Toko faha 16

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh__ izay la tafaran'ny nahafatesan'ireo anak'i Arona roe lahy, lafa nandeha nagnarikitsy gnan'i Yaveh rozy sady maty bakeo. 2 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Miresafa amin'i Arona rahalahinao sady ambarao ie mba tsy ho avy amin'ny fotoa iaby agny amin'ny fipetraha masy mare agnatin'ny efatsy lamba, eo agnatrehan'ny sarom-pagnavota zay eo amin'ny fiara. Laha manao izay ie,la ho faty fotony miseho amin'ny raho eo amin'ny sarom-pagnavota Zaho. 3 Koa zao ro fomba tokony ahavian'i Arona ao amin'ny toera masy mare. Ao ie hilitsy miaraky amin'ny vantotr'aomby lahy ho fagnatitsy nohon'ny ota, sady aondry lahy ho fagnatitsy oroa. 4 Tsy maintsy manao gny akanjo lava masy vita amin'ny lamba hasim-bazaha foty ie, sady tsy maintsy manao atin'akanjo vita amin'ny hasim-bazaha foty sady tsy maintsy manao fehin-kibo hasim-bazaha foty voho hamama hasim-bazaha foty. Reo ro salotsy masy. Tsy maintsy mampandro gny vatany amin'ny rano ie sady bakeo akanjo reo. 5 Tsy maintsy mangalaky aosy lahy roe bakamin'ireo fikambanan'ny vahoakan'Israely ie ho fagnatitsy nohon'ny ota sady aondry raiky ho fagnatitsy oroa. 6 Bakeo Arona hanolotsy gny vatotr'aomby lahy ho fagnatitsy nohon'ny ota, zay ho an'ny vatany, mba hanaova fagnavota ho an'ny vatany voho gny fianakaviany. 7 Bakeo la hangalaky reo aosy lahy roe ie sady hametraky reo eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny filira ao amin'ny gny fihaogna. 8 Bakeo Arona tsy maintsy miloka an'ireo aosy roe, loka raiky ho an'i Yaveh, sady gny loka raiky ho an'ny azazela. 9 Tsy maintsy manolotsy gny aosy eo amin'ny nianjeran'ny loka ho gnan'i Yaveh i Arona bakeo, sady manolotsy izay aosy izay ho fagnatitsy nohon'ny ota. 10 Fa gny aosy zay niantontan'ny loka ho an'ny azazela la tsy maintsy andesy velo eo agnatrehan'i Yaveh, mba hanaova fagnavota amin'ny fandefasa gnazy manahaky gny azazela magnagny agn'efitsy. 11 Bakeo Arona la tsy maintsy nanolotsy gny vantotr'aomby lahy ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota, zay ho an'ny vatany. Tsy maintsy manao fagnavota ho an'ny vatany voho ho an'ny fianakaviany ie, ka tsy maintsy mamono gny vantotr'aomby lahy ho fagnatitsy nohon'ny ota ho an'ny vatany ie. 12 Tsy maintsy mangalaky fangalam-bolo atsiky vaim-bolo bakeo amin'ny alitara eo agnatrehan'i Yaveh, miaraky amin'ny ditin-kazo maliniky eran'ny tagna, sady manday reo raha reo ao agnatin'ny efitsy lamba. 13 Ao ie ro tsy maintsy mametraky gny ditin-kazo ho ao agnaty bolo eo agnatrehan'i Yaveh mba hagnaro gny fiaro fagnaovam-pagnavota eo agnabon'ireo didim-pagnekena gny rahona bakamin'ny ditin-kazo. Tsy maintsy manao izay ie mba tsy ho faty. 14 Bakeo la tsy maintsy mangalaky amin'ny lion'ny vantotr'aomby lahy ie ka hanondraky izay amin'ny tagnany eo agnatrehan'ny rakotry fanaovam-pagnavota. Tsy maintsy manondraky gny sasany amin'ny lio amin'ny rantsan-tagnany im-pito eo agnatrehan'ny rakotsy fanaovam-pagnavota ie. 15 La hamono gny aosy lahy ho fagnatitsy nohon'ny ota zay ho an'nyvahoaky sady handay gny liony ho ao agnatin'ny efitsy lamba ie. Tsy maintsy manao manahaky gny fa nataony tamin'ny gny lio ro ataony amin'ny lion'ny vantotr'aomby lahy: tsy maintsy manondraky izay eo amin'ny rakotsy fanaovam-pagnavota ie sady eo agnatrehan'ny rakotsy fanaovam-pagnavota. 16 Tsy maintsy manao fagnavota ho an'ny toera masy ie noho reo asa maloton'ny vahoakan'Israely, voho gny fahotany iaby. Tsy maintsy manao izay ho an'ny gny fihaogna avao koa ie, zay hipetrahan'i Yaveh eo amin-drozy, amin'ny fagnatrehan'ireo asa maloton-drozy. 17 Tsy misy tokony ho ao amin'ny gny fihaogna lafa militsy ao amin'izay mba hanao fagnavota ao amin'ny toera masy mare i Arona, sady zisiky iboahany voho zisiky ivitany gny fanavota ho an'ny vatany voho ho an'ny fianakaviany, sady ho an'ny fikambanan'i Israely iaby. 18 Tsy maintsy miboaky eo amin'ny alitara zay eo agnatrehan'i Yaveh ie sady manao fagnavota ho an'izay, sady tsy maintsy mangalaky amin'ny lion'ny vantotr'aomby lahy voho gny amin'ny lion'ny aosy lahy ie sady mametraky izay magnodidy gny tandroky gny alitara iaby. 19 Tsy maintsy manondraky gny ampahany amin'ilay lio eo amin'izay amin'ny tagnany im-pito ie mba hagnaliova izay voho hagnakona izay ho gnan'i Yaveh, lavitr'ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely. 20 Lafa vitany gny fagnavota an'ny toera masy mare, gny gny fihaogna, voho gny alitara, la tsy maintsy manolotsy gny aosy lahy velo ie. 21 Tsy maintsy mametraky gny vatany eo an-dohan'ny aosy lahy velo ie sady miaky reo faharatiany iabin'ny vahoakan'Israely, gny fikomiany iaby, voho gny fahotany iaby eo aminy. Bakeo ie la tsy maintsy mametraky izay ota izay eo an-dohan'ny aosy lahy velo sady mandefa gny aosy lahy ho andesin'ny johary zay vonona hitariky gny aosy ho agny an'efitsy. 22 Tsy maintsy andesin'ny aosy lahy magnagny agn'afitra gny faharatian'ny vahoaky iaby. Agny agn'efitsy agny, la tsy maintsy hagnenga gny aosy gny johary. 23 Bakeo la tsy maintsy mimpoly agny amin'ny gny fihaogna i Arona sady hangalaky reo akanjo hasim-bazaha foty zay nanaovany mialohan'ny nandehaha ho ao amin'ny toera masy mare, sady tsy maintsy magnenga reo akanjo reo ao ie. 24 Tsy maintsy mampandro gny vatany amin'ny rano agny amin'ny toera masy ie, sady manao akanjo tsotsa; bakeo la tsy maintsy miboaky ie sady manolotsy gny fagnatitsy oroa voho gny fagnatitsy oroa ho an'ny vahoaky, sady amin'izay fomba izay la hanao fagnavota ho an'ny vatany voho ho an'ny vahoaky. 25 Tsy maintsy magnoro gny sabora amin'ny fagnatitsy nohon'ny ota eo amin'ny alitara ie. 26 Zay nandefa gny azazela la tsy maintsy manasa gny a kanjony voho mandro amin'ny rano; afaran'izay, la himpoly agny amin'ny toby ie. 27 Gny vantotr'aomby lahy ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota voho gny aosy lahy ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota, zay nandesy nagnaova fagnavota tagny amin'ny toera masy gny liony, la tsy maintsy andesy ivelan'ny toby. Agny rozy ro tsy maintsy magnoro gny holiny, gny nofony, sady gny tain-drorohany. 28 Gny johary zay magnoro reo faritsy reo la tsy maintsy manasa gny akanjony voho mampandro gny vatany amin'ny rano; afaran'izay, la himpoly agny amin'ny toby ie. 29 Ho lalagna mandrakizay ho gnareo amin'ny vola faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny vola izay, ao ianareo, na gny tompon-tany na gny vahiny zay miana eo aminareo hanetrin-teny voho tsy hiasa. 30 Izay la fotony amin'izay andro izay gny fanavotany laho atao ho gnanareo, mbahagnaliova gnanareo amin'ny fahotanareo iaby mba halio eo agnatrehan'i Yaveh nareo. 31 Ho sabata fitsahara manetriketriky ho gnanareo izay, sady tsy maintsy manetri-tena voho tsy miasa nareo. Ho lalagna mandrakizay eo agnaminareo izay. 32 Gny mpisorombe, zay ho hosora voho tondroy ho mpisorombe eo amin'ny toeran'ny rainy, la tsy maintsy manao izay fagnavota izay voho manao reo akanjo hasim-bazaha foty, izay la, gny akanjo masy. 33 Tsy maintsy manao fagnavota ho an'ny toera masy mare ie; tsy maintsy manao fagnavota ho an'ny gny fihaogna voho an'ny alitara ie, sady tsy manao fagnavota ho an'ireo mpisoro voho gny vahoaky iaby ao amin'ny fivondrana ie. 34 Ho lalagna ho gnanareo mandrakizay izay, mba hanaova fagnavota ho an'ny vahoakan'Israely nohon'ny otany iaby, ndraiky mandeha isan-tao." Vita araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy izay.