Toko faha 8

1 ( Fanamarihana: Henteo gny fanamariha mikasiky gnan'i Jaona 7:53-8;11 agnabony ety. 2 Vao maray la nagnegny an-tempoly ndraiky Ie, sady gn'olo iaby namonjy Gnazy ; nipetraky Ie sady nampianatsy gnan-drozy. 3 Reo mpanora-dalagna voho reo Fariseo la nanday ampela raiky tratry nijangajanga, Napetran-drozy tagnivo teo ie. 4 ( Fanamariha:" Henteo gny fanamariha momban'i jaona 7:53-8:11 agnabo eo) Bakeo hoy rozy taminy hoe:' Ry mpampianatra o, toy ampela toy la tratry teo am-pijangajanga. 5 Sady ao amin'ny lily , Mosesy nibaiko gnanay mba hitoraha-bato gny olo manahaky gnan'io; ino ro agnambaranao momba gnazy?" 6 Niresahin-drozy hamandriha Gnazy avao anefa io mba ahafahan-drozy magnameloky Gnazy, fa Jesosy koa niondriky ka nanoratsy tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnany. 7 ( Fanamariha: Henteo gny fanamariha momban'i Jaona 7:53-8:11 agnabo eo) Lafa nametraky fagnontania taminy hatragny rozy, la nitsanga Ie ka niresaky gnan-drozy hoe:" Zay tsy nanota taminareo, aoka ie hitora-bato gnazy voalohany." 8 La niondriky ndraiky Ie, sady nanoratsy tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tagnany. 9 ( Fanamariha:Henteo momban'i jaona 7:53-8: agnabo eo) Lafa nahare gnan'io rozy, la niala kirakiraiky, nanomboky tamin'ny zokiny mare. Sady gny farany la Jesosy raiky avao ro tavela teo, niaraky tamin'ny gny ampela zay tagnivony teo. 10 Nitsanga Jesosy ka niresaky taminy hoe:" Ravehivavy, fa lasa aia reo mpanameloky gnanao? Tsy misy magnameloky gnanao va?" 11 Hoy ie hoe:" Tsy misy, Tompoko." Sady hoy Jesosy hoe :' tsy magnameloky gnanao Aho. Mandehana voho ka manota sasy."] 12 Niresaky tamin-drozy ndraiky Jesosy , manao hoe:" Zaho ro fahazavan'izao tontolo zao; zay magnaraky Gnahy la tsy handeha amin'ny hahiky fa hana gny fahazavan'ny fiaigna." 13 Hoy reo Fariseo taminy hoe:" Iha la magnamabara gny vatanao ; tsy marina gny fagnambaranao." 14 Jesosy namaly ka nanao tamin-droy hoe:' Ndra la magnambara gny vatako aza Aho, la marina gny fagnambarako. Haiko gny nihaviako voho gny lala handehanako, fa nareo koa tsy mahay zay nihaviako na zay handehanako. 15 Nareo la mitsara araky gny nofo; fa Zaho tsy mitsara na ia ia. 16 Ndra la mitsara aza Aho ; la to gny fitsarako fotony tsy raiky Aho fa miaraky amin'ny Baba zay nagniraky Gnahy. 17 Eka, sady ao amin'ny lalanareo la voasoratsy fa to gny fijoroan'ny alon-droe vavolombelo. 18 Zaho ro magnambara gny vatako, sady gny Baba zay nagniraky Gnahy avao koa la magnambara Gnahy." 19 Hoy rozy taminy hoe:" Aia gny babanao?" Jesosy namaly hoe:" Tsy hainareo va zaho na gny Babako; laha nahay Gnahy nareo, la mahay gny Babako avao koa." 20 Teo agnilan'ny fandatsahan-drakitsy Iero nilaza gnan'io safa io laha igny Ie nampianatsy teo amin'ny tempoly igny, sady tsy nisy nanambotsy Gnazy fotony mbo tsy avy gny orany. 21 Sady hoy ndraiky Ie tamin-drozy hoe:' Andeha Aho; hila Gnahy nareo sady ho maty amin'ny fahotanareo. Zay andehanao , la tsy ho azonareo handehana." 22 Hoy reo Jiosy hoe:" hamono tena va Ie? Io va ro antony niresahany hoe:" Zay handehanako , la tsy azonareo handehana?" 23 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Baketoy ambany nareo; zaho koa bakagny agnabo.. bakamin'izao tontolo zao nareo; fa Zaho tsy bakamin'izao tontolo zao. 24 Nohon'io , nambarako taminareo fa ho maty ao amin'ny fahotanareo nareo. Fa laha tsy mino nareo fa ZAHO RO IE , la ho maty amin'ny fahotanareo nareo." 25 Nohon'io la hoy rozy taminy hoe:" Ia moa Iha?" Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:' Araky zay voalazako taminareo hatragny am-boalohany. 26 Mana raha maro ho resahy voho hitsara momba gnanareo Aho. kanefa , Ie zay nagniraky Gnahy la marina; sady reo raha zay janjiko bakaminy, la hambarako amin'izao tolotolo zao." 27 tsy azon-drozy anefa Ie la niresaky tamin-drozy mikasiky gny Baba. 28 Hoy Jesosy hoe:" Lafa asandratsareo gny Anak'Olo , la ho hainareo fa zaho ro IE, sady tsy manao na ino ino ho Gnahy Aho. Araky gny nampianarin'ny Baba Ahy, ro niresahako reo raha reo. 29 Ie zay nagniraky Gnahy la miaraky amiko, sady tsy nagnenga Gnahy ho raiky Ie, noho Zaho manao zay ankasitsahany mandrakariva." 30 Laha niresaky reo raha reo Jesosy , la maro ro nino Gnazy. 31 Jesosy niresaky tamin'ireo Jiosy zay nino Gnazy Hoe:" Laha mipetraky amin'ny safako nareo , la ho tena mpianatso; 32 sady ho hainareo gny to, sady gny marina hagnafaky gnanareo." 33 Sady rozy namaly Gnazy hoe: " Avorohotan'i Abrahama rahay sady mbo tsy nandevozin'ia nia hatrizay; ka manao akory ro hiresahanao hoe:' Ho afaky nareo?" 34 Jesosy namaly gnan-drozy hoe:' Resahako aminareo , marina , la marina tokoa fa reo zay manota la andevon'ny ota. 35 Gny andevo la tsy mipetraky ao an-tragno mandrakizay; fa gny anaky ro mipetraky mandrakizay. 36 Nohon'io, laha gny anaky ro magnafaky gnanareo, la ho afaky tokoa nareo. 37 Haiko fa avorohotan'i abrahama nareo; mila zay hahafaty Gnahy fotony tsy mana toera ao aminareo gny vatako. 38 Miresaky zay jeriko niaraky tamin'ny Babako aho, sady nareo koa manao zay renareo tamin'ny babanareo." 39 Namaly rozy ka niresaky taminy hoe;" Abrahama ro babanay." Jesosy niresaky gnan-drozy hoe:" Laha anak'i Abrahama nareo, la hanao gny asan'i Abrahama. 40 Kanefa , amizao nareo mila hamono Gnahy, zay johary niresaky taminareo gny marina zay reko tamin-dranagnahary. Abrahama tsy nanao gnan'io. 41 Nareo la manao gny asan'ny babanareo tamin'ny fijangajanga rahay; raiky avao gny Babanay; la Ndranagnahary." 42 Jesosy niresaky gnan-drozy hoe:" laha Ndranagnahary ro babanareo, la tokony ho tia Gnahy gnanareo , fotony bakamin-Dranagnahary ro niboahako voho nandehanako atoy; fa tsy avy ho azy Aho, fa Ie ro nagniraky Gnahy. 43 nagnino ro tsy azonareo gny safako ? Io la fotony tsy afaky hanaiky gny safako nareo. 44 Bakamin'ny babanareo nareo, gny devoly , sady gny teanareo atao la gny fila zay nataon'ny babanareo. Mpamono olo hatramin'izay ie sady tsy mijoro amin'ny fahamarigna fotony tsy misy marina aminy ao. Lafa mavandy Ie, la gny toetra fataony avao ro resahiny fotony mpavandy Ie sady baban'ny vandy. 45 Kanefa, fotony milaza gny to Aho, la tsy mino Gnahy nareo. 46 Ia aminareo ro magnameloky Gnahy amin'ny fahota? laha miresaky gny marina Aho, nagnino ro tsy hinoanareo? 47 Zay bakamin-Dranagnahary la mahare gny safan-Dranagnahary; tsy mahajanjy gnan'io nareo fotony tsy bakamin-Dranagnahary." 48 Namaly reo Jiosy ka niresaky taminy hoe:" Moa va tsy miresaky gny to rahay fa Samaritana Iha sady misy demonia?" 49 Jesosy namaly hoe:' Tsy misy demonia Aho, fa magnome voninahitsy gny Babako, sady nareo tsy magnome voninahitsy Gnahy. 50 Tsy mila vonihatso Aho; misy raiky mila voho mitsara. 51 Resahako aminareo, marina , la marina tokoa, fa laha misy mitandry gny safako, la tsy hahajery fahafatesa mandrakizay ie." 52 Hoy reo Jiosy taminy hoe:" Amizao hainay fa mana demonia Iha. Fa maty Abrahama voho reo mpaminany; kanefa iha miresaky hoe:' Laha misy mitandry gny safako , la tsy hahajery fahafatesa mandrakizay ie. 53 Tsy bevata noho gny babany Abrahama zay fa maty Iha, sa va lehibr? Reo mpaminany avao koa la maty. manao gny vatanao ho Ia moa Iha?" 54 Jesosy namaly hoe;" Laha mankalaza gny vatako Aho, la ho tsinontsino gny voninahitso; gny Babako zay ataonareo ho Ndranagnahary ro manakalaza Gnahy. 55 Tsy hainareo Ie, fa Zaho mahay Gnazy. Laha miresaky Aho hoe:" Tsy mahay Gnazy Aho; la hanahaky gnanareo , mpavandy. Kanefa , babako Ie ka mitandrina gny safany Aho. 56 Gny babanareo la nazoto nahajery gny androko ; nahajery gnan'io ie la nazoto." 57 Hoy reo Jiosy taminy hoe:' Mbo tsy misy dimampolo tao akory Iha, ka la fa nahajery gnan'i Abrahama va? 58 Sady hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Resahako aminareo , marina, la marina tokoa, talohan'ny nahaterahan'i Abrahama, la Zaho ro Ie." 59 Bakeo la nangalaky vato hatoraky Gnazy reo, fa Jesosy koa niodiky ka niboaky gny tempoly.