Toko faha 10

1 Nadaba voho Abiho, anaky lahin'i Arona, la samy nangalaky gny fitondram-bolo, nanisy bolo teo amin'izay, sady bakeo ditin-kazo magnitsy. Bakeo rozy nanolotsy bolo tsy nenke teo agnatrehan'i Yaveh, zay tsy nandidiany gnazy reo mba ho atolotsy. 2 Koa nisy bolo niboaky bakeo agnatrehan'i Yaveh sady nandrava gnan-drozy, sady maty teo agnatrehan'i Yaveh rozy. 3 Bakeo Mosesy nisafa tamin'i Arona hoe: " Zao ro noresahan'i Yaveh lafa nivola Ie hoe: ' Hagnambara gny fahamasignako amin'ireo zay avy mariniky Gnahy Zaho. Homem-boninahitsy eo agnatrehan'ny vahoaky iaby Zaho."' Tsy nivola na ino na ino i Arona. 4 Nikaiky gnan'i Misaela voho Elzafara, anaky lahin'i Oziela rahalahin-drain'i Arona i Mosesy, sady nisafa tamin-drozy hoe: " Mandehana etoy sady andeso egny ivelan'ny toby ho eo agnatrehan'ny tabernakely reo rahalahinareo." 5 Koa nagnato marikitsy rozy sady nanday reo mbo nanao gny akanjo lava mba maha-mpisoro gnazy reo tegny ivelan'ny toby, araky gny fa nosafagnin'i Mosesy. 6 Bakeo i Mosesy la nisafa tamin'i Arona voho Eleazara sady Itamara, reo anaky lahiny hoe: " Ka enga hisaritaky gny volo eo an-dohanareo, sady ka rovity gny akanjonareo, mba tsy ho faty nareo, sady mba tsy ho meloky amin'ny fiangona iaby Yaveh. Fa engao reo longonareo, gny avorohotan'Israely iaby, mba hisaona an'ireo zay noroan'ny bolon'i Yaveh. 7 Ao tsy handeha ivelan'ny filira ao amin'ny lay fihaogna nareo, laha tsy izay la ho faty nareo, fotony agnaminareo gny diloilo fagnosoran'i Yaveh. " Koa nanao araky gny safan'i Mosesy rozy. 8 Nisafa tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: 9 " Ka mino divay na raha finomy mahery, iha, na reo anakao lahy zay sisa miaraky agnaminao, lafa magnagny amin'ny lay fihaogna, mba tsy ho faty nareo. Ho lalagna maharitsy ho an'ireo avorohota gny vahoakanao izay, 10 mba hanavaha gny masy voho gny tsy masy, sady gny maloto voho gny malio, 11 ka mba hampagnanatsy gny vahoakan'Israely reo lalagna iaby zay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy iha." 12 Nisafa tamin'i Arona voho Eleazara sady Itamara, anaky lahy sisa tavela i Mosesy hoe: " Alao gny fagnatitsy hohany zay tavela bakamin'ireo fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh, sady hano miaraky amin'ny lalivay eo agnilan'ny alitara izay, fotony masy mare izay. 13 Ao nareo hihina izay ao amin'ny toera masy, fotony anjaranao voho anjaran'ireo anakao lahy tamin'ireo fagnatisy vita tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh izay, fa izay ro nandidiany gnahy ho volagny agnaminao. 14 Gny tratrany zay mihevaheva voho gny feny zay aseho gnan'i Yaveh, la ao ho haninareo egny amin'ny toera malio eken-Dranagnahary. Iha voho reo anako lahy sady reo anako vavy la tokony mihina reo anjara reo, fa nomea ho anjaranao voho anjaran'ireo anakao lahy bakamin'ny soron'ny fagnati-pilongoan'ny vahoakan'Israely reo. 15 Gny feny zay aseho voho gny tratrany zay mihevaheva, la tsy maintsy andesin-drozy miaraky amin'ny sabora natao tamin'ny bolo, mba hahevaheva eo agnatrehan'i Yaveh. Ho gnanao voho reo anakao lahy miaraky agnaminao manahaky gny anjara mandrakizay reo, araky gny nandidian'i Yaveh." 16 Bakeo Mosesy nanontany momba ilay aosy natao fagnatitsy nohon'ny ota, sady nahita fa may izay. Koa meloky tamin'i Eleazara voho Itamara, anaky lahin'i Arona sisa tavela ie; hoy ie hoe: 17 " Nagnino nareo ro tsy nihina lay fagnatitsy nohon'ny ota teo amin'ny faritsy gny tabernakely, fa izay masy mare ,sady fa nomen'i Yaveh mba hangala gny heloky gny fivondrona izay, mba ho fanonera ho gnazy reo teo agnatreny? 18 Ingo, gny liony la tsy nandesiny tao agnatin'ny tabernakely, zay tokony nahaninareo tao amin'ny faritsy gny tabernakely, araky gny nandidiko." 19 Bakeo Arona namaly gnan'i Mosesy hoe: " Ingo, androany ro nanaovan-drozy gny fagnatitsy nohon'ny otany voho gny fagnatitsy oroa teo agnatrehan'i Yaveh, sady izay raha izay la nitsanga tagnamiko androany. Laha nihina lay fagnatitsy nohon'ny ota zaho androany, moa va nankasitrahiny teo imason'i Yaveh izay?" 20 Lafa njan'i Mosesy izay, la afa-po ie.