Toko 1

1 Tamy gny tao faharoe najakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahaeny gny vola ,tamin'ny andro voalohan'ny vola,la avy tamin'ny alalany gny tagnan'i Hagay mpaminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda,anakilahin'i Sealtiela, sady teo amin'i Josoa mpisoro be anaky lahin'i Jozadaka gny safan'i Yaveh,nanao hoe:" 2 Yaveh tompo gny maro milaza iazao: Zao ro nosafagnin'ireo vahoaky reo:" tsy andro hiaviantsika na hagnoregnantsika tragno ho gnan'i Yaveh zao" 3 Bakeo la tamin'ny alalan'ny tagnan'i Hagay mpaminany gny safan'i Yaveh ,nanao hoe:" 4 Fotoa hipetrahanareo misy valin-drihana va zao, kanefa rava toy tragno toy? 5 Ka henanizao Yaveh Tompon'ny maro misafa zao: Diniho reo fombanareo! 6 Namafy voa lako nareo, fa ninjinja voa kely; nihina nareo nefa afa-po;nino nareo fa tsy mamo. Nisiky akanjo nareo fa tsy afaky nagnafana gny vatanareo, sady gny mpikarama la handramby drala hatao ao agnaty kitapo feno loaky ! 7 Zao ro safan'i Yaveh Tompon'ny maro:"Diniho gny lalanareo! 8 Mangania agny an-tendrombohitsy, magnandesa hazo, sady aoreno gny tragnoko;la hazoto amin'io Zaho, sady homem-boninahitsy Zaho! hoy i Yaveh." 9 nanantena bevata nareo ,kanefa ingo kelikely ;sady lafa nataonareo ,la nitsofoko.Nagnino hoy i Yaveh Tompon'ny maro. Fotony fa rava gny tragnoko ,nefa nareo samby nagnia hamboatsy gny tragn onareo iaby. 10 Nohon'io la agnaminareo ro hijanognany gny lagnitsy tsy hampilatsaky gny ando voho hijanognany gny tany tsy hamokatsy. 11 nikaiky hain-tany teo amy gny tany voho teo amin'ireo tendrombohitsy, teo amy gny vary voho teo amy gny divay vaovao,teo amy gny diloilo voho teo amy gny vokatsy gny tany,teo amy gny olo voho teo amin'ireo biby,sady teo amin'ireo asan'ny tagnanareo manontolo Zaho!" 12 Sady Zerobabela anaky lahin'i Sealtiela, voho i Josoa mpisoro be anaky lahin'i Jozadaka,miaraky amin'ireo olo sisa tavela,la nakanto gny fenon'i Yaveh Ndranagnahariny voho safan'i Hagay mpaminany, araky gny fa nagnirahan'i Yaveh Ndranagnahariny azy,sady natahotsy hagnatsiky gnan'i Yaveh gn'olo. 13 Sady hoy Hagay,lay mpanday gny hafats'i Yaveh, la nil;aza gny hafats'i Yaveh tamin'ny olo nanao hoe:"Miaraky aminarepo Zaho!@_Io ro fagnambaran'i Yaveh!" 14 Ka nagnetsiky gny fagnahin'i Zerobabela anaky lahin'i Sealtiela,governoran'i Joda ,voho gny fagn ahin'i Josoa mpisoro be anaky lahin'i Jozadaka , voho gny fagnahin'ireo olo sisa tavela iaby i Yaveh,mba handeha rozy ka hiasa gny tragnon'i Yaveh Tompon'ny maro,Ndranagnahariny, 15 tamin'ny andro faha roapolo efatsamby vola fahaemny ,tamin'ny tao faharoe nanjakan'i Dariosa mpanjaka.