Toko faha 27

1 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh ka nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely ka ambarao an-drozy hoe: ' Laha misy olo manao voaly miavaky amin'i Yaveh, la ampisao reo tombam-bily mifagnaraky aminy. 3 Gny fenitry gny tombokao ho an'ny lahy manomboky amin'ny roapolo ka hatramin'ny enipolo tao la tsy maintsy sekely volafoty dimapolo, araky gny sekelin'ny fipetrara masy. 4 Ho an'ny vavy amin'izay tao izay avao la sekely telopolo gny fenitry gny tombonao. 5 Gny fenitry gny tombanao amin'ny dimy hatramin'ny roapolo tao la tsy maintsy sekely roapolo, sady ho an'ny vavy la sekely folo. 6 Gny fenitry gny tombanao ho an'ny lahy raiky vola hatramin'ny limy tao la tsy maintsy sekely volafoty limy; sady sekely volafoty telo ho an'ny vavy. 7 Gny fenitry gny tombanao ho an'ny lahy enipolo tao ro miakatsy la tsy maintsy sekely limy ambin'ny folo, sady ho an'ny vavy la sekely folo. 8 Nefa laha tsy afaky gny handoa gny fenitry gny tombana gny olo manao gny voaly, la tsy maintsy aseho agny amin'ny mpisoro gny olo atolotsy, sady hanombana izay olo izay amin'ny viliny anakin'ny manao gny voady gny mpisoro. 9 Laha misy olo magniry hanao soro biby ho gnan'i Yaveh, ka laha eken'i Yaveh izay, la ho voatoka ho Gnazy izay biby izay. 10 Ao gny olo tsy hanova na hamaliky biby manahaky izay, gny soa ho amin'ny raty na gny raty ho amin'ny soa. Laha mampifamaliky biby raiky ho amin'ny raiky hafa ie, la samby avy masy na izay na gny raiky zay nampifamalihany taminy. 11 Nefa, laha toa ka malotogny nanaovan'ny olo voady homena gnan'i Yaveh, mba tsy hagneken'i Yaveh izay, la tsy maintsy handay gny biby agny amin'ny mpisoro gny olo. 12 Hanombana izay gny mpisoro, araky gny tombana ivarotany gny biby. Na ino na ino tomba apetraky gny mpisoro amin'ny biby, la izay ro ho tombany. 13 Laha magniry gny hagnavotsy izay gny tompony, la magnampy avo limy henin'ny tombam-biliny ao amin'ny vilim-pagnavotan'izay. 14 Lafa manoka gny tragnonyho fanomeza masy ho gnan'i Yaveh gny johary raiky, la hanombana izay gny mpisoro na ho soana ho raty. Na ino na ino anombanan'ny mpisoro izay, la izay ro ho ie. 15 Nefa laha magniry hagnavotsy izay gny tompony zay nanoka gny fipetrahany, la tsy maintsy magnampy raiky ampahalimin'ny tombam-biliny ao amin'ny vilim-pagnavotan'izay ie, ka ho gnazy izay. 16 Laha manoka gny sasany amin'ny taniny avao gny johary raiky, la ho arakaraky gny lanjan'ny voa ila hambole amin'izay ro ho tombam-biliny_vary hordea raiky homera ho tombana sekely volafoty dimapolo. 17 Laha toa ka manoka gny sahany mandritra gny taon-jobily ie, lan hijano amin'izay avao gny tombam-biliny. 18 Nefa laha manoka gny baibony afaran'ny taon-jobiky koa ie, la ao hokahian'ny mpisoro gny tomban'ny baibo arakyngny isan'ny tao sisa zisiky iavian'ny taon-jobily magnaraky, sady tsy maintsy hahena gny tombam-bilin-'izay. 19 nLaha magniry hagnavotsy gny baibo gny johary zay nanoka izay, la tsy maintsy magnampy raiky ampahalimin'ny tombam-biliny ie, ka ho gnazy izay. 20 Laha tsy hagnavotsy gny baibo koa ie, na fa novarotany tamin'olon'kafa gny baibo, la tsy azo avota sasy izay. 21 Fa koa, gny baibo, lafa iaby amin'ny taon-jobily, la ho fanomeza masy ho gnan'i Yaveh izay, manahaky gny baibo zay efa nanolotsy tanteraky ho gnan'i Yaveh. Ho an'ny mpisoro izay. 22 Laha manoka baibo zay avy niviliany gny johary raiky, nefa tsy anisan'ny tanin-drazany izay baibo izay, 23 laho vinavinan'ny mpisoro gny tombam-bilin'izay hatramin'ny taon-jobily, ka tsy maintsy aloan'ny johary ho fanomeza masy ho gnan'i Yaveh gny tomban'izay amin'izay andro izay. 24 Amin'ny taon-jobily, la himpoly agny amin'ny johary zay nivilianany izay gny tany, agny amin'ny tompon'ny tany. 25 Gny tombam-bili iaby la tsy maintsy atao araky gny lanjan'ny sekelin'ny fipetraha masy. Tsy maintsy gera roapolo ro mifandraiky amin'ny sekely raiky 26 Tsy misy mahazo manoka gny voalohan-teraky amin'ny biby, fotony gny voalohan-teraky la fa an'i Yaveh; na aomby na aondry, gnan'i Yaveh, izay. 27 Laha toa ka biby maloto izay, la mahazo mivily izay amin'ny tombam-biliny ndraiky gny tompony, sady tsy maintsy magnampy raiky ampahalimin'ny tomban'izay. Fa laha tsy avotsy koa gny biby, la ho amily amin'ny tombany voatondro izay. 28 Fa tsy misy raha zay atokan'ny johary raiky ho gnan'i Yaveh, bakamin'izay iaby ananany, na olombelo na biby, na gny tanin-drazany, ka afaky avily na avota. Zay iaby natoka la masy mare ho gnan'i Yaveh. 29 Tsy misy vilim-pagnavota azo aloa ho an'ny olo zay voatoka ho amin'ny faharava. Tsy maintsy vonoe izay olo izay. 30 Gny ampahafolon'ny vokatsy iabin'ny tany, na voly egny amin'ny tany izay na vokatsy bakamin'ny hazo, la gnan'i Yaveh. Masy ho gnan'i Yaveh izay. 31 Laha hagnavotsy gny ampahafolom-bokany gny johary raiky, la tsy magnampy avo limy heny amin'ny tomban'izay ie. 32 Laha gny amin'ny gn'ampahafolon'ny gn'aomby na gn'aondry, ndra ino ndra ino mandalo eo ambany kobain'ny gny tsimiasy, gny raiky ampahafolon'izay la tsy maintsy atoka ho an'i Yaveh. 33 Ao tsy hila gny biby soa na gny raty gny mpiamby sady ao ie tsy hampifamaliky izay. Laha toa ka manakalo izay ie, la samby masy iaby na izay na gny takalony. Tsy azo avota izay." 34 Reo aby ro lily zay nomen'i Yaveh ho an'i Mosesy ho an'ny vahoakan'Israely tany an-Tendrombohitsy Sinay.