Toko faha 15

1 Nivola tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 " Miresafa amin'ny vahoakan'Israely sady ambarao gnazy reo hoe: ' Laha misy johary mamoaky tsiranoky misy atrikarety bakamin'ny vatany, la lasa maloto ie. 3 Gny fahalotoany la vokatr'izay tsiranoky misy otrikarety izay. Na mitsiky gny tsiranoky aminy na tsy mitsiky, la maloto izay. 4 Gny fandria iaby handriany la haloto, sady gny raha iaby zay hipetrahany la haloto. 5 Na ia na ia mikasiky gny fandriany la tsy maintsy manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano, sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 6 Zay iaby mipetraky amin'ny raha zay nipetrahan'ny johary mitsiky tsiranoky misy otrikarety, izay olo izay la tokony manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano, sady haloto zisiky iavian'ny andro ie. 7 Zay iaby mikasiky gny vatan'ny mitsiky tsiranoky misy otrikarety la tsy maintsy manasa gny akanjo voho mandro amin'ny rano, sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 8 Laha mandora amin'ny olo zay malio gny olo zay mitsiky tsiranoky manahaky izay, la tsy maintsy manasa gny akanjony izay olo izay sady mandro amin'ny rano, sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro ie. 9 Gny lasely iaby zay taingenan'ny mitsiky la haloto. 10 Na ia na ia mikasiky gny raha zay tao ambanin'izay olo izay la haloto siziky iaviany andro, sady zay iaby manday reo raha reo la tsy maintsy manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano; haloto zisiky iaviany gn'andro ie. 11 Na ia na ia mikasiky gny tsiranoky manahaky izay nefa tsy nanasa gny tagnany mialoha ao agnaty rano, la tsy maintsy manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano gny olo voakasiky, sady haloto zisiky iavian'ny andro ie. 12 Gny valagny tany iaby zay nokasihan'ny mamoaky tsiranoky manahaky izay la tsy maintsy vakiany, sady gny vata hazo iaby la tsy maintsy sasa amin'ny rano. 13 Lafa sitra amin'ny fitsihany ie zay mitsiky, la tsy maintsy manisa fito andro amin'ny fanaliova gnazy ie; bakeo hanasa gny akanjony ie sady hampandro gny vatany amin'ny rano mandeha. La halio ie. 14 Amin'ny andro fahavalo la tsy maintsy mangalaky voromailala roe na ana-boromailala roe ie sady manatona eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny filira ao amin'ny gny fihaogna; eo ie ro hanolotsy reo voro ho an'ny mpisoro. 15 Tsy maintsy manolotsy reo gny mpisoro, gny raiky ho fagnatitsy nohon'ny fahota sady gny raiky hafa ho fagnatitsy oroa, sady tsy maintsy manao fagnavota ho gnazy eo agnatrehan'i Yaveh nohon'ny fitsihany ie. 16 Laha misy johary mamoaky tsirinaina, la tsy manasa gny vatany manontolo amin'ny rano ie; haloto zisiky iavian'ny gn'andro ie. 17 Gny salony voho holitsy iaby zay misy tsirin'aina la tsy maintsy sasa amin'ny rano; haloto zisiky iavian'ny gn'andro izay. 18 Laha miara-mandry gny johary voho ampela sady misy fandefasa tsirinaina ao amin'ampela, la tsy maintsy mandro amin'ny rano roe; halotozisiky iavian'ny gn'andro rozy. 19 Laha fadimbola gny ampelaraiky, la hitohy agnatiny gny fito andro gny fahalotoany, sady na ia na ia mikasiky gnazy la haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 20 Gny raha iaby zay handrian'ny agnatiny gny fotoanany la haloto; gny raha iaby zay hipetrahany la haloto avao koa. 21 Na ia na ia mikasiky gny fandrianany la tsy maintsy manasa gny akanjonyvoho mandro amin'ny rano; zay olo izay la haloto zisiky iavian'ny gn'andro. 22 Na ia na ia mikasiky gny raha iaby zay hipetrahany la tsy maintsy manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano; izay olo izay lahaloto zisiky iavian'ny gn'andro. 23 Na amin'ny fandria izay na amin'ny raha zay hipetrahany, laha mikasiky izay ie la haloto zisiky iavian'ny gn'andro izay olo izay 24 Laha miara-mandry aminy gny johary, sady laha mikasiky any johary gny tsiranoky maloto bakaminy, la haloto agnatiny gny fito gn'andro ie. Gny fandria iaby zay handriany la haloto. 25 Laha misy ampela mamoaky lio agnatiny gny andro maro zay tsy amin'ny fotoanan'ny fandimbolany, na laha mamoaky tsiranoky ivelan'ny fotoanan'ny fandimbolany ie, la ho manahaky gny hoe amin'ny andron'ny fandimbolany ie, agnatiny gny andro iaby hitsihan'ny fahalotoany. Maloto ie. 26 Gny fandria iaby handrianyagnatiny gny fandehanan'ny lio ho manahaky gny fandria zay handriany agnaty gny fadimbolany avao aminy, sady gny raha iaby zay hipetrahany la haloto, manahaky gny fahalotoan'ny fandimbolany. 27 Na ia na ia mikasiky reo raha reo la haloto; tsy maintsy manasa gny akanjony voho mandro amin'ny rano ie, sady haloto zisiky iavian'ny gn'andro ie. 28 Fa laha voalio amin'ny fitsihan'ny liony ie, la hanisaky fito andro ho gnazy, sady afaran'izay la halio ie. 29 Amin'ny andro fahavalo la hangalaky voromailala roe na ana-boromailala roe ie ho gnazy ie sady handay reo agny amin'ny mpisoro eo amin'ny filira ao amin'ny gny fihaogna. 30 Gny mpisoro lanhanolotsyvoro raiky ho fagnatitsy nohon'ny ota sady gny raiky hafa ho fagnatitsy oroa, sady hanao fagnavota ho gnazy eo agnatrehan'i Yaveh ie nohon'ny fitsihan'ny lio malotony. 31 Izay ro fomba tokony hanasarahanao gny vahoakan'Israely amin'ny fahalotoan-drozy, ka tsy ho faty nohon'ny fahalotoany rozy, amin'ny fandotoany gny tabernakely, zay hipetrahako eo amin-drozy. 32 Reo ro lily amam-pitsipiky ho an'ny iaby zay mamoaky tsiranoky,ho an'ny johary iaby zay mamoaky gny tsirinainy voho voho mandoto gny vatany, 33 ho an'ny ampela zay ao agnaty fandimbola, ho an'ny iaby zay mamoaky tsiranoky, na johary na ampela, sady ho an'ny johary iaby zay miara-miroro amin'ny ampela maloto."'