Toko faha 14

1 Yaveh nivola tamin'i Mosesy,nanao hoe: 2 " Zao ro ho lalagna ho an'ny boka amin'ny andro fagnadiova gnazy. Tsy maintsy andesy agny amin'ny mpisoro ie. 3 Hiboaky gny toby gny mpisoro ka hagnenty gny olo mba hahaiza azo traboe gny aretin-kolitry. 4 Bakeo la hibaibko gny mpisoro fa gny holiovy la tsy maitsy manday voro velo roa sady malio, hazo sedera, kofehy jaky, sady hysopa. 5 Hibaiko gnazy mba hamono gny raiky amin'ireo voro eo amin'ny rano nalany tamin'ny rano mandeha zay ao agnaty vondraky tanimanga gny mpisoro. 6 Hangalaky gny voro velo voho gny hazo sedera, sady kofehy jaky voho gny hysopa bakeo gny mpisoro, sady hampitsoboky reo raha reo,mbamin'ny voro velo,ao amin'ny lion'ny voro zay nivinonony tao amin'ny rano nalany tamin'ny rano mandeha. 7 Bakeo la hatondrakin'ny mpisoro im-pito amin'ny olo holioviny amin'ny arety izay rano izay,sady bakeo hagnambara gnazy ho malio gny mpisoro. Bakeo la hagnafaky gny voro velo ho agny amin'ny saha malalaky gny mpisoro. 8 Gny olo voalio la hanasa gny fitafiany,hagnaratsy gny volony iaby, sady hampandro gny vatany ao agnaty rano, sady la halio ie. Afaran'izay la tsy maintsy hilitsy ao amin'ny toby ie, nefa hijano eo ivelan'ny lainy mandritsy gny hafitoa. 9 Amin'ny andro fahafito la tsy maintsy magnaratsy gny volon-dohany iaby ie, sady magnaratsy gny volom-bavany voho gny volo-masony avao koa. Tsy maintsy magnaratsy gny volony iaby ie, sady tsy maintsy manasa gny fitafiany voho mampandro gny vatany ao agnaty rano; sady la halio ie. 10 Amin'ny andro fahavalo la tsy maintsy hangalaky anak'aondry lahy tsy misy handra roe ie, anak'aondry vavy raiky herintao tsy misy handra, voho koba soa lisa telo ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny diloilo ho fagnatitsy hohany, sady diloilo raiky loga. 11 Gny mpisoro zay magnalio gnazy la hampitsanga gny olo holioviny, miaraky amin'ireo raha reo, eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'ny filira magnagny amin'ny tragno lay fihaogna. 12 Hangalaky gny raiky amin'ireo anak'aondry lahy ka hanolotsy izay ho fagnatitsy nohon'ny heloky, miaraky amin'ny logan-tsoliky gny mpisoro; hagnevaheva reo ho fagnatitsy ahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh ie. 13 Tsy maintsy hamono gny aondry lahy eo amin'ny toera zay famonoan-drozy fagnatitsy nohon'ny ota voho fagnatitsy oroa ie, ao amin'ny faritsy gny tabernakely, fa an'ny mpisoro gny fagnatitsy nohon'ny ota, manahaky izay koa gny fagnatitsy nohon'ny heloky, fotony izay ro masy mare. 14 Hangalaky amin'ny lion'ny fagnatitsy nohon'ny heloky ka hametraky izay eo an-tendron-tsofy ankavanan'ny olo zay holioviny, eo amin'ny ankihiben-tagnany ankavana gny mpisoro. 15 Sady hangalaky soliky bakamin'ny loga gny mpisoro ka handraraky izay eo amin'ny felan-tagnany ankavia, 16 sady hagnatsoboky gny ratsan-tagnany ankavana ao agnatin'ny soliky eo amin'ny tagnany ankavia, sady hanondraky im-pito bakamin'ny soliky amin'ny rantsan-tagnany eo agnatrehan'i Yaveh. 17 Sady hanosotry gny ambin'ny soliky teo amin'ny tagnany eo amin'ny tendro-tsofiny ankavanan'ny olo holioviny, gny ankihiben-tagnany an-kavana, sady gny ankihiben-tombony an-kavana gny mpisoro. Tsy maintsy mametraky izay soliky izay eo agnabonin'ny lio bakamin'ny fagnatitsy nohon'ny heloky ie. 18 Sady gny amin'ireo ambiny soliky zay eo an-tagnan'ny mpisoro, la hanosotsy izay eo amin'ny lohan'ny olo holioviny ie, sady gny mpisoro la hanao fagnavota ho gnazy eo agnatrehan'i Yaveh. 19 Bakeo la hanolotsy gny fagnatitsy nohon'ny ota voho hanao fagnavota ho gnazy zay ho liovy nohon'ny fahalotoany gny mpisoro,sady afaran'izay la hamono gny fagnatitsy oroa ie. 20 Sady bakeo la hanolotsy gny fagnatitsy oroa voho fagnatitsy hohany eo agnabo alitara gny mpisoro. Hanao fagnavota ho an'ny olo gny mpisoro, sady la halio ie. 21 Nefa, laha mahantra voho tsy mahatakatsy reo soro reo gny olo, la tokony hangalaky anak'aondry lahy raiky ho fagnatitsy nohon'ny heloky mba haevaheva ie, mba hanaova fagnavota ho an'ny vatany, voho koba soa lisa raiky am-pahafolon'ny efaha voaharo soliky ho fagnatitsy hohany, sady soliky raiky loga, 22 miaraky amin'ny domoina roe na ana-boromailala roe, araky zay tratrany; voro raiky ho fagnatitsy nohon'ny ota sady gny hafa ho fagnatitsy oroa. 23 Amin'ny andro fahavalo la tsy maintsy manday reo ho an'ny fanaliova gnazy eo amin'ny mpisoro ie, eo amin'ny filira magnagny amin'ny tragno gny fihaogna, eo agnatrehan'i Yaveh. 24 Hangalaky gny anak'aondry ho fagnatitsy gny mpisoro, sady halany miaraky amin'izay gny menak'oliva raiky loga, sady hanodrotsy izay agnabo ho fanehoa gnazy reo amin'i Yaveh ie. 25 Hamono gny anak'aondry ho an'ny fagnatitsy nohon'ny heloky ie, sady hangalaky amin'ny lion'ny fagnatitsy nohon'ny heloky ka hagnisy izay eo amin'ny tendron-tsofy ankavanan'ny ho liovy, eo amin'ny ankihiben-tagnany an-kavana, sady eo amin'ny ankihiben-tombony an-kavana. 26 Bakeo la handraraky amin'ny soliky eo am-pelatagnany an-kavia gny mpisoro, 27 sady hamafy im-pito amin'ny rantsan-tagnany an-kavana amin'ny soliky zay eo amin'ny tagnany an-kavia eo agnatrehan'i Yaveh ie. 28 La hagnisy amin'ny soliky zay eo amin'ny tagnany gny tendron-tsofy an-kavanan'ny holioviny gny mpisoro, gny ankihiben-tagnany ankavana, voho gny ankihiben-tombony ankavana, eo amin'ny faritsy nasiany gny lion'ny fagnatitsy nohon'ny heloky avao. 29 Hasiany gny ambin'ny soliky zay eo amin'ny tagnany gny lohan'ny holioviny, mba hanaova fagnavota ho gnazy eo agnatrehan'i Yaveh. 30 Tsy maintsy manolotsy raiky amin'ireo domoina na reo ana-boromailala, araky zay takany ie__ 31 raiky ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota sady raiky hafa ho fagnatitsy oroa, miaraky amin'ny fagnatitsy voa. Bakeo la hanao fagnavota ho an'ny ho lioviny eo agnatrehan'i Yaveh gny mpisoro. 32 Izay ro lalagna ho an'ny olo zay misy aretin-kolitsy mifalo, zay tsy mahatakatsy gny fagnatitsy mahazatsy ho an'ny fagnaliova gnazy." 33 Nivola tamin'i Mosesy voho tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: 34 " Laha avy amin'ny tany Kanana zay nomeako ho fanagnanareo nareo, sady laha magnisy maty foty zay miparitaky ao amin'ny tragno ao amin'ny tany zay fanagnanareo Zaho, 35 la tsy maintsy avy sady mampilaza gny mpisoro zay tompon'ny tragno. Ao ie hanao hoe: " Toa misy raha manahaky gny maty foty ao an-tragnoko.' 36 Bakeo la handidy gnan-drozy gny mpisoro mba hanafoanan-drozy gny tragno mialohan'ny hilirany ao hagnenty gny fisiany maty foty, mba tsy hisy na ino na ino ho voaloto ao amin'ny tragno. Afaran'izay la tsy maintsy hilitsy ao mba hijery gny tragno gny mpisoro. 37 Tsy maintsy magnenty gny maty foty ie laha amin'ny rindrin'ny tragno izay, sady hijery laha manopy maintso na manopy mena gny filentehany eo amin'ny rindrin'ny tragno. 38 Laha misy maty foty gny tragno, la hiboaky gny mpisoro ka hagnily gny varavaran'ny tragno agnatiny gny hafitoana. 39 Sady himpoly ndraiky gny mpisoro amin'ny andro fahafito ka hagnenty izay mba hamantatsy laha niparitaky amin'ny rindrin'ny tragno gny maty foty. 40 Laha izay, la hibaiko gny amin'ny hanalan-drozy gny vato zay nahita gny maty foty gny mpisoro ka hanoraky reo agny amin'ny toera maloto ivelan'ny tana. 41 Hasainy ho kikisa gny rindry iabin'ny tragno, sady tsy maintsy harian-drozy agny ivelan'ny tana reo kikiny zay mamindra sady hariany agny amin'ny toera maloto izay. 42 Tsy maintsy mangalaky vato hafa rozy sady mametraky reo amin'ny toeran-drozy vato zay nalany, sady tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao rozy mba handalorany gny tragno. 43 Laha mimpoly ndraiky gny maty foty ka mamariparitsy ao amin'ny tragno zay baka nisy nangalany voho rindry baka nikikisa sady baka nampoliny nafangarony, 44 la tsy maintsy militsy ao gny mpisoro ka magnenty gny tragno mba hijery laha niparitaky ao amin'ny tragno gny maty foty. Laha izay, lamaty foty mampidi-doza izay, sady gny tragno la maloto. 45 Tsy maintsy akopaky gny tragno. Reo vato, hazo, sady reo lalotsy iaby ao amin'ny tragno la tsy maintsy andesiny haria agny amin'ny toera maloto agny avelan'ny tana. 46 Ankoatr'izay, na ia na ia militsy ao amin'ny tragno agnaty gny fotoa hikatognany la haloto zisiky iaviany gn'andro. 47 Zay natory tao amin'ny tragno la tsy maintsy manasa reo salony, sady zay nihina tao amin'ny tragno la tsy maintsy manasa reo salotsy. 48 Laha militsy ao amin'ny tragno gny mpisoro ka magnenty izay mba hahafantara laha fa niparitaky manera gny tragno gny maty fotyafaran'ny nandalora gny tragno, sady, laha niala gny maty foty, la hagnambara ie fa malio gny tragno. 49 Bakeo la hangalaky voro roe, tsy voho hazo sedera, voho foly mena sady hysopa mba hagnalio gny tragno gny mpisoro. 50 Ho vonoiny eo amin'ny rano nala tamin'ny rano mandeha ao agnaty siny tanimanga gny raiky amin'ireo voro. 51 Hangalaky gny hazo sedera, gny hysopa, gny foly mena, sady gny voro velo ie, ka hagnatsoboky izay ao amin'ny lion'ny voro nivinonony, ao agnaty rano nala tamin'ny rano mandeha, sady hamafy izay im-pito ao amin'ny tragno. 52 Hagnalio gny tragno amin'ny lion'ny voro voho gny rano nala tegny amin'ny rano mandeha ie, miaraky amin'ny voro velo, gny hazo sedera, gny hysopa, sady gny foly mena. 53 Nefa hagnenga gny voro velo hiboaky gny tana ho agny amin'ny baibomidadasiky ie. Amin'izay fomba izay ro tsy maintsy hanaovany fagnavota ho an'ny tragno, ka la halio izay. 54 Izay ro lalagna ho an'ireo karazan'aretin-kolitsy mifalo iaby voho reo raha zay miteraky arety manahaky izay, voho ho an'ny hilihily, 55 gny amin'ny maty foty amin'ny salony voho amin'ny tragno, 56 gny amin'ny mamontsina, gny amin'ny manako-pery, sady gny amin'ny mifaritsy foty mangirana, 57 mba ahafantara laha misy amin'ireo tranga reo ro maloto na malio. Izay ro lalagna ho an'ny aretin-kolitsy mifindra voho gny maty foty."