Toko 1

1 Maro gny niezaky nanoratsy tantara mahakasiky gny raha niseho ze tanteraky tagnamintsika teto, 2 araky gny fomba fanomean-drozy gnazy tagnamintsika,ze fa vavolombelo fa nagnatry maso voho gny mpanompo gny teny bakam-boalohany. 3 Laha gnagnamiko avao koa magnaly mety - laha nagnadihady soa gny fandehan-draha iaby bakam-boalohany-gny hanoratsy tatitsy araky gny filaharany ho gnanao , ry Teofilo mendriky mare. 4 Izay la mba hahaizanao gny to mikasiky gny raha nampianary gnanao. 5 Tamign'andron' i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, la nisy gny raiky tami-pisoro atao hoe Zakaria, avy mbakami'ny antokon' i Abia. Gny valiny bakamin'ny gn'anak' ampelan' i Arona, gn'agnarany la Elizabeta. 6 Samby to tagnatrehan-Dragnahary rozy, sady nagnaja gny lily iaby voho reo fitsipiky ny tompo. 7 Fe tsy mba nanagnanaky rozy, fotone tsy teraky Elizabeta, sady tena fa antitry koa rozy roa tamin'izay andro zay. 8 Ary zay la mahakasiky gnan' i zakaria teo amin'ny fagnatrehan-Dranagnahary, nagnantanteraky reo asa fisorogna araky gny fisolosoloan'ny isan-tokogna. 9 Araky gny fomba fataon-drozy gny amin'ny fifilia mpisoro zay tokony hanompo, la voafilin'ny Kodia kely hilitsy hagnoro gny emboky magnitry tao antranoben-Dranagnahary ie. 10 Tamin'ny fotoa nagnoroa gny emboky magnitry la nivavaky mbamonto begny gn' olo maro iaby. 11 La nisy anjelin-Dragnahary niseho tagnaminy la nitsanga tankavanan'ny alitara nisy gny emboky magnitsy. 12 lafa nahita gn'azy Zakaria la nanjary natahotry sady la feno tahotry ie. 13 Ka hoy gny anjely tagnaminy:"Ka matahotsy, ry Zakaria, fa nireko gny vavakao. Hivesatsy aja johary agnaminao Elizabeta valinao.Jaona ro hataonareo gnagnarany. 14 Hanam-pifalia voho haravoa iha, sady ho maro koa gny ho faly ami-gny hiterahany. 15 Fotony ho valagnatoky ie agnatrehan'ny Tompo. Tsy hino divay na raha finomy mahery koa ie, sady ho feno gny fanahy masy mbakagny an-kibon-dreniny ie. 16 Maro amign'ny vahoakin'Israely ro nitoliky amin'ny tompo Drahagnaharin-drozy. 17 Handeha eo alohan'ny Tompo amin'ny gny fanahy voho gny herin'Elia ie. Zay ro nataony mba hitolihan' ny gny fon'ny gny baba amin'ny gn'anaky, mba handenan-drozy ze tsy mankasitraky ami-gny lalan'ny fahendren'ny gny to mba hihetsegnan'ny gn'olo zay fa nioma ho gnan'ny Tompo zay fa niomany ho Azy. 18 Ka zakaria nivola tami-gny Anjely hoe:"ka manao akory gny hahaizako zay? zaho fa lahilahy antitry toy sady gny valiko koa lafa tena antitry." 19 ka hoy gn' Anjely namaly sady nivola tagnaminy:" Zaho ro Gabriela, zay mitsanga teo agnatrehan' Agnahary. Sady nirahy zaho mba hagnambara agnaminao,handay zao vaovao soa zao agnaminao. 20 Ka ingo! Fa ho moa iha, ka tsy hoafaky hivola, mandra-pihavian' ny gn'andro hisehoan'i reo raha reo. Satria tsy nino gny volako iha, zay tsimaintsy ho tanteraky amign' andro voatendry. 21 ka gn' olo maro sahira nandigny an' i Zakaria . tseriky gnohon'ny fitsanganany ela tao an-tempoly rozy . 22 Lafa niboaky ie, la tsy niafaky nivola tagnaminy rozy. sady haindrozy fa nahita fahitana ie tao an-tempoly .Nanao baiko moa tamin-drozy ie sady nijano ho moa. 23 Ka lafa niavy gn'andro hifaragnan'ny fanompoa, lasa noly tagny an-tragnony ie. 24 Tafaran'ny gn' andro reo, la nivesatsy Elizabeta ka nietaky nandritsy gny dimy vola.Ka hoy ie hoe: 25 " Zao gny nataon'ny Tompo lafa nahajilo ahy Ie mba hangala hegnatry ahy teo agnatrehan'ny gn'olo." 26 Tamign' ny faha enim-bola, la nirahin-Dragnahary gny anjely Gabriela nandeha tagny amin'ny tana raiky tao Galilia atao hoe nazareta, 27 ho agny aminy Virjiny raiky zay fofom-baly johary natao hoe Josefa. Agnisany taranak' i davida ie, sady gnagnaran' ny Virjiny Maria. 28 Nandeha teo agnilany Ie sady nivola hoe:" Akory, lahy nihasoavy mare! Gny Tompo ho ao agnaminao." 29 Fa la tena very hevitry tamin'ny gny volany Ie nanontany vata hoe fa fiaraba manao akory va zao. 30 Ka hoy gny anjely tagnaminy:" ka matahotry, Maria, fa nahita fankasitraha tamin' Andriamanitry iha. 31 Ingo, fa hovesatry iha ka hiteraky zaza johary. Ka gnagnarany ho kaihanao hoe'Jesosy'. 32 Ho valagnatoky Ie ka hokaihy hoe anaky gny Avo. Gny Tompo Ndragnahary hanome azy gny seza fiandrianan'i Davida razambeny. 33 ka hanjaka hatraminy farany amin'ny taranak'i Jakoba Ie, ka tsy hana fitampera gny fanjakany. 34 Ka hoy Maria tamin' Anjely: Ka manao akory gny hofandehan' izay, fa mbo tsy nandry tambohon- johary zaho? " 35 Gn' anjely namaly ka nivola tagnaminy hoe:"Hilatsaky agnaminao gny Fanahy masy, sady gny herinign' i Avo ro ho avy agnaminao. Ka lay masy hateraky la hokaihy hoe Anakin-Dranagnahaary 36 Ingo, Elizabeta Ragninao hivesatsy johary koa dra fa antitry aza. Fa enim-bola gn'azy amizao, Ie ro nikaihy hoe tsiteraky. 37 Fa satria tsy misy raha tsy ho tanteraky gny ami-Ndranagnahary. " 38 Ka hoy Maria;" Ingo, fa zaho ro mpanompovavign'ny tompo. Mba ho tanteraky agnamiko zay hafatrinao zay." Ka niala tagnaminy teo gn' Anjely. 39 Ka tamin'ny zay andro zay i maria niala ka nandeha mare tagny amin'ny gny tany abo, agny amin'ny tanan' i Jodia. 40 nandeha tagny antragnon' izakaria Ie sady niarahaba an' i Elizabeta. 41 Sady lafa nahare gny fiaraban' i Maria Elizabeta, la nihetsiketsiky gn' aja tan-kibony tao, sady feno gny Fanahy masy Elizabeta. 42 nampiakatsy gny feony sy nivola mare ie hoe:"Nohasoavy noho gny ampela iaby iha, ka nohasoaviny gny hateraky gny kibonao. 43 fa nagnino ro miseho agnamiko fa gny renin'i Ndranagnahary ro avy hamonjy gn'ahy? 44 Fa ingo, lafa nireko gny fiarabanao, la nifalifaly gn' Aja agnaty kiboko ato. 45 Sambatra zay nino fa hotanteraky gny raha nivolagnin'nyTompo tagnaminy." 46 Hoy Maria:" Midera gn'any Tompo gny fagnahiko, 47 Sady gny fagnahiko nifaly tao agnamin' Andriamanitra Mpamonjiko. 48 Fa nagnety gny fahantran'ny gny mpanompo vaviny Ie. sady Ingo, manomboky androany gny taranaky iaby hikaiky ahy hoe sambatsy. 49 Satria nanao raha bevata tagnamiko lay mahay gny raha iaby, sady Masy gnagnarany. 50 Fa maharitry ho gnan'ny taranaky faramandimby zay matahotsy gn' Azy gny famindram-pony. 51 Nampiseho gny heriny tamin'ny gny sandriny Ie; Sady nagnaparitaky reo zay nibohaboha tagnamin'ny vetsivetsy gny fony rozy. 52 Nalany tamin'ny gny seza fiandriana gn' anakilahin'ny mpanjaka sady gny tam-bany nasondrony. 53 Nataony vintsy raha soa reo mosary, fa gny nanam-panagna nampoliny tsy nana dra ino dra ino. 54 Nagnomea fagnampea an' i Israely mpanompony Ie, mba hahatiarovany haneho famindram-po 55 (laha gny nivolany tamin'ireo raintsika) tagnamin'i Abrahama voho gny avorohotany mandrakizay." 56 Nijano nipetraky tao agnamin'i Elizabeta tokony ho telo vola i Maria bakeo nimpoly noly tagny an-tragnony. 57 La niavy gn' andro hiterahan' i Elizabeta gnanany ka niteraky zaza johary Ie. 58 Nahare gny famindram-po valagnatoky nataon'ny Tompo tagnaminy reo mpiharo tana agnaminy.voho reo longony, ka niaraky hafalia tagnaminy rozy. 59 Tamign' ny andro faha folo la niavy gn' andro hisavara gn' aja reo. Fa ho nikaihin-drozy hoe "zakaria," manahaky gnagnaran'ny Babany Ie. 60 Fa gny reniny koa namaly ka nivola hoe:" Aha! Jaona ro ikaiha gn'Azy." 61 Ka hoy rozy tagnaminy: " Tsy misy ami-gny longonao ro nikaihy tamin'ny agnara zay." 62 Nanao baiko moa tagnamin' ny baba-drozy rozy gny ho fikaiha gnazy. 63 Nangataky solaitry fanorata babany sady nanoratry hoe:"Jaona ro hatao gnagnarany." La nitseriky tamizay rozy iaby. 64 Ka niatomboky tamizay la nisokatsy gny vavany sady nafaha gny lelany. Nirehaky ie sady nidera Andranagnarary. 65 La niavy tagnamindrozy vory iaby teo gny tahotry. Ka niely manera gny tana abon'i Jodia gny raha niseho iaby. 66 Ka gny nahare iaby teo la nandray am-po iaby, ka nivola hoe:" ho lasa ino roahy zaza toy io?" Fa mandrakotry azy gny tagnan'ny Tompo. 67 La nifeno gny fagnahy masy i Zakaria babany sady naminany, ka nivola hoe: 68 "Deraina anie ny tompo, Andriamagnitr' Israely, Fa niavy nagnampy voho nagnatanteraky gny fagnafaha tagn'aminy gn' olony Ie. 69 Nanondrotry avo gny tandrom-pagnavota ho gnantsika tao an-tragnon'i Davida mpanompony Ie, 70 tahaky gny raha nivolaniny tagnamin'ny gny vavan' ireo mpaminany masy tamin' ny gn' andro taloha tagny. 71 Handay famonjea ami-gny fahavalontsika voho gnagnamin'ny tanan' ireo iaby tsy teagn' antsika Ie. 72 Izay ro hataony la gny mba hampisehoa gny famindram-po amin'ireo babantsika voho hampatiarova gny fanekem-pilongoany Masy, 73 la gny fiaigna nivolagniny tamin'i Abrahama babatsika. 74 Niania gny hahazoantsika, lafa afaky tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, manompo Gnazy tsy amin-tahotsy, 75 am-pahamasina voho am-paharigna eo agnatrehany amin'ny androntsika iaby. 76 Eka, sady iha, ry aja, la ho kaihy hoe mpaminan'ny Abo mare, fa handeha hialoha gny tavan'ny Tompo iha sady hagnamboatsy gny lalany, mba hanoma gn'olo gny ami-gny hiaviany, 77 mba hagnome fahalalam-pamonjea ho gnan'ny olony amin'ny alalan'ny famela gny helon-drozy. 78 Izay ro hiseho la nohon'ny famindram-po masin'ny Ndranagnaharintsika, nohon'ny amin'izay ro hiposahan'ny masoandro baka amin'ny abo mba ho ho avy hagnampy gnantsika, 79 hanagnazava gnan'ireo zay mipetraky ao agnatin'ny maiky voho reo ao agnatin'ny aloky gny fahafatesa. Hataony zay mba hitariha gny tombontsika amin'ny lalam-piadagna." 80 Sady gny aja la nitombo sady lasa nahery amin'ny fagnahy, sady tagny agn'efitsy ie mandra-piavian'ny andro hiseahoany ankarihary amin'Israely.