Toko faha 15

1 Sady reo mpamory hetra iaby voho gny mpanonta sasany la avy teo amin'i Jesosy mba hijanjy Gnazy. 2 Nifampimonomono reo Fariseo voho reo mpanora-dalana, nivola hoe: " Io johary io la mandramby mpanota, sady miaraky mihina amin-drozy mihitsy aza." 3 Jesosy nanao zao fanohara zao tamin-drozy, nivola hoe: 4 " Ia agnaminareo, laha mana aondry zato ie sady bakeo tsobo gny raiky amin-drozy regny, ro tsy hagnenga gny sivy amby sivy folo agny an-tany efitsy, sady handeha hila gny raiky tsobo mandra-pahitany gnazy? 5 Sady lafa hitany izay, la apetrany eo an-tsorony sady mifaly ie. 6 Lafa avy ao an-trano ie, la kaihiny iaby reo namany voho reo mpiara-monina aminy, mivola gnan-drozy hoe: ' Mifalia miaraky amiko, fa jeriko gny aondriko tsobo.' 7 Manahaky izay koa, mivola agnaminareo Aho, fa hisy fifalia agny an-dagnitsy nohon'ny mpanota raiky zay mibebaky, mihoatsy noho reo olo-to sivy amby sivy folo zay tsy mila mibebaky. 8 Na ia ro ampela zay mana farantsa kely folo, laha tsobo gny farantsa raiky, ro tsy andrehitsy gny jiro, hamafa gny tragno, sady hila amim-pahazotoa mandra-pahitany izay? 9 Lafa hitany izay, la kaihiny iaby reo namany voho reo mpiara-monina agnaminy, ka hivola hoe: ' Mifalia miaraky agnamiko, fa hitako gny farantsa kely zay nitsobo.' 10 Manahaky izay koa, Zaho mivola agnaminareo, misy fifalia eo agnatrehan'ny Anjelin-Dranagnahary amin'ny mpanota raiky zay mibebaky." 11 Bakeo Jesosy nivola hoe: " Nisy johary raiky nanan'anaky roe lahy, 12 sady gny faralahy tamin-drozy nivola tamin'ny babany hoe: ' Ray o, omeo gnahy gny anjara hanagna zay tokony ho gnahy.' koa la nizinarany tamin-drozy gny fanagnany. 13 Tsy ela tafaran'izay, gny faralahy namory gny anjarany iaby ka nandeha tamin'ny firenena raiky lavitsy teo, sady tagny ie ro nandany fahatany reo hanagnany iaby tamin'ny fiaina maditra. 14 Sady lafa laniny iaby gny iaby, la nisy mosary lehibe niely tamin'io firenena io, ka nanomboky tao agnatin'ny tsy fahampia ie. 15 Nandeha ie sady nikarama tamin'iray tamin'ireo mponina tao amin'io firenena io, zay nandefa gnazy tagny amin'ny sahany mba hamaha koso. 16 Te hihina mare reo hany fihinan'ny koso ie, fotony tsy nisy olo nagnome gnazy na ino na ino. 17 Fa lafa tonga say gny faralahy, la nivola ie hoe: ' Firy amin'ireo mpanompon'ny babako ro mana hany mihoatsy gny sahaza, sady toy zaho, matin'ny mosary! 18 Hialako eto ka ho agny amin'ny babako aho, sady zaho hivola aminy hoe: " Ray o, fa nanota tamin'ny lagnitsy aho, voho teo imasonao. 19 Tsy mendriky gny kaihy hoe anakao sasy aho; ataovo manahaky gny raiky amin'ireo mpanomponao aho." 20 Noho izay nandeha gny faralahy ka nagnagny amin'ny babany. Laha mbo lavitsy ie, la hitan'ny babany, sady tofotsy nalahelo, ka nilay, sady nandrakoky voho nanoroky gnazy. 21 gny anany johary nivola hoe: ' Ray o, fa nanota tamin'ny lagnitsy voho teo imasonao aho. Tsy mendriky gny kaihy hoe anakao aho.' 22 Gny babany nivola tamin'ny mpanompony hoe: ' Andeso malaky reo akanjo soa mare, ka ampiakanjo gnazy, sady asio peratsy gny tagnany, voho kapa gny tombony. 23 Bakeo andeso gny anak'aomby matavy ka vono izay. Andao tsika hankalaza amin'ny lanononana! 24 Fotony gny anako lahy la maty, sady henanio velo ndraiky. Tsobo Ie, sady henanio la hita ndraiky.' Bakeo la nanomboky nikorana rozy. 25 Gny lahimatoany la tagny am-baibo. Lafa niavy sady namonjy gny tragno ie, la nahajanjy moziky voho sindraky. 26 Nikaiky gny raiky tamin'ireo mpanompo ie sady nanontany gnazy hoe mety ho ino izay raha izay. 27 Gny mpanompo nivola tagnaminy hoe: ' Noly ato an-tragno gny rahalahinao ka nivonoin'ny babanareo gny anak'aomby matavy, fotony avy soa aman-tsara ie.' 28 Meloky gny lahimatoa, sady tsy nety nilitsy, la niboaky gny babany, sady niangavy gnazy. 29 Nefa namaly gny lahimato sady nivola tamin'ny babany hoe" Henteo, fa an-taonany maro ro nanompoako gnanao, sady mbo tsy nandika gny lalanao aho, sady iha tsy mbo nagnome na la anak'aosy nafahako nikorana niaraky tamin'ireo namako aza, 30 Nefa lafa avy gny anakao lahy, zay nandriatsy gny fanagnahao tamin'ny mpivaro-tena, la nivinononao ho gnazy gny anak'aomby nafahy.' 31 Hoy gny babany hoe: ' Anaky, iha la miaraky agnamiko avao, sady zay rehetra gnahy la gnanao. 32 Nefa rariny ho gnantsika gny mikorana voho mifaly, fotony toy rahalahinao la maty, sady henanio la velo ndraiky; tsobo ie, sady henanio la hita ndraiky."'