Toko faha 19

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely iaby sady ambarao gnan-drozy hoe: ' Masy nareo, fa Zaho Yaveh Ndranagaharinareo la masy. 3 Ao gny kiraidraiky hanaja gny reniny voho gny babany, sady tandremo gny sabatako, Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo raha-foana, na manao Ndranagnahary vy ho nareo. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 5 Laha magnatitsy soron'ny fagnati-pilongoa amin'i Yaveh nareo, ao nareo hagnatitsy izay mba ho enke. 6 Ao ho hany amin'ny andro hananteranareo gnazy izay, na amin'ny hamarainy igny. 7 Laha misy raha tsy lany zisiky iavian'ny gn'andro fahatelo, la ao ho oroa izay. Maloto izay laha mbo hany amin'ny andro fahatelo. Ao tsy ho enke izay, 8 fa gny kiraidraiky zay mihina izay la handay gny helony fotony fa nangalaky baraka zay raha-masin'i Yaveh ie. Ao ho ala eo amin'ny vahoakany izay olo izay. 9 Laha minjanja gny vokatsy gny taninareo nareo, la ao nareo tsy hinjinja tanteraky gny zoron'ny sahanareo, na koa hamory vokatrinareo iaby. 10 Ao nareo tsy hamory gny voaloboky iaby amin'ny tanim-boalobakareo, na hamory gny voalobokinareo, na hamory gny voaloboky zay milatsaky amin'ny tany eo amin'ny tanim-boalobokareo. Ao havelanareo rozy regny ho an'ny mahantra voho gny vahiny. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 11 Ka mangalatsy. Ka mavandy. Ka mifamitaky. 12 Ka mianiana vandy amin'ny Agnarako na maniratsira gny Agnaran'ny Ndranagnaharinareo. Zaho ro Yaveh. 13 Ka mampahory gny mpiara-monina agnaminareo na mandroba gnazy. Ao tsy hijagno miaraky agnaminareo amin'ny haly manontolo ka hatramin'ny maraindray gny karaman'ny mpikarama. 14 Ka manozo gny mareny na mametraky sakana manafintohy eo agnatrehan'ny jiky. Fa koa, ao nareo hatahotsy gny Ndranagnaharinareo. Zaho ro Yaveh. 15 Ka diso gny fitsara. Ka mizaha tavan'olo fotony mahantra ie, sady ka magnenty tarehin'olo fotony olo agnabo ie. Fa koa, tsarao araky gny fahamarigna gny mpiara-monina agnaminareo. 16 Ka mivezivezy manaparitaky fosafosa eo amin'ny vahoakanareo, fa ilao zay hiarovanareo gny ain'ny mpiray tana agnaminareo. Zaho ro Yaveh. 17 Ka malay gny rahalahinareo amin'ny fonareo. Ao nareo hivola mare an-kitsi-po gny mpiray tana agnaminareo mba tsy hifampizararanareo ota noho gny aminy. 18 Ka mamaly faty na mitanjaky lolom-po amin'ireo vahoakanareo, fa koa tiavo gny namanareo manahaky gny vatanareo. Zaho ro Yaveh. 19 Tandremo reo liliko. Ka magnandra mampanaraky gny bibinareo amin'ny karam-biby hafa. Ka manakamba karazam-boa sambihafa laha mamboly amin'ny tanim-boly. Ka manday akanjo natao tamin'ny akora roe karaza zay nampifangaroa. 20 Na ia na ia miara-miroro amin'ny andevo vavy zay voafofo ho valy, nefa tsy noviviam-pagnavota na nomena gny fahafaha, la ao rozy hosazia. Ao tsy ho vonoe rozy fotony tsy olo afaky ie. 21 Ao handay gny fagnatitsy nohon'ny heloky ho gnan'i Yaveh eo amin'ny filiran'ny tragno-lay fihaogna gny johary raiky_aondry lahy raiky ho fagnatitsy nohon'ny heloky. 22 La hanao fagnavota ho gnazy gny mpisoro miaraky amin'ny aondry lahy ho fagnatitsy nohon'ny heloky eo agnatrehan'i Yaveh, nohon'ny ota zay nataony. Sady la ho voavela gny fahota vitany. 23 Laha avy eo amin'ny tany nareo sady mamboly reo karazan-kazo fihinam-boa, la ao nareo hagnenga gny voa zay vokarin-drozy mba ho voarara tsy ho hany. Ao ho voarara gny voa ho anareo agnatiny telo tao. Ao tsy hohany izay. 24 Fa min'ny tao fahefatsy la ho masy avokoa gny voa iaby, ho fagnati-pidera ho gnan'i Yaveh. 25 Amin'ny tao fahalimy la afaky hihina gny voa nareo, fotony niandry nareo mba hafahan'ireo hazo mamokatsy bebe koko. Zaho ro Yaveh. 26 Ka mihina henalaha mbo misy lio izay. Ka manotany gny fagnahy momban'ny ho baka, sady kamikatsaky gny hifehy gny hafa amin'ny hery mihoatsy ngny natoraly. 27 Ka manaraky gny fahazaran'ny mpanompo sampy manahaky gny fanarata gny sisin'ny lohanareo na manongotsy gny sisiny baka amin'ny volom-bavanareo. 28 Ka mandily gny vatanareo ho an'ny maty na manisy mariky tombokavatsa amin'ny vatanareo. Zaho ro Yaveh. 29 Ka mangalaky baraky gny anakareo vavy amin'ny fanaova gnahy ho mpinjanganjanga gny firenena sady ho feno faharatia gny tany. 30 Ao nareo hitandry gny Sabatako sady hagnome voninahitsy gny fipetrara masin'ny tabernakeliko. Zaho ro Yaveh. 31 Ka miodiky ho agny amin'ireo zay miresaky amin'ny maty na amin'ny fagnahy. Ka mila gnazy reo, fa laha tsy izay handoto anareo rozy. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 32 Ao nareo hintsanga magnatsiky gny olo foty volo sady hagnome voninahitsy gny olo antitsy. Ao nareo hatahotsy gny Ndranagnaharinareo. Zaho ro Yaveh. 33 Laha misy vahiny mipetraky ao agnaminareo eo amin'ny taninareo, la ao nareo tsy hanao raty gnazy. 34 Ao ho manahaky gny tera-tany Israelita mipetraky eo agnaminareo reo vahiny zay mipetraky miaraky agnaminareo, sady ao ho tiavinareo manahaky gny vatanareo ie, fotony fa mba vahiny avao nareo tany amin'ny tany Egypta. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo. 35 Ka mampiasa fandrefesa diso laha mandrefy halava, lanja, na habetsaha. 36 Ao nareo hampiasa mizana to, vato mizana to, efaha to, sady hina to. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinareo, zay nanday anareo niboaky gny tany Egypta. 37 Hankatoavy reo liliko iaby voho gny lalako iaby, sady hataony regny. Zaho ro Yaveh."'