Toko faha 11

1 Lafa ren'i Jabina, mpanjakan'i Hazora io, la nandefa hafatsy ho gnan'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, voho gny mpanjakan'i Sirmona, sady gny mpanjakan'i aksafa ie. 2 Nalefany tagny amin'ireo havoa avaratsy , voho tagny amin'ny lohasaha amin'ny reniranon'i Lordana agny antimon'i Kinerota, voho gny tagny amin'ny tany lemaky, sady tagny amin'ny tany havoan'i Dora magnagny andrefa avao koa lay hafatsy. 3 Nandefa hafatsy tagny amin'ireo Kananita magnagny antignana voho andrefa, voho tagny amin'ireo Amorita, reo Hetita, reo Peizita, reo Jebosita agny amin'nireo Hivita agny amin'ny Tendrombohitsy Hermona agny amin'ny taninin'i Mizpa avao ie. 4 Niboaky niaraky tamin-drozy iaby gny tafin-drozy iaby, miaramila maro agn'isa, manahaky gny fasiky egny amoron-dranomasy. Nana soavaly voho kalesy maro agn'isa rozy. 5 Nihaona tamin'ny ora voatondro reo mpanjaka iaby , sady nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiaky amin'Israely. 6 Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe:' Ka matahotsy eo amin'ny fagnatrehan-drozy, fotony hamaray amin'izao fotoa zao la manolotsy gnazy amin'Israely manontolo manahaky gny olo maty Aho. Ho vonoa gny soavalin-drozy, sady ho oroa gny kalesin-drozy." 7 La avy Josoa voho reo johary mpialy manntolo.Avy tampoky tagny amin'ny ranon'iMeroma rozy, ka nanafiky gny fahavalo. 8 Natolots'i Yaveh teo an-tagnan'Israely gny fahavalo sady namely an-drozy tamin'ny sabatsy voho nanenjiky gnan-drozy tagny Sidona, Misrefota-maima, voho tany amin'ny lohasahan'i Mizpa agny aantignana rozy. Namono an-drozy mandra-paha tsy nisy ndra raiky aza sisa tavela. 9 Nataon'i Josoa tamin-drozy araky ze nolazain'i Yaveh taminy. Nataony nandringa reo soavaly sady noroany reo kalesy. 10 Nimpoly i josoa tamin'io fotoa io sady nambabo gnan'i Hazora. Notsatohany tamin'ny sabatsy gny mpanjaka tao.( Lohan'ireo fanjaka manontolo reo i Hazora.) 11 Novonoan-drozy tamin'ny sabatsy gny raha-managnay iaby zay tao, sady natokany ho rava , ka la tsy nisy raha-managnay tavela. Bakeo noroany i Hazora. 12 Lasan'i Josoa iaby gny tanana'ireo mpanjaka iaby reo. Nosamboriny avao koa gny mpanjakn'ireo iaby sady notsatohiny tamin'ny sabatsy. Naringany tanteraky tamin'ny sabatsy rozy, araky gny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh. 13 Tsy nagnoro reo tana niory tegny amin'ny dongon-tany i Israely, afa-tsy Hazora. Io avao ro noroan'i Josoa. 14 Nalain'ny tafik'Israely gny babo manontolo bakamin'ireo tana reo niaraky tamin'ny biby fiompy mba ho gnan-drozy, Novonoan-drozy tamin'ny sabatsy gny anak'olombelo iaby mandra-pahafatiny manontolo. 15 Tsy nisy raha-managnay nengan-drozy ho velo. Araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy mpanompony, la manahaky gnan'io koa, ro nandidian'i Mosesy gnan'i Josoa, ka nataon'i Josoa io. Tsy nisy raha nengany tsy ho vita ze iaby nandidian'i Yaveh hatao. 16 Nalan-drozy iaby io tany iaby , gny tany havoa, Negeva raiky manontolo, gny tanin'i Gosena raiky manontolo, lemaky amoron-tsiraky, lohasahan'ny Renirano Jordana, gny tagny havoan'Israely, voho reo tany lemaky. 17 Hatragny amin'ny tendrombohitsy Halaka agnilan'i Edoma, voho niagnavaratsy lavitsy manahaky gnan'i bala-gada tagny amin'ny lohasaha agnilan'i Libanona ambanin'ny Tendrombohitsy Hermona, la nosamboriny iaby gny mpanjakan-drozy sady novonoany. 18 Fa ela Josoa ro nialy tamin'ireo mpanjaka manontolo. 19 Tsy nisy tana nanao fihavana tamin'ny tafik'Israely ankoatss'ireo Hivita zay nipetraky tagny Gibeona. Lasan'Israely iaby reo tana sisa tavela agn'aly. 20 Fonotny Yaveh ro nagnamafy gny fon-drozy la nialy nanohitsy gnan'Israely rozy, mba hahafaty mamotiky tanteraky an-drozy tsy misy indrafo, araky gny nandidiany gnan'i Mosesy. 21 Bakeo la avy Josoa tamin'io fotoa io ka nopotehiny i Anakima. Nataony tagny amin'ny tany hovoa, tagny havoan'i Joda manontolo io, voho tany amin'ny tany havoan'Israely manontolo. Nopotehin'i Josoa tanteraky rozy voho reo tana. 22 tsy nisy Anakita tavela teo amin'ilay tanin'Israely ankoatsy gnan'i Gaza, Gata, sady Asdoda. 23 Nohon'io la lasan'i Josoa gny tany raiky manontolo, araky gny nolazain'i Yaveh gnan'i Mosesy. Nomen'i Josoa ho lovan'Israely io, Notendre ho gnan'ireo foko kirakiraiky. bakeo lay tany nijano tamin'ny aly.