Toko faha 6

1 sady nikato iaby gny filira iaby tao Jeriko noho gny tafik'Israely. Tsy nisy niboaky sady tsy nisy nilitsy tao. 2 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe:' Ingo, fa natolotro teo an-tagnanao Jeriko, gny mpanjakany, voho reo miaramila voahomany. 3 Ao iha hanao liabe magnodidy gny tana, gny johary mpialy ro mandeha miagnodidy gny tana ndraiky mandeha. Ao hanao io mandritra gny enignandro iha. 4 Mpisoro fito ro nanday trompetra fito vita amin'ny tandrok'aosy eo agnatrehan'ny fiara. Amin'ny andro fahafito la tsy maintsy manao liabe magnodidy gny tana impito nareo , sady tsy maintsy mitsoky mare gny trompetra reo mpisoro. 5 Bakeo la tsy maintsy mampagneno trompetra lavaregny amin'ny tandrok'aosy rozy, ka lafa mandre gny feon-trompetra iha la tsy maintsy mihorakoraky amin'ny koraky gny vahoaky iaby, sady hiroda gny mandan'ny tana. Tsy maintsy hanafiky reo miaramila, sady hizotra amin'ny hitsiny aby gny kirakiraiky." 6 Sady nikaiky gnan'ireo mpisoro i Josoa anak'i Nona ka nivola tamin-drozy hoe:' Andeso gny fiaran'ny fifagnenke, sady ao hisy mpisoro fito handay trompetra tandrok'aosy fito ho eo agnatrehan'ny fiaran'ny fifagnenken'i Yaveh." 7 Hoy ie tamin'ireo fokonolo hoe:' Mandehana sady manaova liabe magnodidy gny tana , sady handeha eo alohan'ny fiaran'i Yaveh reo johary mitam-pialia." 8 Araky ze nolazain'i Josoa tamin'ny fokonolo, la nanday trompetra tandrok'aosy fito teo agnatrehan'i Yaveh reo mpisoro fito. Laha nandroso igny rozy, la nitsiky gny trompetra. Nagnaraky an-drozy bakao afara gny fiaran'ny fifagnenken'i Yaveh. 9 Nisy johary mitampialia nandeha teo agnatrehan'ireo mpisoro, sady nitsoky gny trompony rozy, Fa nandeha niakatsy bakao afaran-drozy koa reo mpiamby gny vodi-lala, sady nitsoky gny trompetran-drozy hatragny reo mpisoro. 10 Fa Josoa nandidy gnan'ireo fokonolo, nanao hoe:' Ka mikoraky. Ao tsy hisy feo hiboaky amin'ny vavanareo ambara-pahatonga gny andro ilazako aminareo mba hikoraky. Amin'io avao nareo vao hikoraky." 11 Ka nataony nandeha nagnodidy gny tana ndraiky mandeha gny fiaran'i yavehtamin'io andro io . Sady la nilitsy gny tobiny rozy, la nitoetra tao an-toby nandritra gny haly. 12 La nifoha maraidraim-be i Josoa, sady nalan'ireo mpisoro gny fiaran'i yaveh. 13 Nandeha mare sady nitsiky gny trompetra reo mpisoro fito, ze nanday gnan'ireo trompetra fito tandrok'aosy talohan'ny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitampialia nandeha talohan-drozy. Fa lafa nandeha tafaran'ny fiaran'i Yaveh reo mpiandry vodi-lala, la namokay feo tsy miato reo trompetra. 14 Nanao liabe nagolily gny tana ndraiky mandeha rozy tamin'ny andro faharoe sady nimpoly tagny an-toby. nanao gnan'io nandritra gny enign'andro rozy. 15 Tamin'ny andro fahafito ro niaingan-drozy vao mangiran-draty, sady nanao liabe nagnodidy gny tana araky gny fomban-drozy avao rozy, fa impito tamy toy ndraiky mitoraky toy. Tamin'io andro io ro nanaovan-drozy liabe impito nagnodidy gny tana. 16 Tamin'ny andro fahafito, tamin'ireo mpisoro nitsoky reo trompetra tandrok'aosy, ro nandidian'i Josoa gnan'ireo fokonolo hoe:' Mikorakoraky! Fa fa nomen'i Yaveh gnanareo gny tana. 17 Natoka ho gan'i Yaveh ho fandrava gny tana voho ze iaby ao aminy. Laha mpivara-tena raiky avao ro ho velo__ie voho reo iaby miaraky aminy ao an-tragnony_fotony nagnetaky reo johary nirahintsika ie. 18 Gny aminao koa, miambena amin'ny fangala reo raha voatoka ho gnan'ny fandrava, mba tsy hangalaky na ino ino amin'io iha, lafa avy nasianao mariky ho rava io. Laha manao gnan'io iha, la hahatonga gny tobin'Israely ho raha tsy maintsy ho rava ka handay fikorontana amin'io. 19 Reo volafoty, volamena, voho reo raha vita amin'ny saba voho vy la voatoka ho gnan'i Yaveh. tsy maintsy halefa ao amin'ny fipetrahan-drakitr'i Yaveh rozy." 20 Lafa nitsoky gny trompetra rozy la nikoraky mare gny fokonolo sady niroda gny manda, farany ka nilitsy gny olo iaby sady nambabo gny tana. 21 Nnoringanin-drozy tamin'ny lelan-tsabatsy tanteraky zay iaby tao amin'ilay tana_gny johary voho gny ampela, gny tanora voho gny antitsy, gny aomby, gny aondry voho reo boriky. 22 Bakeo la hoy Josoa tamin'ireo johary roe nitsikilo tao amin'ny tany hoe:' Mandehana agny an-tragnon'ny mpivaro-tena. andeso miboaky lay ampela voho reo iaby miaraky aminy, araky gny nianiananareo taminy." 23 Ka la nilitsy sady nanday gnan'i Rahaba niboaky reo tovolahy roe mpitsikilo. Nandesin-drozy niboaky gny rainy, gny reniny, reo anadahiny , voho reo longony ze niaraky tamin y. nandesin-drozy tagny amin'ny toera raiky ivelan'ny tobin'Israely rozy. 24 Noroandrozy gny tana voho zay iaby tao aminy. gny volafoty, volamena, voho reo fitaova vita amin'ny saba voho vy avao ro natao tao agnatin'ny fipetran-drakitsy gny tragnon'i Yaveh. 25 Fa nengan'i Josoa ho velo i Rahaba mpivaro-tena, gny avorotan-drainy, sady reo iaby niaraky taminy. Mitoetra agny Israely mandrak'ankehitriny ie fotony nagnetaky reo johary ze niarahin'i Josoa hitsikilo tao Jeriko. 26 Sady tamin'io fotoa io la nandidy an-drozy tamin'ny fiainianana i Josoa, sady niteny hoe:' Voaozo eo amason'i Yaveh anie ze olo mampimpoly magnory toy tana toy, la i Jeriko. amin'ny ain'ny gnanany lahimatoa ro hametrahany fototsy , sady amin'ny ain'ny anany faralahy ro hananganany gny vavahadiny." 27 Ka la nomba gnan'i Josoa i Yaveh, sady niely nanera gny tany gny lazany.