Toko faha 20

1 Ndranagnahary nisafa zao teny iaby zao: 2 " Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinao, zay nanday gnanao niboaky avy tany amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny tragno fagnandevoza. 3 Ka mana Ndranagnahary hafa fa zaho avao. 4 Ka manao sarin-jaha voasokitsy ho gnanao na ho endriky gny raha egny amin'ny lagnitsy agnabo, na zay etoy amin'ny tany ambany, na zay agny amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Ka miankohoky eo agnatrehany sady ka manompo gnazy, fa Zaho, Yaveh Ndranagnaharinao, la Ndranagnahary saropiaro. Ka gny haratsiam-pagnahin'ny razanao la valiako agny amin'ny avorohotanao, la gny anaky vo gny zafiafin'ireo zay malay gnahy. 6 Nefa koa maneho tsy fivadoham-pagnenkena amin'ny olo arivo mandimby zay tia Gnahy ka mitandry reo liliko Zaho. 7 Ka manono fahatany gny agnaran'i Yaveh Ndranagnaharinao, fa Zaho la hiampanga reo zay manono fahatany gny agnarako. 8 Tiarovo gny andro Sabata, mba hano kana zay ho Gnahy. 9 Ao hataonao agnatiny enign'andro gny asa aman-draharaha iaby. 10 Fa gny andro fahafito la Sabata gnan'i Yaveh Ndranagnaharinao. Amin'izay la tsy tokony hisy asa atao, na gny anakao lahy, na gny anakao ampela, na gny mpanompo lahinao, na gny mpanomponao ampela, na gny biby fiharenao, na reo mpivahiny zay militsy agnatin'ny vavahadinao. 11 Fa agnatiny gny enign'andro Yaveh ro nanao gny tany vo gny lagnitsy, gny ranomasy, sady gny raha iaby zay ao agnatin'izay sady nitsahatsy tamin'ny andro fahafito. Noho zay Yaveh la nitahy gny andro Sabata ka nanoka zay. 12 Magnaja gny babanao vo gny reninao, mba ho lava andro iaigna iha eo amin'ny tany zay omen-Dranagnahary gnanao. 13 Ka manono olo. 14 ka mijanganjanga. 15 Ka mangalatsy agny amin'ny olo. 16 Ka mijoro vavolombelo tsy marina manohitsy gny namanao. 17 Ka migniry gny tragnon'ny namanao, ka magniry gny valin'ny namanao, gny mpanompo lahiny, gny mpanompo vaviny, gny ombiny, gny borikiny, na zay iaby hanagnan'ny namanao. 18 Sady gny olo iaby nahare gny kotrok'ora vo gny helatsy, sady nahare gny feon'ny trompetra, sady nahita gny tendrombohitsy nagnetroky. Lafa nahita zay gny olo, la nangitikitiky rozy sady nijoro avy lavitsy. 19 Hoy rozy tamin'ny Mosesy hoe: " Mivolagna agnaminay, sady janjigno rahay; fa ka enga hisafa agnaminay Ndranagnaharym fa mandrary ho maty rahay." 20 Hoy Mosesy tamin'ny olo hoe: " Ka matahotsy, fa Ndranagnahary la avy hitsapa gnanareo mba ho agnaminareo gny voninahiny, sady mba tsy hagnontanareo." 21 La nijagno teny lavitsa tegny gny olo, sady Mosesy nagnato gny aizim-pito zay nisy an-Dranagnahary. 22 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Zao ro tsy maintsy safagninao amin'ny Israelita: ' Nareo fa nahita fa tagny an-dagnitsy zaho ro nisafa tagnaminareo. 23 Nareo la tsy tokony hanao Ndranagnahary hafa misondry agnamiko, na Ndranagnahary valafoty na reo Ndranagnahary valamena. 24 Tokony hanao alitara tany ho gnahy nareo, sady tokony hanao soro amin'ny fanatitsy oroa eo agnabony, fanatitsy fiombogna, ondry, sady omby. Eo amin'ny toera zay nofiliko ho gnanareo hanomezako voninahitsy Gnahy. 25 Laha hanao alitara vato ho gnahy hianareo, la ao tsy ho vato voapaiky ro hanaovanareo gnazy, fotony laha hampiasa gny fitaovanareo aminy nareo, la handoto zay. 26 Ka miakatsy amin'ny ambaratonga ho eo amin'ny alitarako; zay la mba tsy hisehoan'ny fitanjahanareo."'