Toko faha 13

1 Tamin'izay andro izay, nisy olo sasany teo nivola tagnaminy gny mikasiky reo Galiliana zay gny lion-drozy reo ro nafangarin'i Pilato tamin'ny sorony manoka. 2 Namaly Jesosy sady nivola tamin-drozy hoe: " Nareo va mieritreritsy fa reo Galiliana reo la mpanota mihoatsy noho reo Galiliana hafa iaby fotony nijaly manahaky izay? 3 Tsia, Zaho mivola gnanareo. Fa laha tsy mibebaky nareo, nareo iaby la ho maty manahaky izay. 4 Na regny olo valo ambin'ny folo tao Siloama zay nitontan'ny tilikambo ka nahafaty gnan-drozy , mieritreritsy va nareo fa tena mpanonta raty mihoatsy noho reo johary hafa tao Jerosalema regny? 5 Tsia, hoy Aho. Fa nareo laha tsy mibebaky, nareo iaby avao koa la ho maty." 6 Jesosy nanao zao fanohara zao hoe: " Nisy olo nana hazon'aviavy raiky namboleny teo amin'ny tanim-boalobony sady avy ie voho nagnenty voankazo teo aminy nefa tsy nahita na ino na ino. 7 Gny johary la nivola tamin'ny mpanao zariday hoe: ' Ingo teto aho tagnatiny gny telo tao sady niezaky nila tamy toy hazo aviavy toy nefa tsy nahita mihitsy. Tapaho io. Nagnino io ro enga manimba gny tany?' 8 Namaly gny mpanao zariday ka nivola hoe: ' Engao ho eo io aloha amy toy tao toy zisiky hihaliako magnodidy gnazy voho hanasiako zeziky eo aminy. 9 Laha mamoa ie amin'ny tao magnaraky, soa; fa laha tsy izay, la tapaho ie!"' 10 Sady Jesosy nampianatsy tao amin'ny raiky tamin'ny Synagoga tagnatiny gny Sabata. 11 Ingo, nisy ampela raiky zay nana gny fagnahy ratin'ny fahalemea tagnatiny gny valo ambin'ny folo tao teo, sady ie la nivokoky voho tsy nahavita nitranga soa. 12 Nony nahajery gnazy Jesosy, la nikaiky gnazy ka nivola hoe: " Ry vehivavy, afaky amin'ny fahalemenao iha." 13 Napetrany teo aminy gny tagnany, sady niaraky tamin'izay la nitraka gny vehivavy sady nihoby an-Dranagnahary. 14 Nefa gny mpanapaky gny Synagoga la meloky noho gny fanasitrana nataon'i Jesosy tamin'ny Sabata. Noho izay la namaly gny mpanapaky sady nivola tamin'ny vahoaky hoe: " Misy enign'androzay tokony iasa. Miavia ka hitrana, fa kosa tsy amin'ny andro Sabata." 15 Gny Tompo namaly gnazy ka nivola hoe: " Ry mpiatsaravelatsihy! Moa va tsy samby mamaha gny boriky na gny aombiny ao amin'ny valany nareo ka mitondra izay hino rano amin'ny Sabata? 16 Sady manahaky izay koa toy anak'ampelan'i Abrahama, zay voafatotr'i Satana tagnatiny gny valo ambin'ny folo tao toy, tsy tokony mba ho vaha va gny fehy amin'ny andro Sabata?" 17 Sady laha nivola izay raha iaby izay Ie, la megnatsy reo iaby zay nanohitsy Gnazy, fa gny vahoaky raiky manontolo la faly noho reo raha iaby malaza nataony. 18 Sady Jesosy nivola hoe: " Manao akory gny fanjakan-Dranagnahary, sady manahaky gny ino ro afaky anoharako izay?" 19 Izay la manahaky gny voatsinampy zay nala voho nafafin'ny johary raiky teo an-jaridainy, ka la najary hazo bevata raiky, sady gny voron'ny lagnitsy la nagnamboatsy gny tragnony teo amin'ireo rantsany." 20 Mbo nivola avao Ie hoe: " Ino ro afaky hampitahako gny fanjakan-Dranagnahary? 21 Izay la manahaky gny masirasira zay nalan'ny ampela raiky ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famara mandra-piparitahany ao agnatin'ny koba iaby." 22 Jesosy la nandeha nitety gny tana voho gny vohitsy kiraidraiky tegny an-dala magnagny Jerosalema sady nampianatsy gnan-drozy. 23 Nisy raiky nivola tagnaminy hoe: " Tompo, moa va vitsy gny olo ro ho vonje?" Sady hoy ie tamin-drozy hoe: 24 " Mialia gny hilitsy gny varavara tery nareo, fotony, Zaho mivola agnaminareo, maro ro te-hitsofoky, fa tsy ho afaky gny hilitsy. 25 Lafa injay mitsanga gny tompon-tragno sady manily gny varavara, la hitranga ao amonto eo nareo ka handodo gny varavara sady hivola hoe: ' Tompo, Tompo, ampiliro rahay.' Ie hamaly ka hivola agnaminareo hoe: ' Tsy haiko nareo na gny fiavinareo.' 26 Sady hivola nareo hoe: ' Nihina voho nino teo agnatrehanao rahay, sady Iha fa nampianatsy teny an-dalambenay.' 27 Fa Ie la hamaly hoe: ' Mivola agnaminareo aho, tsy haiko zay fiavianareo. Miala eto agnamiko, nareo mpanao raty!' 28 Hisy fitomania voho fikitroha-nify lafa ingo nareo mahita gnan'i Abrahama, Isaka, Jakoba, voho gny mpaminany iaby ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary, nefa voaroaky agny amonta nareo. 29 Rozy la ho avy agny antignana, andrefa, avaratra, sady atimo ka hipetraky eo amin'ny latabatsy gny fanjakan-Dranagnahary. 30 Haiko zao, reo zay tsy la manan-danja ro ho voalohany, sady reo zay tena manan-danja ro ho farany." 31 Tafara kelin'izay, nisy Fariseo sasany avy sady nivola taminy hoe: " Mandeha ialao gny eto fotony Heroda la te-hamono Gnanao." 32 Jesosy nivola hoe: " Mandeha sady ambarao izay amboahaolo izay hoe: ' Ingo, zaho mandroaky devoly voho manao fanasitragna henanio voho hamaray, sady amin'ny andro fahatelo la ho tratriko gny tanjoko.' 33 Na ino na ino mitranga, raha-bevata agnamiko gny manohy henanio, hamaray, voho gny andro magnaraky, fotony tsy azo enke gny famonoa gny mpaminany lavitsy gnan'i Jerosalema. 34 " Ry Jerosalema, ry Jerosalema, zay mamono gny mpaminany voho mitora-bato reo zay nirahy tagny agnaminareo. Impiry aho ro nagniry gny hamory gny anakareo manahaky gny akoho vavy mamory gny anany ambany elany, nefa tsy naniry izay nareo. 35 Ingo, nenga gny tragnonareo. Zaho la mivola agnaminareo, tsy ho hitanareo Aho mandram-pivolagnanareo hoe: " Sambatsy zay avy amin'ny agnaran'ny Tompo."'