Toko faha 11

1 Sady nisy johary raiky narary atao hoe Lazarosy. Bakao Betania ie, tanan'i Maria voho Marta rahavaviny. 2 Maria ro nagnosotsy menaky magnitsy gny Tompo voho nagnalio gny tombony tamin'ny volony, sady Lazarosy anadahiny ro narary. 3 Sady reo mpirahavavy nagniraky olo ho agny amin'i Jesosy, niresaky hoe:" Tompo, jereo , fa marary gny teanao." 4 Lafa ren'i Jesosy io, la hoy Ie hoe:" Tsy fahafatesa ro hiafaran'ny toy arety toy , fa koa fanehoa gny voninahitsin-Dranagnahary mba hanandrata gny Anakin-Dranagnahary amin'ny alalan'io." 5 Sady Jesosy la tia gnan'i Marta voho gny rahavaviny voho Lazarosy. 6 Ka lafa nahare Jesosy fa marary Lazarosy, la mbo nijano roa andro tao amin'ny toera nisy Gnazy Ie. 7 Voho tafaran'io, la niresaky tamin'ireo mpianatsy Ie hoe:" Andeha tsika ho agny Jodia ndraiky." 8 Hoy reo mpianatsy taminy hoe:" Raby, amin'izao la magniry gny hitora-bato Gnanao reo Jiosy, ka mbo himpoly ho agny ndraiky va Iha? 9 Ka namaly Jesosy hoe:" Tsy folo roamby ora va gny fahazavan'ny andro? Laha misy olo mandeha amin'ny andro mazava , la tsy ho tafintohy ie, fotony mahajery gny fahazavan'izao tontolo zao. 10 Kanefa , laha mandeha amin'ny haly ie , la ho tafintohy fotony tsy aminy ao gny fahazava." 11 Niresaky reo raha reo Ie, sady tafaran'ireo raha reo, la hoy Ie tamin-drozy hoe:" Azon-droro Lazarosy namantsika, fa handeha Aho mba hahafahako mamoha gnazy amin'ny rorony." 12 Ka hoy reo mpianatsy taminy hoe:" Tompo, laha azondro ie, la soa." 13 Kanefa Jesosy niresaky gny fahafatesany, fa zao niheverin-drozy fa fialan-tsasatsy amin'ny roro ro niresahany. 14 Bakeo Jesosy niresaky tsotsa tamin-drozy hoe:" Maty Lazarosy." 15 Mazoto Aho, noho gny aminareo, fa tsy tagny Aho mba hahatonga gnanareo hino. Andeha tsika ho agny aminy." 16 Tomasy, zay atao hoe Didymo, la niresaky tamin'ireo mpianatsy namany hoe:" Andeha koa tsika mba hiara-maty amin'i Jesosy." 17 Lafa avy Jesosy , la hitany fa fa nalevy efats'andro tao am-pasana Lazarosy. 18 Sady Betania la fa mariniky gnan'i Jerosalema, eo amin'ny folo limy amby stadio eo ro elagnelany. 19 Maro reo Jiosy avy tao amin'i Marta voho Maria, mba hampahery gnan-drozy noho gny fahafatesan'ny anandahin-drozy. 20 Bakeo Marta , laha nahare fa avy Jesosy , la nandeha nitsena Gnazy, fa Maria koanipetraky tantrano tao. 21 la niresaky tamin'i Jesosy Marta hoe:" Tompo, laha teto iha , la tsy maty gny anadahiko. 22 Nefa ndra la amizao aza, la haiko fa ndra ino ino angatahinao amin-Dranagnahary, la hameany Gnanao io." 23 Hoy Jesosy taminy hoe:' Gny anadahinao la hitsangan-ko velo ndraiky." 24 Marta niresaky taminy hoe:" Haiko fa hitsanga ndraiky ie amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany." 25 La hoy Jesosy taminy hoe:" Zaho ro fanangana gny maty voho fiaigna; zay , mino Ahy,,ndra la maty aza ie, la ho velo; 26 voho ndra ia ia velo ka mino Ahy la tsy ho maty mandrakizay. Mino gnan'io va iha? 27 Hoy ie taminy hoe:" Eny, Tompo, mino aho fa Iha ro Kristy, Anakin-Dranagnahary, gny ho avy eto amin'izao tontolo zao." 28 Lafa voalazany io, la lasa ie nikaiky mangingina gnan'i Maria rahavaviny. Hoy gnataony :" Avy gny Mpampianatsa ka mikaiky gnanao ie." 29 Lafa ren'i Maria io , la nitsanga malaky ie na nagnagnaminy agny. 30 Sady Jesosy mbo tsy avy tao an-tana fa mbo teo amin'iizay toera nihaonan'i marta taminy avao . 31 Nohon'io reo Jiosy , zay niaraky taminy tao an-tragno voho nampahery gazy, lafa nahita gnan'i Maria nitsanga malaky ka lasa niboaky , ka nagnaraky gnazy, nihevitsy fa handeha hitagny agny amin'ny fasana ie. 32 Lafa avy teo amin'ny toera nisy gnan'i Jesosy Maria ka nahita Gnazy, la niankohoky ie sady niresaky taminy hoe:" Tompo, laha teo iha, la tsy maty gny anadahiko." 33 Lafa nahita gnazy nitagny Jesosy, voho reo Jiosy niaraky taminy koa , la vonto gny fanahiny voho velon-kolitsy Ie; 34 la hoy Ie hoe:" taia ro nandevegnanareo gnazy?" La hoy rozy taminy hoe:" Tompo , avia voho jereo." 35 Nitagny Jesosy. 36 Bakeo hoy reo Jiosy hoe:' Jereo gny habevatan'ny fitiavany gnan'i Lazarosy!" 37 Fa gny sasany tamin-drozy niresaky hoe:" Moa va tsy hainy toy johary toy, zay nampahita gny mason'ilay jiky, gny manao zay tsy ho nahamaty toy johary toy koa?" 38 Bakeo ndraiky Jesosy, laha mbo vonto gny fagnahiny, la nagnegny amin'ny fasana . Sady Zohy io, voho misy vato magnaro gnazy. 39 Hoy Jesosy hoe:' Alao hiala gny vato." Marta , anabavin'i Lazarosy , gny maty, niresaky tamin'i Jesosy hoe:' Tompo, fa mantsy gny vatany laha amin'izaoro nahafatesany." 40 Sady Jesosy niiresaky taminy hoe:" tsy fa niresahako gnanao va fa , laha mino iha, la ho hitanao gny voninahitsin-Dranagnahary?" 41 La nalan-drozy gny vato. Jesosy nanandratsy gny fijeriny ka niresaky hoe:" Baba o, misaotra Gnanao Aho fotony nijanjy Gnahy Iha. 42 Haiko fa mijanjy Gnahy mandrakariva Iha, fa noho gny vahoaky mijoro magnodidy Gnahy ro niresahako gnan'io, mba hahafahan-drozy mino fa Iha ro nagniraky Gnahy." 43 Lafa baka niresaky gnan'io Ie, la nikaiky tamin'ny feo mare hoe:" Lazarosy, miboaha!" 44 Niboaky gny johary maty; nisy fehim-paty gny tombony voho gny tagnany, voho voafehy siky koa gny tarehiny. Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Vahao ie sady engao handeha." 45 Bakeo maro tamin'ireo Jiosy zay avy tao amin'i Maria voho nahajery gny nataon'i Jesosy ro nino Gnazy; 46 Fa gny sasany tamin-drozy koa lasa nandeha nagnagny amin'ny Fariseo ka niresaky tamin-drozy gny raha nataon'i Jesosy. 47 Bakeo gny lohan'ny mpisoro voho gny Fariseo namory gny Synedriona niaraky voho nanao hoe:" Ino ro hataontsika? Toy johary toy la manao famantara maro. 48 Laha engantsika amin'izao Ie, la hino Gnazy gny maro; ka ho avy gny Romana hangalaky gny tanantsika voho gny firenentsika." 49 Kanefa , nisy johary raiky tamin-drozy, Kaiafa, zay mpisorobe tamin'io tao io, nanao tamin-drozy hoe:" Nareo la tsy mahay na ino ino . 50 Tsy mieritseritsy zao nareo fa soa ho ganareo laha johary raiky ro maty ho gnan'ny olo toy zay gny firenena manontolo ro ringa." 51 Sady zay niresahiny la tsy nataony ho gnazy avao. Fa koa, noho ie mpisorobe tamin'io tao io, la naminany fa tokony ho maty ho gnan'ny firenena Jesosy; 52 sady tsy ho gnan'ny firenena avao koa, fa mba hampiray gny Anakin-Dranagnahary zay niparitaky koa. 53 Ka nanomboky tamin'io andro io la nanao tetiky gny fomba hamonoa gnan'i Jesosy rozy. 54 Sady Jesosy tsy nandeha niharihary tegny amin'ireo Jiosy sasy, fa niala teo Ie nagnagny amin'ny tany agnilan'ny efitsy ho agny an-tana atao hoe:" Efraima.Ka nipetraky tao Ie voho reo mpianatsy. 55 Sady fa mariniky gny Pasky gny Jiosy, ka maro tamin'ireo ivelan'ny tana ro niakatsy tao Jerosalema mialohan'ny paska mba hagnadio gny vatan-drozy. 56 Nila gnan'i Jesosy rozy, voho nijoro teo amin'ny Tempoly nifampiresaky hoe:" Ino ro eritseritsareo? Hoe tsy ho avy amin'ny andro firavoravoa va Ie? 57 Sady fa nagnome baiko gny lohan'ny mpisoro voho fariseo fa laha misy mahay gny misy gnan'i Jesosy , la tokony milaza ie mba hanamboran-drozy Gnazy.