola tagnaminy ie hoe: ' Rambeso gny taratasinao, sady sorato hoe valopolo.' 8 Bakeo gny tompo la nandrengy gny mpitantana tsy to fotony niasa tamin-kafetsea ie. Fa fetsy mare gny anak'izao tontolo zao gny amin'ny fifagnaraha amin'ie samby olo noho gny anaky gny fahazava. 9 Mivola agnaminareo Aho, mila nama amin'ny alalan'ny jala tsy to, amin'izay lafa lany izay, la mety ho rambesin-drozy ao amin'ny fitoera mandrakizay nao . 10 Zay mahatoky amin'ny kely mare la mahatoky amin'ny be koa, sady zay tsy to amin'ny kelikely mare la tsy to amin'ny be koa. 11 Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasa jala tsy to nareo, ia ro hatoky anareo amin'ny hanagna to? 12 Laha tsy mahatoky amin'ny fampiasa gny jalan'ny olo hafa nareo, ia ro hagnome jala ho gnanareo manoka? Tsy misy mpanompo afaky manompo tompo roe, fa na ie hankahala gny raiky la ho tea gny raiky, na koa ie hanolo-tena ho gnan'ny raiky la hanao tsinotsino gny hafa. Tsy afaky manompo an-Dranagnahary voho gny hanagna nareo." 14 Sady gny Fariseo, zay tea jala , lafa nahajanjy izay raha izay, la nagnamavo Gnazy rozy. 15 Nivola tamin-drozy Ie hoe: " Nareo la manarina gny vatanareo eo imason'ny olo, fa Ndranagnahary mahay gny fonareo. Fa zay hasandratsy eo amin'ny olo la hankahala eo imason-Dranagnahary. 16 Gny lalana voho reo mpaminany la nisy mandra-piavin'i Jaona. Fa hatramin'izay fotoa izay, ro fa nitoria gny filazantsaran'ny fanjakan-Dranagnahary, sady gny kiraidraiky la niezaky nanitsy gny lalany ho amin'izay. 17 Fa moramora kokoa gny hahafoana gny lagnitsy voho gny tany noho gny soratsy kelikely mare ao amin'ny lalagna ho lasa tsy manan-kery. 18 Zay misaraky amin'ny valiny ka mampakatsy sevaky hafa la mijangajanga, sady zay mampakatsy sevaky zay fa nisara-bady la mijangajanga. 19 Sady nisy mpanan-kanagna raiky niakanjo voloparasy voho rongony manify sady nankamamy isan'andro gny hanagnam-be. 20 Nisy mpangataky raiky hoe Lazarosy nipetraky teo amin'ny vavahadiny, rakotsy fery, 21 sady nagniry mba hihina zay latsaky bakeo ambony latabatrin'ny johary mpanakanagna. Fa na gny alika aza avy voho nilelaky gny feriny. 22 Sady ingo maty gny mpangataky ka nandesin'ireo anjely eo agnilan'i Abrahama. Maty avao koa gny mpanan-kanagna ka nalevy, 23 sady tao amin'ny fahavereza, laha nampijalia, la nanandratsy gny masony ie sady nahajery gnan'i Abrahama tegny lavitsy voho Lazarosy teo agnilany. 24 Ka nikoraky mare ie voho nivola hoe: ' Abrahama Ray, mamindra fo agnamiko sady alefaso Lazarosy, mba handrobohany gny tendron'ny rantsan-tagnany ao agnaty rano sady hampanintsy gny lelako, fa ato agnatin'ny fangirifiria mafy agnatiny toy bolo toy aho.' 25 Fa Abrahama nivola hoe: ' Anaky, tiarovo fa tamin'ny androm-piaignanao la nahazo raha soa iha, sady gny an'i Lazarosy koa raha raty. Fa henanio ie atoy la voatambitamby, sady iha ao amin'ny fangirifiria. 26 Ankoatsy izay iaby izay, la nisy kitsy bevata napetraky, mba tsy ho afaky hiampita zay te-hiampita baka etoy magnegny agnaminareo, sady tsy misy afaky hiampita bakegny hagnetoy aminay.' 27 Gny johary mpanan-kanagna nivola hoe: ' Miangavy gnanao aho, ry Abrahama Ray, mba hagnirahanao gnazy ho agny an-tragnon-draiko_ 28 fa mana rahalahy dimy aho_ mba afahany mampitandry gnan-drozy, nohon'ny tahotra gny hatongavan-drozy atoy amy toy toeran'ny fijalia toy avao koa." 29 Fa Abrahama nivola hoe: ' Mana gnan'i Mosesy voho gny mpaminany rozy; ao rozy hijanjy gnan'ireo.' 30 Sady namaly gny johary mpanan-kanagna hoe: ' Tsia, ry Abrahama Ray, fa laha misy bakagny amin'ny maty magnagny amin-drozy, la hibebaky rozy.' 31 Fa Abrahama kosa nivola tagnaminy hoe: ' Laha tsy mijanjy gnan'i Mosesy voho reo mpaminany rozy, la tsy ho resy lahatsy mihtsy na misy olo mitsanga amin'ny maty aza."'