Toko faha 21

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Mivolagna amin'ireo mpisoro, reo anaky lahin'i Arona, sady ambarao rozy hoe: ' Ao tsy hisy na raiky agnaminareo ka handoto gny vatany ho nohon'ny amin'ireo zay maty eo amin'ny olony, 2 afa-tsy reo longony marikitsy gnazy__gny reniny, gny rainy, gny anany lahy, gny anany vavy, gny rahalahiny, 3 na gny anabaviny virijiny zay miantehitsy aminy, ambara-panagnany valy__fa mety handoto gny vatany nohony aminy rozy. 4 Nefa ao tsy handoto gny vatany amin'ny olon-kafa ie ka handoto gny vatany. 5 Ao reo mpisoro tsy hanaratsy gny lohany na hagnaratsy reo sisin'ny volom-bavany, na hitetiky gny vatany. 6 Ao ho masy amin'ny Ndranagnahariny rozy sady tsy hanimbazimba gny agnaran-Dragnahariny, fotony gny mpisoro ro magnome gny fagnatitsy hohany ho gnan'i Yaveh, gny mofon'ny Ndranagnaharin-drozy. Noho izay ao ho masy reo mpisoro. 7 Ao rozy tsy hanambaly gny ampela zay mpivaro-tena voho maloto, sady ao tsy hanambaly ampela nisara-baly rozy fotony rozy la voatoka ho an'ny Ndranagnaharin-drozy. 8 Hatokanareo ie, fotony ie gny manolotsy mofo ho an-Dranagnaharinareo. Ao ho masy agnaminareo ie, Fotony Zaho, Yaveh zay magnamasy anareo, la masy. 9 Gny anak'ampelan'ny mpisoro zay mandoto gny vatany amin'ny fahalasa ho mpivaro-tena manalabaraka gny babany. La ao ho oroa rozy. 10 Zay mpisorobe eo amin'ireo rahalahiny, zay fa nandraraha diloilo fanosora teo amin'ny lohany, sady zay fa nohamasiny hitafy gny akanjo voatoka ho an'ny mpisoronabe, la ao tsy hampisarakorako gny volony na hanataky gny akanjony. 11 Ao tsy handeha egny amin'izay misy fatin'olo ie ka handoto gny vatany, na gny babany na gny reniny aza. 12 Ao gny mpisorombe tsy handao gny faritsy gny fipetraha masin'ny tabernakely na hanimbazimba gny fipetraha masin'ny Ndranagnahariny, fotony fa nohamasiny ho mpisoronabe tamin'ny alalan'ny fanosora gny diloilon'ny Ndranagnahary ie. Zaho ro Yaveh. 13 Ao gny mpisoronabe hangalaky valy virijiny. 14 Ao ie tsy hanambaly mpitondratena, ampela nisara-baly, na ampela nmpivaro-tena. Tsy hanambaly izay karazam-behivavy izay ie. Virijiny bakamin'ny olony avao ro azony valiany, 15 ka tsy handotoany gny anany eo amin'ny vahoakany, fotony Zaho ro Yaveh, gny nagnamasy gnazy."' 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: 17 " Mivolagna amin'i Arona sady ambarao gnazy hoe: 'Zay iaby mana handra ara-bata amin'ny taranakareo voho gny fara mandimbin-drozy, la ao ie tsy hanato ka hanolotsy hany ho gnan'ny Ndranagnahariny. 18 Ao tsy hanatona gnan'i Yaveh gny olo iaby zay mana handra ara-bata, manahaky gny olo jiky na olo tsy afa-mandeha, zay simba tarehy na sembana, 19 gny olo zay manan-takaitsy gny tana na gny tomboky, 20 gny olo zay misy vokoky ao an-damosiny misy takaitsy gny masony, na misy arety, na areti-maso, lagaly, na zay vihy fa torotoro. 21 Tsy misy olo eo amin'ny avorohotan'i Arona mpisoro mana handra ara-bata ka hagnariniky mba hanantanteraky gny fagnatitsy atao amin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. Gny olo mana handra ara-bata manahaky izay; la ao ie tsy hagnariniky ka hanolotsy mofo ho an'ny Ndranagnahariny. 22 Afaky mihina gny sakafon'ny Ndranagnaharinyie, na gny sasany amin'ireo masy mare na sasany amin'ireo masy. 23 Na izay aza, ao tsy hilitsy agnatin'ny lamba fanakogna na hagnarikitsy gny alitara ie, fotony manan-kandra ara-bata ie, mba tsy mandoto gny toerako masy, fotony zaho ro Yaveh, zay magnamasy reo."' 24 Ka noresahin'i Mosesy tamin'i Arona iaby reo teny reo, tamin'ireo anaky lahiny, voho reo anak'Israely iaby.