Toko faha 33

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Miala etoa, iha voho gn' olo nandesinao niboaky baka Egypta agny reto. Mandehana agny ami-gny tany nanaovako fampanantena tamin' i Abrahama, Tamin' i Isaka, ndraiky tamin' i Jakoba, lafa nivola zaho hoe: ' Ameako ho gn' any taranakao toy. 2 Hagniraky anjely agn 'atrehanao Zaho, voho handroaky gnan' ireo Kananita, Amorita, Perisita Hivita voho Jebosita. 3 Mandehana amign' izay tany zay, hitetezan-dronono voho tantely, fa tsy hiaraky amin' areo zaho, fotony fokonolo mahery loho nareo. Mety handrava gnanareo andala egny Zaho. 4 Ka lafa niJany gny fokonolo gny safa nanahiran-tsay reo, la nalahelo rozy, ndraiky tsy nisy nanisy ravavaky sasy. 5 Yaveh nivola tamin' i Mosesy hoe: " Volagno ami-gny Israelita hoe: ' fokonolo mahery loha nareo. Laha mandeha agnaminareo zaho na fotoa raiky aza, la handringa anareo zaho, alao gny ravak' areo mba ahafahako manapak' evitsy ami-ze tokony hatao aminareo."' 6 La tsy niravaky gny Firavaky gny Israelita Baka am-bohitsin' i Horeba tagny. 7 Nandramby lay i Mosesy ndraiky nagnamboatsy any zay ambaliky toby, lavidavitsy kely gny toby. Nikaihiny hoe gny tragno lay fivoria. Reo iaby ze nangataky raha tamin' i Yaveh ro miboaky ka mandeha ami-gny tragno lay fivoria, ambalikiny gny toby. 8 ka lafa miboaky bakami-gny lay Mosesy, la nitsanga tami-gny filira teo ami-gny lainy avy iaby gny fokonolo ndraiky nagnety an' i Mosesy mandra-pilirany agnatiny ao. 9 Rahona ndraiky nitsanga tami-gny filira ami-gny lay ao, la nisafa tamin' i Mosesy i Yaveh. 10 Isaky gny mahajery any zay andry rahona zay ami-gny filira ami-gny lay gny fokonolo, la niary voho nanompo, gn' olo iaby gny filira ami-gny lainy regny. 11 Yaveh la nisafa nifagnatriky tarehy tami' i Mosesy, manahaky gn' olo misafa ami-gny namany. La nimpoly tan-toby agny Mosesy, fa i Jesoa mpanompony gn' anak' i Nona, zay tanora, la nijano tagnamin' ny gny lay. 12 Hoy mosesy tamin' i Yaveh:" Ingo, Iha nivola tamiko hoe:' Andeso mandeha olo reo , fe iha tsy nagnenga ahy hahay hoe ia ro iarahanao hiaraky amiko. Nivola iha hoe: ' Zaho mahay anao ami-gnagnara, ndraiky nahajery hatea ta masoko koa iha. 13 Androany laha nahajery hatea ta masonao zaho, atoro ahy gny lalanao mba ahafahako mahay Anao ndraiky hanohy hila hatea amasonao. Tiavo fa fokonolonao intoy firenena toy." 14 Yaveh namaly hoe: " Gny fagnatrehako tokoa ro hiaraky aminao, voho zaho hagnomea anao fijanogna." 15 Hoy mosesy taminy : "Laha tsy miaraky aminy Iha, la ka alanao etoa rahay. 16 Fa laha tsy zay, manahoa moa ro hahaiza fa mahita hatea ta masonao zaho, zaho ndraiky gny fokonolonao? Moa va tsy gny fandehahanao miaraky aminay avao ro mampiavaky ahy voho reo fokonolonao ami-gny firenena iaby ambonin' i tany?"' 17 Hoy Yaveh tamin' i Mosesy: " Ataoko avao koa raha nangatahinao zay, fa nahita hatea ta masoko iha, ndraiky mahay anao ami-gnagnara zaho." 18 Hoy i Mosesy:" Mba atoro ahy lahy gny voninahitrao. 19 Hoy Yaveh:" Ampandalovako agnatrehanao gny hasoako iaby, ndraiky Zaho hagnambara gnagnarako ' Yaveh ' agnartehanao. Hiantra ze hiantrako zaho, ndraiky haneho famindram-po ami-gny ze hanehoako famindram-po." 20 Fa hoy Yaveh :" mety tsy hahajery gny tarehiko iha, fotony tsy misy afaky mahajery Ahy ka ho velo." 21 Hoy Yaveh:" Ingo, intoy toera agnilako eto toy; hitsanga amboniny vatolampy io iha. 22 Laha mbo mandalo gny voninahiko, la apetrako an-tsefaky gny vatolampy iha ndraiky horakofako ami-gny tagnako Iha mandraky andolovako. 23 La halako gny tagnako, ndraiky ahita gny ambohoko iha, fa tsy ho hita gny tarehiko."