Toko faha 23

1 Lafa faky andro maromaro, lafa nagnome fijanogna ho gnan'Israely bakao amin'ireo fahavalony manontolo ze nagnodidy gnan-drozy Yaveh, sady antitsy voho nandroso tao Josoa. 2 La nampikaiky gny Israely manontolo Josoa__ reo loholony, reo mpitariny, reo mpitsarany, voho reo manam-boninahiny_ ka nivola tamin-drozy hoe:' Tena antitsy aho. 3 Fa hitanareo gny raha iaby ze nataon'i Yaveh Ndranagnaharinareo tamin'ireo firenena manontolo noho nareo , fa Yaveh Ndranagnaharinareo ro nialy ho gnanareo. 4 Ingo! Fa nitendreko ho gnanareo reo firenena zay mbo ho rese ho lovan'ireo fokonareo, miaraky amin'ireo firenena fa naringako, nanomboky tao Jordana ka hatragny amin'ny Ranomasina bevata agny andrefa. 5 Handroaky gnan-drozy Yaveh Ndranagnahary. Hanosiky gnan-drozy hiala aminareo Ie. Halanny gny tanin-drozy, sady hangalaky gny tanin-drozy ho fanagnanareo nareo, arak'izay nampanantenan'i Yaveh Ndranagnaharinareo nareo. 6 Ka matanjaha, mba hitandremanareo voho hanaovanareo gny raha ze voasoratsy ao amin'ny bokin'ny lalan'i Mosesy, tsy hiala amin'io mihitsy na magnavana na magnavia, 7 mba tsy hifangaroanareo amin'ireo firenena zay mijano ho aminareo na hanognona reo agnaran'ny ndranagnaharin-drozy, miaigna amin-drozy, nanompo gnan-drozy, na miankohoky amin-drozy. 8 Fa koa, mifikira amin'i yaveh Ndranagnaharinare mandraky androany. 9 Fa Yaveh nandroaky teo agnatrehanareo reo firenena bevata, matanjaka. Fa ho gnanareo, tsy misy afaky mitsanga eo agnatrehanareo mandraka androany. 10 Gny lahy toka amin'ny isanareo la hahatonga gny arivo hitsoaky, fotony Yaveh Ndranagnaharinareo, ro Ilay mialy ho gnanareo, manahaky gny nampanantenainy nareo. 11 Mitandrema soa, mba hitiavanareo gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo. 12 Nefa laha mimpoly voho mifikitsy amin'ireo ze sisa velon'ireo firenena ze mijano eo aminareo, ndra la mifanambaly amin-drozy , ndra lamiaraky amin-drozy nareo sady reo miaraky aminareo, 13 la fantaro tokoa fa Yaveh Ndranagnaharinareo tsy handroaky reo firenena reo hiala aminareo sasy. Fa koa, ho lasa fandriky voho tonta ho gnanareo rozy, karavasy ao an-dambosinareo sady fatiky eo amin'ny masonareo, mandra-pahafatinareo eto amy toy tany soa ze namean'i Yaveh Ndranagnaharinareo toy. 14 Zao la handeha amin'ny lalan'ny tany iaby aho, sady hainareo amin'ny fonareo voho gny fagnahinareo manontolo fa tsy misy teny raiky tsy ho tanteraky tamin'ireo raha soa iaby ze nampanatenan'i Yaveh Ndranagnaharinareo gnanareo. Reo raha iaby reo la fa ho avy ho gnanareo. Tsy misy raiky amin-drozy ho latsaky. 15 Fa manahaky gny tegny iaby nampanatenan'i Yaveh Ndranagnaharinareo ka tanteraky, la handay aminareo reo raha raty iaby Yaveh mandra-pandrigany gnanareo tsy ho eto amy toy tany soa zay namean'i Yaveh Ndranagnaharinareo gnanareo toy. 16 Hataony io laha mandika gny fagnenken'i yaveh Ndranagnaharinareo, ze nandidiany gnanareo mba hotandrema nareo. Laha mandeha voho manompo reo ndranagnaharin-kafa sady miankohoky amin'io nareo, la hirehitsy aminareo gny hatezeran'i Yaveh, sady ho maty malaky tsy ho eo amin'ny tany soa ze nameany gnanareo nareo."