Toko faha 12

1 Enign'andro mialohan'ny paska , la avy tao Betania Jesosy, zay nitoeran'i Lazarosy, gny fa natsangan'i Jesosy tamin'ny maty. 2 Ka nanao sakafo ho Gnan-drozy , sady Marta ro nandroso gnan-drozy, fa Lazarosy koa la agnisan'reo niara-nipetraky tamin'i Jesosy teo amin'ny latabo. 3 Bakeo nangalaky menaky magnitsy sarobidy , ka nagnositsy gny tombon'i Jesosy tamin'io, voho namafa gny tombony tamin'ny volon-dohany. Feno gny hagnitr'izay menaky gny tragno 4 Sady Jodasy Iskraiota, raiky tamin'ireo mpianany, zay hamadiky Gnazy, nanao hoe:" 5 Nagnino io menaky io ro tsy namily 300 dinaria la namea gny mahantra?" 6 Sady ie miresaky gnan'io, tsy noho gny fiahiany gny mahantra, fa fotony mpangalatsy ie: safa aminy gny kitapom-drala ka ho nangalariny zay natao tao. 7 Jesosy nanao hoe:" Engao ie mba hitanjaky zay hanagnany ho amin'ny andro handevegna Gnahy. 8 Ho eo aminareo mandrakariva gny mahantra, fa Zaho koa tsy ho eo aminareo mandrakariva." 9 Sady nisy vahoaky maro tamin'ireo Jiosy nahay fa teo Jesosy , ka namonjy rozy, tsy ho gnan'i Jesosy raiky avao, fa mba hahajery gnan'i Lazarosy avao koa gny natsangan'i Jesosy tamin'ny maty. 10 Reo lohan'ny mpisoro la nitetiky niaraky mba hahafahan-drozy manosiky gnan'i Lazarosy amin'ny fahafatesa avao koa; 11 fotony noho Ie ro nahatonga gny ankamaroan'ireo Jiosy andeha voho nino gnan'i Jesosy. 12 Gny hamaray la vahoaky maro ro avy tamin'ny andro firavoravoa . Lafa ren-drozy fa ho avy ao Jerosalema Jesosy , 13 la nangalaky sampan-drofia rozy sady niboaky ka nitsena Gnazy tamin'ny kaiky mareo hoe:" Hosana! Sambatsy anielay bakamin'ny agnaran'ny Tompo, gny mpanjakan'Israely." 14 Sady Jesosy nahita ana-boriky raiky ka nipetraky tagnabony teo; 15 Araky gny voasoratsy hoe:" Ka matahotsy , ry anakampelan'i Ziona; Jereo , ingo tamy gny Mpanjakanareo, zay mipetraky eo agnabon'ny ana-boriky." 16 Tsy nahazo reo raha reo gny mpianany tamin'ny voalohany; fa lafa naomem-boninahitsy Jesosy , la tiaron-drozy fa voasoratsy momba Gnazy reo raha reo sady fa nataon-drozy taminy io. 17 Sady reo vahoaky zay niaraky taminy tamin'ny nikahiany gnan'i Lazarosy hiboaky gny fasana voho nananga gnazy tamin'ny maty la samy nijoro vavolombelo iaby. 18 Nohon'io antony avao koa ro nahatonga gny vahoaky hitsena Gnazy, fotony ren-drozy fa nanao io famantara io Ie. 19 Reo Fariseo nohon'io nifampiresaky hoe:" Jereo , tsy afaky manao na ino ino nareo; ingo, magnaraky Gnazy zao tontolo zao." 20 Sady nisy grika tsy ampy ampy tamin'ireo zay niakatsy handrengy agny amin'ny firavoravoa. 21 Nagnagny amin'i Filipo rozy, zay bakagny betsaiada agny Galilia, ka nagnontany gnazy , manao hoe:" Tompo, mba ta-hahita gnan'i Jesosy rahay." 22 La lasa Filipo ka niresaky tamin'i Andrea; la lasa Andrea niaraky tamin'i Filipo, voho niresaky gnan'i Jesosy rozy. 23 Jesosy namaly gnan-drozy ka annao hoe:" Fa avy gny fotoa hagnomeza voninahitsy gny Anak'Olo. 24 Resahako aminareo, marina, la marina tokoa, fa laha tsy latsaky amin'ny gny voam-bary ka maty, la mitoetra amin'ny vatany raiky io; fa laha maty io, la hamotraky mare. 25 Zay tia gny fiaignany la hagnary io; fa zay malay gny fiaignany eto amin'izao tontolo zao koa la hitanjaky gnan'io ho agny amin'ny fiaigna mandrakizay . 26 Laha misy manompo Gnahy, ao ie hagnaraky Gnahy; ka zay hipetrahako, la ao avao koa ro hipetrahan'ny mpanompoko. Laha misy manompo Gnahy , la hagnome vaninahitsy gnazy gny Baba. 27 Amizao , mangorohoro gny fagnahiko ka ino ro tokony ho safagniko? Ray o, Vonjeo amy toy ora toy? Kanefa nohon'io antony io ro nahatongavako amin'izao fotoa zao. 28 Ray o, hankalazao gny agnaranao." Bakeo nisy feo gnanako bakagny an-dagnitsy nanao hoe:" Fa nankalazaiko io voho mbo ho hangalazaiko ndraiky." 29 Sady reo vahoaky nitsanga teo voho nahare gnan'io la niresaky fa nisy kotroky teo. Gny sasany niresaky hoe:' Nisy anjely niresaky taminy." 30 Jesosy namaly ka niresaky hoe:" Io feo io la tsy avy ho Gnahy, fa ho gnanareo. 31 Avy amizao gny fitsara gnan'izao tontolo zao: Sady la ho roahy gny mpanapaky zao tontolo zao. 32 Lafa hasandratsy hiala amin'ny tany Aho, la hitao gny kirakiraiky hagnaraky Ahy." 33 Niresahainy io mba hanehoa hoe karaza fahafatesa manahaky ino ro nahafatesany. 34 Reo vahoaky namaly Gnazy hoe:' Renay tamin'ny lily fa Kristy la hijano mandrakizay. Manao akory ro hahafahanao miresaky hoe:' Gny Anak'Olo la tsy maintsy hasandratsy? Ia ioAnak'Olo io?" 35 Bakeo Jesosy niresaky gnan-drozy hoe:' Gny hazava la mbo hiaraky aminareo mandritsy gny fotoa fohy. Mandehana dieny mbo mana hazava , mba tsy hahafahan'ny hahiky mialoha gnanareo. Zay mandeha amin'ny hahiky la tsy mahay gny lala andehanany. 36 Laha mbo mana gny hazava nareo, la minoa gnan'io mba ho anakin'ny hazava nareo." Jesosy niresaky reo raha reo ka bakeo la tsy hita voho nimpolian-drozy. 37 Ndra la anano famantara maro teo agnatrehan-drozy aza Jesosy , la tsy ninoan-drozy 38 mba ho tanteraky gny safan'Isaia mpaminany, zay niresahany hoe:' Tompo, ia ro nino gny tatitsy, voho ia ro nampisehoa gny sandrin'ny Tompo?" 39 Nohon'io antony io la tsy nino rozy, araky gny voalazan'Isaia hatragny hoe:" 40 Nohajambainy gny fijerin-drozy, voho nihamasiny gny fon-drozy; mifanohitsy amin'io rozy la te-hahita amin'ny fijerin-drozy sady hahazo amin'ny fon-drozy , ka hitoliky , voho Zaho hagnasitrana gnan-drozy." 41 Isaia niresaky reo raha reo fotony hitany gny voninahitr'i Jesosy ka niresaky momba Gnazy. 42 kanefa ndra io aza, la maro tamin'ireo mpanapaky ro nino gnan'i Jesosy , fa noho reo Fariseo , la tsy niaiky gnan'io rozy mba tsy ho voasaka ho ao amin'ny Synagoga. 43 Tian-drozy tokoa gny fandrea bakamin'ny olo noho gny fandrea bakamin-Dranagnahary. 44 Jesosy nikaiky mare ka niresaky hoe:" Zay raiky mino Ahy, ka mino Gnahy raiky avao fa minoa koa Ie zay nagniraky Ahy, 45 sady zay raiky mahita Ahy la mahita Gnazy zay nagniraky Gnahy. 46 Zaho la avy manahaky gny hazava teto amin'izao tontolo zao, mba tsy hitoetra ao agnaty hahiky zay mino Ahy. 47 Laha misy mahare gny safako nefa tsy mitandry gnan'io , la tsy hitsara gnazy Aho; fotony Aho tsy avy hitsara zao tontolo zao , fa hagnavotsy zao tontolo zao. 48 Zay manda Gnahy voho tsy mandramby gny safako, la mana raiky zay mitsara gnazy. Gny safa zay niresahako hitsara gnazy amin'ny andro farany. 49 Fa Zaho tsy miresaky ho Gnahy, fa gny Baba zay nagniraky Gnahy, zay nagnome Gnahy gny lily amin'izay ho resahy voho ho volagny. 50 Haiko fa gny liliny la fiaigna mandrakizay , ka zay resahako_ la resahako araky zay nambaran'ny Baba tamiko."