Toko faha 18

1 Nahare gny raha iaby nataon-Dranagnahary tamin'i Mosesy vo gny Israely vahoaky i Jetro, mpisoron'ny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy. Reny fa Yaveh nanday gny Israely niboaky an'i Egypta. 2 Nalan'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy i Zipora, valin'i Mosesy, tafaran'ny nampimpoliany gnazy, 3 Sady reo anany roa lahy; gny agnaran'ny raiky la Gersoma, fotony hoy Mosesy hoe: " Fa vahiny tagny amin'ny tanin'ny firenena hafa zaho." 4 Eliezara kosa ro agnaran'ilay raiky, fotony hoy Mosesy hoe: " Gny Ndranagnahary gny razako ro namonjy gnahy. Nagnavotsy gnahy tamin'ny sabatr'i Farao Ie." 5 Avy nisondry tamin'ny anaky lahin'i Mosesy vo gny valiny tagny amin'i Mosesy tagny an-efitsy zay nivoriany teo an-tendrombohitrin-Dranagnahary i Jetro, rafozan-dahiny. 6 Hoy ie tamin'i Mosesy hoe: " Zaho, Jetro rafozan-dahinao, la avy atoy agnaminao misondry amin'ny valinao vo gny anany roa lahy." 7 Niboaky hitsena gny rafozan-dahiny Mosesy, niankohoky ie, sady nagnoroky gnazy. Nifagnontany fahasalama ie sady nilitsy tao an-day bakeo. 8 Notantarain'i Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny reo iaby nataon'i Yaveh tamin'i Farao vo gny Egyptiana nohon'ny amin'ny Israely, reo aly sarotsy iaby nanjo gnazy teny an-dala, sady gny fomba nanavotan'i Yaveh gnazy reo. 9 La faly Jetro nohon'ny soa iaby zay nataon'i Yaveh tamin'ny Israely, tamin'ny nagnavotany gnazy reo tamin'ny tanan'ny Egyptiana. 10 Hoy Jetro hoe: " Ho hengea anie Yaveh, fotony Ie nagnavotsy gnanao teo an-tanan'ny Egyptiana vo teo an-tanan'i Farao, sady nanafaky gny olo teo am-pelatagnan'ireo Egyptiana. 11 Haiko henanizao fa bevata noho gny Ndranagnahary iaby Yaveh, fotony hatramin'ny nandaisa gny Israelita tamim-piavognavogna gny Egyptiana, la navotan-Dranagnahary gny olony." 12 Nanday fanatitsy oroa sady soro ho an-Dranagnahary i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy. La avy nisafako nisondry tamin'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy, teo agnatrehan-dranagnahary i Arona vo reo loholon'i Israely iaby. 13 Gny hamarainy la nipetraky hatsara gny olo i Mosesy. Nitsanga nagnodidy gnazy gny olo nanomboky gny maraindray ha zisiky hariva. 14 Lafa nahita reo iaby nataon'i Mosesy tamin'ny vahoaky gny rafozan-dahiny, la hoy ie hoe: " Fa ino zao ataonao misondry amin'ny olo? Nagnino ro iha raiky ro mipetraky sady gny olo iaby mitsanga magnodidy gnanao nanombo maraindray zisiky hariva?" 15 La hoy Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny hoe: " Magnatona gnahy gny olo mba hagnotany gny tari-dalan-Dranagnahary. 16 Lafa misy disadisa eo amin-drozy, la zaho ro hovojeny. Zaho ro manapaky hevitry eo amin'ny roa tonta, ka mampagnanatsy an-drozy gny lilin-Dranagnahary vo gny lalany." 17 Hoy gny rafozan-dahin'i Mosesy tagnaminy hoe: " Tsy la mety mare gny raha ataonao. 18 Ho reraky vatany nareo, la iha vo reo olo zay misondry agnaminao. Mavesarsy mare ho gnanao zao zioga zao. Tsy vitanao raiky io. 19 Janjigno zaho. Hanoro hevitsy gnanao zaho, sady Ndranagnahary homba gnanao, fotony iha ro solotegnan'ny olo eo agnatrehan-Dranagnahary, vo manday gny alin-drozy eo aminy. 20 Tsy maintsy hampagnanarinao gnazy reo gny lilny vo lalany. Tsy maintsy hasehonao gnazy reo gny lalana tokony handehanany vo gny asa tokony hatao. 21 Sady koa tsy maintsy mifily johary mahay avy amin'ny olo iaby iha, la johary zay magnome voninahitsy an-Dranagnahary, joharin'ny fahamarina zay tsy tea kolikoly. Tsy maintsy hapetraky ho mpanampaky gny olon-drozy, mba ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, sady folo. 22 Rozy reo ro hitsara gny olo amin'ny raharaha mahazatsy iaby, fa gny tranga saro-baha handesin-drozy agny agnaminao. Gny amin'ireo tranga maliniky, gny tenan-drozy avao la ho afaky hitsara zay. Amin'izay la ho mora hitsara zay. Amin'izay la ho mora agnaminao kokoa, sady rozy hiara-hizaka zay mavesatsy agnaminao. 23 Laha manao zay iha, sady laha Ndranagnahary ro mibaiko gnanao hanao zay, la hahavita iha, sady gny olo iaby afaky holy agny an-tragno amin'ny fahafaham-po." 24 Nojanjignin'i Mosesy gny tenin-drafozany sady nataony iaby zay iaby nosafagniny. 25 La nifily johary soa laza bakagny Israely iaby Mosesy ka nanao gnazy reo ho mpitariky gny vahoaky, la ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, sady folo. 26 Nitsara gny olo tamin'ny tranga tsotra rozy. Reo tranga sarotsy vahana ro nandesiny tagny amin'i Mosesy, fa gny tenan-drozy avao ro nitsara reo tranga maliniky. 27 Ka nagnenga gny rafozan-dahiny handeha Mosesy, sady Jetro noly tagny amin'ny taniny.