Toko faha 14

1 Ka enga hangorohoro gny fonareo. Mino gnanin-Dranagnahary nareo, la minoa Gnahy koa. 2 Misy efitsy maro ao an-tragnon'ny Babako.Laha ohatsy ka tsy io, la fa niresaky taminareo Aho, fa hagnoma toera ho gnanareo. 3 Laha handeha Aho ka hagnoma toera ho gnanareo, la himpoly ndraiky aho ka handramby gnanareo ato Amiko, ka zay misy Ahy la hisy gnanareo koa. 4 Nareo mahay zay handehanako." 5 Hoy Tomasy tamin'i Jesosy hoe:" Tompo, tsy hainay zay handehannao, manao akory ro hahaizanay gny lala?' 6 Hoy Jesosy taminy hoe:" Zaho ro lala, sy fahamarigna,voho fiaigna, tsy misy mamonjy gny Ry laha tsy amin'ny alalako. 7 Laha nahay Gnahy nareo , la tokony hahay gny Babako koa. Manomboky zao la hainareo Ie sady fa hitanareo." 8 Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe;" Tompo, aseho gnanay gny ray, la ampy ho gnanay io." 9 Hoy Jesosy taminy hoe:" Fa hatry gny ela ro niarahako taminareo la mbo tsy hainareo avao Aho, ry Filipo? Ndra ia ia nahita Gnahy la nahajery gny Baba. Ka nagnino ro hivolagnanareo hoe:" Aseho gnanay gny Ray?" 10 Tsy mino va nareo fa ao amin'ny Baba Aho voho gny Baba ato amiko? Reo safa zay resahako aminareo la tsy resahako bakamin'ny fahefahako manoka, fa gny Baba velo ato agnatiko ro manao gny asany. 11 Minoa Gnahy fa zaho la ao amin'ny Ray , voho gny Baba ato amiko, laha tsy io la minoa noho reo asa manoka. 12 resafiko aminareo,marina,la marina tokoa,ze mino ah laha hanao gny asako ze ataoko,vo hanao asa bevata mandilatry nohon'iregny ie fotony ho agny amin'ny Ray Aho. 13 Ndra ino ndra ino angatahinareo amin'ny agnarako, la tanterahiko io mba hagnomezam-boninahitsy ny Ray ao amin'ny Zanaka. 14 laha mangataky raha amin'ny agnarako nareo,la ho tanterahiko io. 15 Laha tia Ahy nareo, laha hitandry reo liliko, 16 ka hivavaky amin'ny Baba aho, la hagnome gnanareo Mpampahery hafa Ie mba ho eo aminareo mandrakariva ie_ 17 gny Fagnahin'ny fahamarigna . Tsy afaky mandramby Gnazy zao tontolo zao fotony tsy mahajery na mahay Gnazy , fotony mipetraky miaraky aminareo Ie ka ho ao agnatinareo. 18 Tsy hagnenga gnanareo hirery Aho; mbo himpoly atoy aminareo Aho. 19 Afaky fotoa tsy ampy avao la tsy hahajery Gnahy sasy zao tontolo zao, fa nareo mahita Gnahy. Fotony velo aho , la ho velo avao koa nareo. 20 Sady amin'izay andro zay la ho hainareo fa ao amin'ny Babako Aho, voho nareo ato Amiko, voho Zaho ao aminareo. 21 Zay mana reo liliko ka mitandry gnn'iregny la ie gny tea Gnahy, voho zay tea Gnahy la ho tean'ny Babako koa, voho Zaho hitia gnazy voho hiseho aminareo." 22 Hoy Jodasy ( tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe:" Tompo, nagnino iha ro hiseho aminay fa tsy amin'izao tontolo zao?" 23 Jesosy namaly ka niresaky taminy:" Laha misy olo tea Gnahy, la hitandry gny safako ie. Hitea gnazy gny Babako, voho ho avy aminy Rahay voho hagnamboatsy gny fitoeranay miaraky aminy. 24 Fa zay tsy tea Gnahy la tsy mitandry gny safako. Gny safa raiky renareo la tsy avy amiko fa bakamin'ny Baba nagniraky Gnahy. 25 Fa niresahako taminareo reo raha reo, laha mbo nijano niaraky taminareo Aho. 26 Kanefa, gny Mpampahery_gny Fagnahy Masy, zay hirahin'ny Baba amin'ny Agnarako_ ie ro hampianatsy gnanareo gny raha iaby voho hampianatsy zay iaby niresahako taminareo. 27 Fiadagna ro hengako ho gnanareo; omeako gnanareo gny fiadagnako. Tsy omeako manahaky gny fagnomezan'izao tontolo zao izay. Ka enga hangorohoro gny fonareo, voho ka matahotsy. 28 Fa renareo Aho niresaky taminareo hoe :" Andeha Aho, ka himpoly aminareo ndraiky; laha tea Gnahy nareo, la tokony hiravoravo fotony hagnagny amin'ny Baba Aho, fotony gny Baba la bevata tokoa noho Zao. 29 Sady niresahako gnanareo dieny mbo tsy mitranga io, mba hino nareo, lafa mitranga io. 30 Tsy hiresaky maro aminareo sasy Aho, fa ho avy gny mpanapaky zao tontolo zao. Tsy mana fahefa Amiko ie, 31 fa mba hahaizan'izao tontolo zao fa tiako gny Baba, la ataoko manahaky gny nandidian'ny Baba Gnahy. Andeha hitsanga tsika voho hiala.