Toko faha 8

1 Yaveh nivola tamin'i Mosesy, nanao hoe: 2 " Alao i Arona vo reo anany lahy miaraky aminy, reo fitafia voho gny diloilo fagnosora, gny amby lahy ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota, gny aondry lahy roa, sady gny haro fipetraran-mofo tsy misy masirasira. 3 Avondrony eo amin'ny filiran'ny tragno-lay fihaogna gny fiangona iaby." 4 Ka la nanao araky zay nandidian'i Yaveh gnazy i Mosesy, sady avy niangona teo amin'ny filira magnagny amin'ny tragnolay fihaogna gny fiangona. 5 Bakeo nivola tamin'ny fiangona i Mosesy hoe: " Zao ro nandidian'i Yaveh ho tanterahy." 6 Nandesin'i Mosesy i Arona vo reo anany lahy sady nosasany tamin'i rano rozy. 7 Nampagnaoviny gnan'i Arona gny akanjo lava sady nifeheziny teo amin'ny andilany gny hetra, nampitafia tohitena ie sady nasiany efoda teny aminy, sady la nafatony teo aminy gny efoda niaraky tamin'ny lamba voatenona mandiniky ka nifeheziy teny aminy izay. 8 Napetrany teo aminy gny saro-tratra, sady tao agnatin'ilay saro-tratra ro nasiany gny Orima voho gny Tomima. 9 Nametraky gny hamama teo amin'ny lohany ie, sady tao agnatin'ny hamama, teo agnoloa, ro nanasiany gny tekela-bolamena, voho gny diadema masy, araky gny nandidian'i Yaveh gnazy. 10 Nandramby lay diloilo fanosora i Mosesy, ka nanosotsy gny tabernakely voho zay iaby tao aminy sady nanokana regny ho gnan'i Yaveh. 11 Namafy gny diloilo teo amin'ny alitara impito ie, sady nanasotsy gny alitara voho reo fanaky iaby tao agnaty, sady gny tavy voho gny faladiany, mba hanokana reo ho gnan'i Yaveh. 12 Nandraraky gny sasagny tamin'ny diloilo fagnosora tamin'ny lohan'i Arona ie ka nanosotsy gnazy mba hanokana gnazy. 13 Nandesin'i Mosesy reo anaky lahin'i Arona sady nampitafiany akanjo lava rozy. Namatotsy hetra tamin'ny andilan-drozy ie sady namono lamba hasim-bazaha foty tegny an-dohan-drozy, araky gny nandidian'i Yaveh gnazy. 14 Nanday gny aomby lahy ho amin'ny fagnatitsy nohon'ny ota i Mosesy, sady Arona voho reo anany lahy la nametraky gny tagnan-drozy teo amin'ny lohan'ilay aombilahy zay avy nandesin-drozy ho amin'ny fagnatitsy nohon'ny ota. 15 Nivinonony izay, sady nangalaky gny lio voho nametraky izay tamoin'ny tandroky gny alitara tamin'ny fanondrony ie, nagnalio gny alitara, nandraraky gny lio teo amin'ny fagnambanin'ny alitara, ka nanoka izay ho an-Dranagnahary mba hanaovany fanonera ho amin'izay. 16 Nangalaky gny sabora iaby zay tao agnatiny ie, gny saron'aty, voho reo voa anakiroa sady gny saborany, sady nagnoro reo teo amin'ny alitara i Mosesy. 17 Fa ilay aomby lahy, gny holiny, gny henany, vo gny tai-drorohany koa la noroany ivelan'ny toby, araky gny nandidian'i Yaveh gnazy. 18 Nanolotsy gny ho amin'ny fagnatitsy oroa i Mosesy, sady Arona voho reo anany lahy la nametraky gny tagnany teo amin'ny lohan'ilay aondry lahy. 19 Nivinonony izay ka nafafy magnodidy gny lafin'ny alitara iaby gny lio. 20 Notetehiny lay aondry lahy sady noroany gny lohany voho reo silany sady gny saborany. 21 Nosasainy tamin'ny rano gny atiny voho gny tombony, sady noroany gny aondry lahy manontolo teo amin'ny alitara ie. Izay ro fagnatitsy oroa sady namoaky hagnitsy mamerovero izay, fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy. 22 Bakeo la nanolotsy aondry lahy raiky hafa i Mosesy, gny aondry lahin'ny fagnamasina, sady Arona voho reo anany lahy la nametraky gny tagnany tamin'ny lohan'ilay aondrilahy. 23 Nivinonon'i Arona izay, sady nangalaky tamin'ilay liony i Mosesy ka nametraky izay tamin'ny tendron'ny ravintsofin'i Arona ankavana, teo amin'ny ankihiben-tagnany ankavana, voho teo amin'ny ankihibe-tombony ankavana. 24 Nandesiny reo anaky lahin'i Arona, sady nametraky sasany tamin'ilay lio teo amin'ny tendron'ny ravintsofin-drozy havana, teo amin'ny ankihibe-tagnan-drozy ankavana, voho teo amin'ny ankihibe-tombon-drozy ankavana ie. Bakeo Mosesy namafy gny lion'izay magnodidy gny lafin'ny alitara iaby. 25 Nalany gny sabora, gny rambo vondraky, gny sabora iaby zay tao agnatiny, gny saron'aty, gny voa anakiroa voho gny saborany, sady gny feny havana. 26 Bakan'ny harona fipetrara-mofo tsy misy lalivay zay teo agnatrehan'i Yaveh, ro nangalany mofo misy lalivay raiky, sady mofo voaisy diloilo, voho mofo manify, sady nametraky reo teo amin'ny sabora voho teo amin'ny fe havana. 27 Napetrany tegny an-tagnan'i Arona voho gny tagnan'ireo anaky lahy iaby reo sady nahevaheva teo agnatrehan'i Yaveh reo mba ho fagnatitsy ahevaheva. 28 La nangalaky reo tegny an-tagnan-drozy reo i Mosesy ka nagnoro reo teo amin'ny alitara ho amin'ny fagnatitsy oroa. Reo la fagnatitsy fanamasigna sady namoaky hagnitsy mamerovero. Izay ro fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. 29 Nandramby gny tratra voho nanevaheva izay ho fagnatitsy ahevaheva ho gnan'i Yaveh i Mosesy. Izay ro fizaran'i Mosesy gny aondry lahy ho an'ny fanokagna reo mpisoro, araky gny nandidian'i Yaveh gnazy. 30 Nangalaky tamin'ilay diloilo fagnosora voho gny lio zay teo amin'ny alitara i Moasesy; namafy reo tamin'i Arona, tamin'ny akanjony, tamin'ireo anaky lahy, voho tamin'ny akanjon'ireo anaky lahy ie. Manahaky izay ro nanokanany gnan'i Arona voho gny akamjony, sady reo anaky lahy voho gny akanjon-drozy ho gnan'i Yaveh. 31 Ka la nivola tamin'i Arona voho reo anaky lahy i Mosesy hoe: " Ampangotraho eo amin'ny filira magnagny amin'ny tragno-lay fihaogna gny hena, sady hano izay voho gny mofo zay ao agnatin'ny haron'ny fanamasigna, araky gny nandidiako, nanao hoe: ' Hihina izay i Arona voho reo anaky lahy.' 32 Zay iaby sisa amin'ny hena voho gny mofo la ao horoanao. 33 Ka miboaky bakeo amin'ny filiran'ny tragnolay fihaogna ao agnatin'ny hafitoa nareo, zisiky itaperany reo andron'ny fanokana nareo. Fa Yaveh ro hagnamasy anareo ao agnatin'ny hafitoa. 34 Zay fa nato androany__la nodidian'i Yaveh ho vita mba hanaova fagnonera ho anareo. 35 Hitoetsy andro aman'aly ao amin'ny filiran'ny tragnolay fihaogna mandritsy gny hafitoa nareo, sady hitandry gny lilin'i Yaveh, mba tsy ho maty nareo, fotony izay ro fa nandidiany gnahy." 36 Ka la nanao reo raha iaby zay nandidian'i Yaveh gnazy reo tamin'ny alalan'i Mosesy i Arona voho reo anaky lahy.