Toko faha 37

1 Bezalila nanao lay fiara tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho vo sasany gny halavany; raiky hakiho vo sasany gny velarany; sady raiky hakiho vo sasany gny hahabony. 2 Nagnaro izay tao agnatiny vo tao ivelany ie nisondry tamin'ny volamena tsy mifangaro sady nanao izay ho sisim-bolamena magnodidy gny tampony. 3 Nanefy mason-drojo volamena efatsy ie ho an'ny tombony efatsy, niaraky tamin'ny mason-drojo roa tamin'ny ilany raiky, sady mason-drojo roa tamin'ny ilany hafa. 4 Nataony tamin'ny hazo akasia gny bao sady nagnaro izay tamin'ny volamena ie. 5 Nametraky lay bao tao amin'ny mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara ie, mba hilanja gny sambo fiara. 6 Nanao saronam-pagnavota volamena tsy miharo ie. Roa hakiho vo tapany gny halavany, sady raiky hakiho vo tapany gny sakany. 7 Bezalila nanao kerobima volamena roa ho an'ny tendron'ny saronam-pagnavota roa. 8 Gny Kerobima raiky la ho an'ny tendron'ny saronam-pagnavota raiky sady gny Kerobima raiky hafa la ho an'ny tendron'ny saronam-pagnavota raiky hafa. Natao ho ampahany raiky avao reo miaraky amin'ny saronam-pagnavota. 9 Namelatsy reo elany lay Kerobima sady nanakona gny saronam-pagnavota niaraky tamin'ireo. Mifagnatriky vo mitoliky agny agnivon'ny saronam-pagnavota reo Kerobima. 10 Bezalila nanao gny latabatsy vita tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho vo tapany gny halavany, raiky hakiho vo tapany gny sakany, sady raiky akiho vo tapany gny hahabony. 11 Nandrakotsy zay tamin'ny volamena tsy mifangaro izay tamin'ny volamena tsy mifangaro ie sady nametraky sisim-bolamena tsy mifangaro nagndidy vodivoam-pelatagnany raiky iaby ie, niaraky tamin'ny sisim-bolamena nagnodidy lay rafitsy. 13 Nanefy mason-drojo volamena efatsy ho an'izay sady namatotsy reo mason-drojo tamin'ireo zorony efatsy, zay nisy reo tombony efatsy. 14 Voafatotsy tamin'ny reo zorony afatsy reo mason-drojo, mba hagnomeza toera ho an'ireo bao, mba hilanja lay latabatsy. 15 Nanao reo bao tamin'ny hazo akasia ie sady nagnaro reo tamin'ny volamena, mba hilanja lay latabatsy. 16 Nanao reo fanaky zay hapetraky eo ambonin'ny latabatsy ie__reo finga, sotro, finga jobo, vo reo fipetrahan-divay mba hampiasa handraraha reo fanatitsy. Nataony tamin'ny volamena tsy mifangaro reo. 17 Natao tamin'ny volamena tsy mifangaro lay fipetrahan-jiro. Natao niaraky tamin'ny faladiany vo gny tahony gny fipetrahan-jiro. Gny kapoakiny, gny kiboribory, sady gny hazo la natao ampahany raiky aminy. 18 Nisy sampany eny niboaky bakamin''ireo sisiny__sampany telo niboaky tamin'ny sisiny raiky, sady sampany telo hafa ro niboaky amin'ireo sisiny amin'ny fipetrahan-jiro. Gny sampany voalohany la nana kapoaky telo vita manahaky gny felan'ny amandia mamelatsy, miaraky amin'ny kibory raiky vo hazo raiky. 19 Sady kapoaky telo natao manahaky gny amadia mamelatsy tamin'ny sampany raiky hafa miaraky tamin'ny raiky hafa, miaraky amin'ny kibory raiky, vo hazo raiky. La manahaky zay iaby ho an'ireo sampana eny niboaky bakamin'ny fipetrahan-jiro. 20 Eo amin'ny fipetrahan-jiro, teo amin'ny tahony agnivony , la nisy kapoaky afatsy natao manahaky gny amandia mamelatsy, niaraky tamin'ny kiborin-drozy vo reo hazo tamin'ny kibory raiky tao ambanin'ny sampana roa voalohany__zay natao raiky aminy, sady kibory raiky tao ambanin'ny sampana roa faharoa__natao raiky aminy avao koa izay. Tamin'ny fomba mitovy la nisy kibory raiky tao ambanin'ny sampany roa hafatelo, natao raiky aminy. Sady manahaky izay koa reo samapany eny niboaky tao amin'ny fipetrahan-kiro. 22 Gny kibory vo gny sampan-drozy la raiky aminy, sombin'asam-bolamena tsy miharo raiky. 23 Bezalila nanao gny fipetrahan-jiro vo gny jiro fiton'ireo, gny fipetrahan-davenaky volamena tsy mifangaron'ireo. 24 Nanao gny fipetrahan-jiro vo reo fitaova miaraky tamin'ny talenta volamena raiky tsy mifangaro ie. 25 Bezalila nanao gny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy. Nanao izay tamin'ny hazo akasia ie. Raiky hakiho gny halavany, sady raiky hakiho gny velarany. Efa-joro izay, sady roa hakiho gny hahabony. Gny tandrony la natao manahaky raiky aminy. 26 Nandrakotsy gny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy tamin'ny volamena malio ie__gny tampony, reo sisiny, sady reo tandrony. Nanao sisim-bolamena magnodidina ho an'izay avao koa ie. 27 Nanao mason-drojo volamena roa ie mba hamatora izay ao ambanin'ny sisiny eo amin'ny sisiny roa mifanandrify aminy. Reo mason-drojo la natao hitazo reo bao mba hilanja gny alitara. 28 Nataony tamin'ny hazo akasia reo bao, sady nandrakotsy reo tamin'ny volamena ie. 29 Ie la nagnamboatsy gny menaky fanosora masy vo gny fofo tsy mifangaron'ny ditin-kazo magnitsy, zay asan'ny mpanao raha magnitsy.