Toko faha 21

1 Sady reo lohany tamin'ny fokon'ireo Levita namonjy gnan'i Eleazara mpisoro, gnan'i Josoa anak'i Nona, voho reo mpitariky reo avorohotan'ny razamben-drozy teo amin'ny fokonolon'Israely . 2 Tao silo tagny amin'ny Kanana la hoy rozy tamin-drozy:' Nandidy gnanareo tamin'ny tagnan'i Mosesy i yaveh mba hagnome gnanay tana hamea, miaraky amin'ny tanim-bilona ho gnan'ireo biby fiompy." 3 Noho gny baikon'i Yaveh , la natolotsy gny fokonolon'Israely bakamin'ny lovan-drozy reto tana magnaraky reto, miaraky amin'ny tanim-bilon-drozy, ho gnan'ireo Levita. 4 Gny an-tsapaka teo amin'ireo fokon'ny Kehatita la nagnome zao vokatsy zao: reo mpisoro__reo avorohotan'i Arona zay bakamin'ireo Levita__la nahazo tana folo teloamby bakamin'ny fokon'i Joda, bakamin'ny fokon'i Simeona, sady bakamin'ny fokon'i benjamina. 5 Gny sisa tamin'ireo fokon'ny Kehatita la nahazo tana folo tamin'ny an-tsapaky bakamin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Efraima, dana, sady bakamin'ny an-tsasaky gny fokon'i Manase. 6 Bakeo gny avorohota bakamin'i Gersona namea, tamin'ny an-tsapaky, tana folo teloamby bakamin'ny isam-pianakavian'ireo fokonireo fokon'Isakara, Asera, Naftaly, sady gny antsasaky gny fokon'i Manase agny basana. 7 Reo fokonolo bakamin'i Merary koa la nahazo tana folo ramby bakamin'ireo fokon'i Robena, sady Zebolona. 8 Nohon'io la namean'ny fokonolon'Isrealy gnan'ireo levita, tamin'ny antsapaky, reo tana reo ( miaraky amin'ireo Yaveh tamin'i Mosesy. 9 bakamin'ireo fokon'i Joda voho simeona, la nanendry tagny araky reto tana magnaraky reto rozy, tanisa eto araky gny agnara. 10 Reo tana reo la namea gny avorohotan'i Arona, zay agnisan'ireo fokon'ny Kehatita, zay bakamin'ny fokon'i Levy koa. Fotony nitontona tao amin-drozy gny an-tsapaky voalohany. 11 La namen'ireo Israely an-drozy i kiriat-arba(Arba ro rain'i Anaka), lay tana mitovy amin'i Hesbona, ao amin'ny tany havoan'i Joda, miaraky amin'ireo tanim-bilo magnodidy gnan'io. 12 Fa reo sahan'ny tana voho reo ana-bohiny koa la fa namea gnan'i Kaleba anak'i Jefone, mba ho fanagnany. 13 Ho gnan'ireo avorohotan'i Arona mpisoro la namean-drozy miaraky amin'ireo tanim-bilony__ze tana raiky fandosiran'ireo zay namono olo tsy nahi __sady Libna miaraky amin'ireo tanim-bilony, 14 Jatira miaraky amin'ireo tanim-bilony, sady Estemoa miaraky amin'ireo tanim-bilony. 15 Namean-drozy koa Holona miaraky amin'ireo tanim-bilony, Debira miaraky amin'ireo tanim-bilony, sady Beti-semesy miaraky amin'ireo tanimbilony. Sivy reo tana zay azo bakamin'ireo foko roe reo. 17 Bakamin'ny fokon'i Benjamina ro nahazoa gnan'i Gibeona miaraky amin'ireo tanim-bilony, Geba miaraky amin'ireo tanim-bilony, 18 Anatota miaraky amin'ireo tanim-bilony, sady Almona miaraky amin'ireo tany magnodidy azy__ tana efatsy . 19 Reo tana zay namea reo mpisoro koa, reo avorohotan'i arona, la tana folo teloaby atambatsy, ao agnisan'io reo tanim-bilon-drozy. 20 Laha gny sisa amin'ny avorohotan'i Kehata__ reo Levita zai gnan'ny avorohotan'i Kehata__la namea gnan-drozy an-tsapaky reo tana bakamin'ny fokon'i efraima. 21 Rozy ro nagnomeza gnan'i Sekema miaraky amin'ireo tanim-bilony tao amin'ny tany havoan'i efraima__tana raiky fandosiaran'ireo zay namono olo tsy nahy__gazera miaraky amin'ireo tanim-bilony, 22 Kibzaima miaraky amin'ireo tanim-bilony, sady Beti-horona miaraky amin'ireo tanim-bilony __tana efatsy gny fitambarany. 23 Bakamin'ny fokon'i Dana, ro nagnomeza ho gnan'ny fokon'i Kehata gnan'i Elteke miaraky amin'ireo tanim-bilony, Gibetona miaraky amin'ireo tanim-bilony, sady gata-rimona miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana efatsy gny fitambarany 25 bakamin'ny an-tsasaky gny fokon'i Manase, ro nagnomeza ho gnan'ny fokon'i Kehata gnan'i Tanaka miaraky amin'ireo tanim-bilony voho gata-rimona miaraky amin'ireo tanim-bilony__ tana roe. 26 Tana folo laha atambatsy gnan'ireo fokon'i Kehatita siasa, agnisan'io gny tanim-bilony. 27 Bakamin'ny an-tsasaky gny fokon'i Manase, ho gnan'ireo Gersona, reo la fokon'ny Levita hafa koa, sady rozy nagnome tanim-bilony__ tana raiky fandosiran'ny ze nahafaty olo tsy nahy, mbamin'i Bestera miaraky amin'ireo anim-bilony__tana roe gny fitambarany. 28 Ho gnan'ireo fokon'i Gersona la namean-drozy bakamin'ny fokon'i Isakara koa i Kisiona, mbamin'ireo tanim-bilony, daberata mbamin'ireo tanim-bilony, 29 Jarmota mbamin'ireo tanim-bilony, sady Enganima mbamin'ireo tanim-bilony__tana efatsy . 30 Bakamin'ny fokon'i Asera, la namean-drozyMisala miaraky amin'ireo tanim-bilony, Abdona miaraky amin'ireo tanim-bilony, 31 Helkata miaraky amin'ireo tanim-bilony, voho Rehoba miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana efatsy gny fitambarany. 32 Bakamin'ny fokon'i Naftaly ,ro nagnomezan-drozy gnan'i Gersona Kadesy gnan'ny galilia miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana raiky fandisiran'izay nahafaty olo tsy nahy; Hamotadora miaraky amin'ireo tanim-bilony, voho Kartana miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana telo gny fitambarany. 33 Tana folo teloamby laha atambatsy, bakamin'ireo fokon'i Gersona , miaraky amin'ireo tanim-bilony. 34 Ho gnan'ireo Levita sisa__reo fokon'i Merary___ro nagnomeza bakamin'ny fokon'i Zebolona: gnan'i jokneama miaraky amin'ireo tanim-bilony, Karta miaraky amin'ireo tanim-bilony, 35 Dimna miaraky amin'ireo tanim-bilony,voho Nahalola miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana efatsy gny fitambarany. 36 Reo fokon'i Merary la nahazo bakamin'ny fokon'i robena: la i Bezera miaraky amin'ireo tanim-bilony, Jahaza miaraky amin'ireo tanim-bilony, 37 Kedemota miaraky amin'ireo tanim-bilony , voho mefata miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana efatsy. 38 Ankoatsy gny fokon'i gada la namea gnan-drozy ramota agny Gileada miaraky amin'ireo tanim-bilony__tana raiky fandosiran'ny zenahafaty olo tsy nahy__sady Mahanaima miaraky amin'ireo tanim-bilony. 39 Reo fokon'i Merary la nahazo gnan'i hesbona avao koa miaraky amin'ireo tanim-bilony, voho jazera miaraky amin'ireo tanim-bilony. tana efatsy reo laha atambatsy. 40 Reo iaby reo la tanan'ireo foko marobrn'i Merary, ze bakamin'ny fokon'i Levy__tana folo roamby laha atambatsy ro namea an-drozy tamin'ny antsasaky. 41 Reo tanana'ireo Levita nala bakao agnivon'ny tany azon'ny fokonolon'Israely la tana efapolo valo amby, miaraky amin'ireo tanim-bilony. 42 Reo tana kirakiraiky la samby mana gny tanim-bilony magnodidy azy. La manahaky gnan'io reo tana iaby reo. 43 Nohon'io la namean'i Yaveh gnan'Israely gny tany iaby zay niaignany hamea reo razany. la nandova gnan'io reo Israelita ka nipetraky tao. 44 La namean'i Yaveh fijanogna amin'ny magnodidy iaby rozy, araky zay niaignany tamin'ireo razany. Ndra la tamin'ireo fahavalony aza la tsy nisy afaky naharesy an-drozy. La natolots'i Yaveh teo am-pelatagnan-drozy gny fahavalony iaby . 45 Ndra la tamin'ireo teny fampanatena soa zay nolazain'i Yaveh tamin'ny avorohotan'Israely aza la tsy nisy tsy tanteraky. Tanteraky iaby iaby.