Toko faha 14

1 Ndraiky Sabata, lafa nagnao amin'ny tragnon'ny raiky tamin'ireo mpitariky gny fariseo hihina mofo Ie la nagnara-maso Gnazy akaiky rozy. 2 Ingo, teo agnatrehany nisy johary raiky zay nampijalian'ny edema. Jesosy nagnontany reo manam-pahaiza amin'ny lalan'ny Jiosy voho reo Fariseo hoe: " Azo atao va gny magnasitra amin'ny andro Sabata, sa Tsia?" 4 Fa rozy la nitsy. Noho izay la niraisin'i Jesosy ie, sady nisitraniny, la nalefany handeha. 5 Hoy ie tamin-drozy hoe: " Ia agnaminareo zay manan-janaky johary na aomby tafalatsaky agnaty fatsaka amin'ny andro Sabata ro tsy hisinto gnazy avy hatrany?" 6 Rozy la tsy nisy nahavita nagnome valiny gnan'ireo raha reo. 7 Lafa tsikaritr'i Jesosy gny fomba fisafilianan'ireo zay nasaina gny toeram-boninahitsy, nanao fanohara ie, nivola tamin-drozy hoe: 8 " Lafa asaina amin'ny lanonam-panambalia nareo, ka mipetraky eo amin'ny toeram-boninahitsy, fotony mety nisy olo nasa mbo manam-boninahitsy noho nareo. 9 Lafa avy gny olo zay nanasa gnanareo, la hivola gnanareo ie hoe: ' Omeo any toy olo-hafa toy gny toeranao,' sady am-pahamenara ro andehananareo hamonjy gny toera ambany mare. 10 Fa lafa asaina nareo, mandehana la mipetraha amin'ny toera ambany mare, amin'izay lafa mandalo eo gny nanasa gnanao, la mety hivola gnanao ie hoe: ' Ry namana, miakara amin'ny ambonimbony.' Sady bakeo la homem-boninahitsy nareo eo agnatrehan'ireo zay iaby miray latabatsy agnaminareo. 11 Fa reo zay manandra-tena la hahetsy, sady ie zay manetr-tena la hasandratsy." 12 Jesosy avao koa la nivola tamin'ny johary nanasa Gnazy hoe: " Lafa magnome hany na fasana iha, la ka manasa reo namanao na reo rahalahinao na reo mariniky gnanao na reo mpanakarena magnodidy gnanao, amin'ny mety hanasany gnanao koa ho takalon'izay, sady la voavaly iha. 13 Fa lafa manao fanasa iha, asao gny mahantra, gny kilemaina, gny mandringa, voho gny jiky, 14 la ho sambatsy iha, fotony tsy afaky hamaly gnanao rozy. Fa iha la ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny to." 15 Lafa najanjy reo raha reo gny raiky tamin'ireo niray latabatsy tamin'i Jesosy, la nivola tagnaminy ie hoe: " Sambatsy zay hihina gny mofo ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary!" 16 Fa Jesosy nivola tagnaminy hoe: " Nisy johary raiky nikarakara hany bevata sady nanasa olo maro. 17 Lafa voakarakara gny hany, la nagniraky gny mpanompony ie hivola gnan'ireo zay nasaina hoe: ' Mandrosoa, fa gny raha-iaby la fa vonona.' 18 Rozy iaby la nitovy say sady nanomboky nanao fialan-tsiny. Gny voalohany nivola tagnaminy hoe: ' Nivily baibo aho, ka tokony hiboaky aho sady hagnenty izay. Miala tsiny aho.' 19 Raiky hafa nivola hoe: ' Nivily aomby folo aho.' sady andeha hamantatsy gnan-drozy. Miala tsiny aho.' 20 Bakeo eo nisy johary raiky hafa nivola hoe: ' Vo avy nampiaka-baly aho, sady noho izay la tsy afaky gny ho avy aho.' 21 La avy gny mpanompo sady nivola tamin'ny tompony reo raha reo. Bakeo gny tompon-tragno meloky ka nivola tamin'ny mpanompony hoe: " Mandehana malaky egny amin'ireo lalambe voho sakelidala eto an-tana la andeso atoy gny mahantra, gny mandringa, gny jiky, voho gny kilemaina.' 22 Nivola gny mpanompo hoe: " Tompo, fa vita zay nibaikonao, fa mbo misy toera avao.' 23 Hoy toy tompony tamin'ny mpanompony hoe: " Mandeha egny amin'ireo lalambe voho sisim-boly sady tereo rozy ho avy, amin'izay ho feno gny tragnoko. 24 Fa lazaiko agnaminareo, tsy hisy hanandrana gny sakafoko reo johary zay nasaina."' 25 Sady vahoaky maro ro nandeha niaraky taminy, sady nitoliky Ie sady nivola gnan-drozy hoe: 26 " Laha misy agnaminareo mamonjea Gnahy sady tsy mankahala gny babany, gny reniny, gny valiny rahavaviny, sady na gny fiainany aza, la tsy afaky gny ho mpianako ie. 27 Na ia na ia tsy milanja gny hazofijaliany sady magnaraky Gnahy la tsy afaky gny ho mpianako. 28 Fa ia agnaminareo, zay magniry gny hanangana tilikambo, ro tsy mipetraky aloha sady mikajy gny fandania laha mana zay ila hamitana gnazy ie? 29 Laha tsy izay, lafa nametraky gny fototsy ie nefa tsy hahavita izay akory, la hanomboky handatsa gnan-drozy iaby zay mahita izay, 30 manao hoe: ' Io johary io ro nanomboky nananga nefa tsy nahavita akory'. 31 Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifanehitsy amin'ny mpanjaka hafa amin'ny aly, ro tsy hipetraky aloha sady hangalaky hevitsy laha miaraky amin'ny johary ray aly la afaky hialy amin'ny mpanjaka hafa zay avy manohitsy gnazy miaraky amin'ny johary roe aly? 32 Laha tsy izay, laha mbo lavitsy gny tafiky hafa, la mandefa antoko ie sady mangataky fepetra ho amin'ny fihavana. 33 Ka noho izay, na ia na ia aminareo tsy mahafoy zay rehetra hanagnany la tsy afaky gny ho mpianako ie. 34 Soa gny sira, fa laha very gny tsiron'ny sira, manao akory ro himpoliany hasirany ndraiky? 35 Tsy misy ilan'ny tany gnazy na la gny zezi-tany aza. Aria avao izay. Izay manan-tsofy ho andesy mijanjy, ao ie hijanjy."