Toko faha 13

1 Sady andro mialohan'ny firavoravoan'ny Paska zao. Hain'i Jesosy fa avy gny ora hialany eto amin'izao tontolo zao ka handeha agny amin'ny Ray . Lafa nitia gny mpiara-dia taminy teto amin'izao tontolo zao Ie, la nitia gnan-drozy hatramin'ny farany. 2 Sady gny devoly la fa nametraky gnan'izao tao an-tsain'i Jodasy Iskariota anak'i Simona, la gny hamadiky gnan'i Jesosy. 3 Ie la nahay fa gny raha iaby la fa napetrakin'ny Baba teo am-pelatagnany voho Ie la bakamin-Dranagnahary voho himpoly agny amin-Dranagnahary. 4 Nitsanga Ie teo am-pisakafoana ka nangalaky gny akanjony ivelany. Bakeo Ie nangalaky siky ka nisalotsy gnan'io. 5 Bakeo nandraraky rano tao agnaty siny Ie la nanomboky nanasa gny tombok'ireo mpianany voho namafa gnan-drozy tamin'izay siky nisalorany. 6 Namonjy gnan'i Simona Petera Ie, ka hoy Petera taminy :" Tompo , hanasa gny tomboko va Iha?" 7 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe:" Zay ataoko la mbo tsy ho azonao gny heviny, fa ho azonao avao koa io afara agny." 8 Hoy Petera taminy :" tsy hanasa gny tomboko mihintsy Iha." Jesosy namaly gnazy :" Laha tsy manasa gny tombokao Aho, la tsy mana anjara ato amiko iha." 9 Hoy Simona Petera taminy hoe:" Tompo, ka gny tomboko avao ro sasa, fa gny tagnako voho gny lohako avao koa. 10 Hoy Jesosy taminy :" zay fa nandro la tsy mila gnan'io, afa-tsy gny manasa tomboky avao, fa ie la fa malio tanteraky; iha la malio, fa tsy gny iaby nefa." 11 ( Fotony fa hain'i Jesosy hoe ia gny hamadiky Gnazy; io ro antony niresahany hoe:" tsy nareo iaby ro malio.") 12 Ka lafa baka nanasa gny tombon-drozy Jesosy voho nangalaky sikiny ka nipetraky ndraiky, la hoy Ie tamin-drozy :" Hainareo va gny nataokoho gnanareo? 13 Kahinareo Aho hoe mpampianatsa voho Tompo; sady marina gny voalazanareo, fotony io tokoa Aho. 14 Kanefa Zaho, sady Tompo ro mpampianatsa, ro nanasa gny tombokareo, nareo avao koa la tokoy hifanasa gny tombokareo. 15 Fotony fa nagnome ohatsy ho gnanareo Aho ka mba tokony hanao manahaky zay nataoko ho gnanareo avao koa nareo. 16 Resahako aminareo marina ,la marina tokoa , fa gny mpanompo la tsy bevata kokoa noho gny tompony; na koa gny mpanday hafatsy la tsy bevata kokoa noho gny nagniraky gnazy . 17 Laha hainareo reo raha reo , la ho tahy nareo laha magnatanteraky gnan'io. 18 tsy nareo iaby ro resahiko; haiko reo zay nifiliko_ Fa io la mba hahatanteraky gny Soratsa Masy hoe:' Zay mihina gny mofoko la nanandratsy gny vodi-tombony hamadiky Gnahy." 19 Resahako aminareo zao io mialohan'ny hitrangany lafa mitranga io, la mety hino nareo fa Zaho ro Ie. 20 Resahako aminareo marina la marina tokoa , fa zay mandramby zay nirahiko, la mandramby Gnahy, voho zay mandramby Gnahy, la mandramby Gnazy zay nagniraky Gnahy." 21 Lafa niresaky gnan'io Jesosy , la nangorohoro gny fagnahiny. nagnambara Ie sady niresaky hoe:" Resahako aminareo , marina la marina tokoa fa hisy taiky aminareo hamadiky Gnahy." 22 Nifampanenty reo mpianatsy , nagnontany tena hoe ia io resahany io. 23 Nisy raiky tamin'ireo mpianany, zay tian'i Jesosy , nipetraky teo amin'ny latabo ampitan'i Jesosy . 24 Namonjy gnan'io mpianatsy io Simona Petera ka nanao hoe:" Agnontanio Gnazy hoe ia io resahiny io." 25 Ka nimpoly nianky tamin'i Jesosy ie ka niresaky taminy hoe:" Tompo, ia io?" 26 Bakeo Jesosy namaly hoe:" Gny raiky zay handonako voho hameako toy mofo toy io."Ka lafa nolomany gny mofo, la nameany gnan'i Jodasy anak'i Simona Iskariota io. 27 Sady tafaran'ny mofo , la nilitsy tao aminy satana, ka hoy Jesosy taminy :" Zay ataonao , ataovy malaky io." 28 Tamin-drozy iaby teo an-databo tsy nisy nahay gny antony niresahan'i Jesosy gnazy io. 29 Gny sasany nieritseritsy hoe, fotony Jodasy ro nitanjaky gny kitapon-drala, ro niresahan'i Jesosy taminy hoe:" Vilio gny raha iaby ilantsika amin'ny andro firavoravoa." na hoe tokony hagnome raha ho gnan'ny mahantra ie. 30 Laha vao baka nandramby gny mofo Jodasy, la lasa niboaky avy hatragny ie. Haly gny andro tamin'izay. 31 Lafa lasa Jodasy, la hoy Jesosy hoe:" amizao la omem-boninahitsy gny Anak'Olo sady Ndranagnahary la ameam-boninahitsy ao aminy. 32 Ndranagnahary la hagnome voninahitsy Gnazy ao amin'ny vatany, voho Ie hagnome voninahitsy Gnazy avy hatragny. 33 Ry ankizy maliniky , fotoa tsy ampy sisa ro hiarahako aminareo. Hila Gnahy nareo , voho araky zay niresahako tamin'i Jiosy hoe:" zay handehanako , tsy azonareo handehana. Voho resahako aminareo koa io amizao. 34 Lily vaovao ro hameako gnanareo, la gny hifankatiavanareo; manahaky gny nitiavako gnanareo, ro tokony hifankatiavanareo avao koa. 35 Amin'io ro hahaizany gnan'olo fa mpianatso nareo,laha mahay mifankatia nareo." 36 Hoy Simona Petera taminy hoe:" Tompo, fa andeha ho aia Iha?" Namaly Jesosy hoe:" Zay handehanako , la tsy afaky hagnarahanareo Gnahy zaho, fa hagnaraky nareo agny afara." 37 La hoy Petera taminy hoe:" Tompo, nagnino aho ro tsy afaky magnaraky Gnanao zao? Hafoiko ho Gnanao gny aiko." 38 La namaly Jesosy hoe:" Hafoiko ho Gnahy va gny ainao? Resahako aminao, marina la marina tokoa, fa mbo tsy hagneno akory gny akoho la fa handa Gnahy in-telo iha."