Toko faha 13

1 Sady fa tena antitsy tokoa i Josoa lafa nilaza taminy i Yaveh hoe:' Tena antitsy tokoa iha, kanefa mbo maro reo tany ho baboiba. 2 Toy gny tany ze mbo tavela: reo faritsy manontolo ao amin'ny Filistina, sady reo manontolo agny Gesriana, 3 ( bakagny Sikora, zay agny antignanan'i Egypta, voho avaratsy gny sisin'ny Akarona, ze hampoly ho fagnahin'ireo Kananita; reo mpanapaky dimin'ireo Filstina, reo ze agny Gaza, Azota, Askalona, Geta, sady Akarona_ reo farits.ireo Avita). 4 Agny antimo , la mbo misy gny tanin'ireo Kananita manontolo, voho Maara ze ho gnan'ireo Sidiniana. agny Afeka, reo farits'ireo Amorita; 5 gny tanin'ireo Gebalita, reo Libanona manontolo magnatraky gny fiposahan'ny masoandro, hatragny Bala-Gada eo ambanin'ny tendrombohitsy Hermona ka hatragny Lebo Hamata. 6 Fa koa, reo olo manontolo agny amin'ny tany havoa agny Libanona manahaky gnan'i Mserofota-Maima, agnisan'io reo olo manontolo agny Sidona. Handroaky an-drozy alohan'ireo tafik'Israely. Alao antoka gny fagnomeza gny tany gnan'Israely ho lova raiky, araky gny nandidiako gnanao. 7 Zarao io tany io ho gnanireo foko sivy voho ho gnan'ireo atsasaky gny fokon'i Manase. 8 Miaraky amin'ireo antsasaky gny fokon'i Manase, reo Reobenita voho reo Gadita la nadramby gny lova ze namean'i Mosesy an-drozy tany antignan'i Jordana, 9 agny Aroera, zay eo amoron'ny reniranon'i Arnora(agnisan'io gny tana zay eo agnivon'ny renirano) ho gnan'ny lemaky manontolo agny Medeba sady hatragny Dibona; 10 reo tana manontolo agny Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, zay manapaky agny Hesebona, hatragny amin'ireo Amorita; 11 Gileada, voho reo faritra agny Gesorita voho Makatita, reo tendrombohitsin'i Hermona, reo Basana manontolo hatragny Saleka; 12 reo fanjaka iabin'i Oga agny Basana, zay nanjaka tagny Astarat voho Edrehy__reo ro sisa tavela tamin'i Refaita__namono an-drozy i Mosesy sady nadroaky an-drozy. 13 Fa reo olon'Israely la tsy nandroaky reo Gesorita na Makatita. fa koa, Gesora voho Makatita la nipetraky teo amin'ireo Isrealy tamin'io andro io. 14 Tamin'ny fokon'i Levy ro tsy nagnomezan'i Mosesy lova. Reo fagnatits'i Yaveh , lay Ndranagnaharin'Israely, vita tamin'ny bolo, voho reo lovan-drozy , araky, araky gny nolazain-Dranagnahary gnan'i Mosesy. 15 Mosesy nagnome lova tamin'ireo fokon'i Robena, isam-poko. 16 Gny farirn-drozy la bakagny Aroera, agny amoron'ny Reniranon'ny Arnona, sady gny tana zay eo agnivon'ny lohasaha, voho agny amin'ireo lemaky agnilan'i Medeba. 17 Nandramby gnan'i Robena avao koa i Hesbona voho reo tana iaby ze agny amin'i Dibona, voho Bamota-Bala, sady Beti-Bala_Meona, 18 Jahaza, Kedemota, voho Mefata, 19 voho Karia-taima, voho Sibama, sady Zareta-Saha egny an-tampon-kavoana. 20 Nandramby gnan'i Beti-peora avao koa i Robena, reo hantan'i Pisga, Beti-Jesimota, 21 voho reo tanan'ny lemaky , sady reo fanjakan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, zay nanjaka tagny Hesbona, zay noresen'i Mosesy niaraky tamin'ireo mpitariky Madiana, Evi, Rekema, Sora, Hora, voho Reba, lay andrian'ny Sihona, zay nonina tao amin'ny tany. 22 Gny fokonolon'Israely avao koa la namono tamin'ny Sabatsy gnan'i balama anaky kahin'i Beora, zay nanao Sikily, tamin'ny sisa tamin'ireo zay novonoa. 23 Gny onin'i Jordana ro sisin'ny fokon'i Robera; io ro sisin-tanin-drozy. Io ro lovan'ny fokon'i Robena, namea tamin'ny isam-pokon'ny kirakiraiky, niaraky tamin'ireo tanan-drozy voho reo vohitsy. 24 Io la namean'i Mosesy tamin'ny fokon'i Gada, isam-poko; 25 gny farin-Drozy la Jazera, reo tanana'i Gileada manontolo voho atsasaky gny taninin'ireo Amonita, Aroera, ze agny antignan'i Raba, 26 agny Hesbona ka hatragny amin'i ramata-mizpa voho Betonina, agny Mahanaima agny amin'ny farits'i Debira. 27 Gny amin'ny lohasaha, Mosesy la nagnome gnan'i Beti-harama, Beti-nirma, Sokata, Zafona, reo sisa tamin'ny fanjakan'i sihona mpanjaakan'i Hesbona, miaraky amin'i Jordana ho sisiny, hatramin'ny faran'ny ranomasin'i Kinereta, antignanan'ny an-dafin'i Jordana. 28 Io ro lovan'ny fokon'i Gada, isam-poko, miaraky amin'ireo tana voho reo vohitsy. 29 Mosesy nagnome tamin'ny antsasaky gny fokon'i manase. Io la nintendry tamin'ny antsasaky gny fokon'ny olon'i manase, araky gny fokon-drozy. 30 bakagny Mahanaina gny farin-drozy, i basana manontolo, gny fanjakan'i Oga mpanjakan'i basana manontolo, voho reo tana enim-polo; 31 antsasak'i Gileada, voho avaratsy sady Edrehy ( reo tanana'ny mpanjaakn'i Oga agny Basana0, Reo ro voatendry tamin'ilay fokon'i Makira anaky lahin'i Manase__antsasaky gny olon'i Makira, zay namea gny kirakiraiky amin'ireo avorohotany. 32 Io gny lova zay nontendren'i Mosesy an-drozy teo amin'ny lemak'i Moaba, agny an-dafin'ny Jordana antignanan'ny Jeriko. 33 Mosesy la tsy nagnome lova gny fokon'ny Levi. Fa Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely, ro lovan-drozy, araky zay nolazainy tamin-drozy.