Toko faha 17

1 Reo fiarahamonin'Israely iaby la nandeha bakagny amin'ny efitr'i Sina, nagnaraky reo torolalan-Dranagnahary. Nivory tao Refidima rozy, nefa tsy nisy rano ho ninomin'ny vahoaky tao. 2 La nagnome tasiny an'i Mosesy noho zay raha nisy tamin-drozy zay gny vahoaky sady nanao hoe: " Omeo rano gny hinomy rahay." Hoy Mosesy hoe: " Nagnino ro mifanditsy agnamiko nareo?" Nagnino ro mangalaky fagnahy gnan'i Yaveh nareo?" 3 Narandrano mare reo vahoaky, ka nitaray tamin'i Mosesy rozy. Hoy rozy hoe: "Nagnino ro nanday gnanay niakatsy bakagny Egypta iha? Mba hamono gnanay vo reo anaky sady reo biby fiompinay amin'ny arandragno?" 4 La nikaiky mare gnan'i Yaveh i Mosesy hoe: " Ino ro tokony ataoko amy toy vahoaky toy? Fa efa vonona hitoraky vato gnahy rozy." 5 Hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy: " Mandehana eo agnatrehan'ireo vahoaky sady andeso misondry agnaminao reo loholon'i Israely sasany. Andeso misondry agnaminao gny tehy zay namangoanao gny vavarano, sady mandehana. 6 Hijoro eo agnatrehanao agny eo amin'ny vatolampy ao Horeba Zaho, sady hamango gny vatolampy iha. Hisy rano hiboaky amin'izay mba hinomin'ny vahoaky." La nanao zay teo amason'ireo loholon'Israely i Mosesy. 7 Nikaiky zay toera zay hoe Masa vo Meriba noho gny fitaraignan'ireo Israelita ie, sady fa nangalaky gny Tompo rozy tamin'ny nivolagnany hoe: " Eto agnaminay va Yaveh sa tsia?" 8 La avy sady nanafiky gnan' Israely tao Refidina gny tafiky gny vahoaky Amelekita. 9 La hoy Mosesy tamin'i Josoa: " Mifilia johary maromaro sady miboaha. Mialia amin'ny Amekekita. Hamaray la hijoro eo an-tampon'ny havoana misondry amin'ny tehin-Dranagnahary eo an-tagnako zaho." 10 La nialy tamin'ny Amalekita araky gny nandilian'i Mosesy gnazy Josoa, laha niakatsy tao an-tampon'ny havoa kosa Mosesy, Arona, vo Hora. 11 Lafa nananga gny tagnany ho ambony Mosesy, la nandresy Israely; lafa nagnenga gny tagnany hangalaky ay ie, la nanomboky nandresy gny Amalekita. 12 Lafa nihanavesatsy gny tanan'i Mosesy, la nangalaky vato i Arona vo Hora sady nametraky zay tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoa io avao, la nitanjaky gny tagnany ho ambony i Arona vo Hora, gny olo raiky teo agnilany, sady gny olo raiky hafa teo amin'ny ankilany. Sady la voatanjaky mare reo tanan'i Mosesy zisiky hilenteha gny masoandro. 13 La nandresy gny vahoakan'ny Amalekita tamin'ny Sabatra i Josoa. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Soraty amin'ny boky zao ka vakio eo an-tsofin'i Josoa, fotony hamono tanteraky gny fahatiarova gny Amalekita tsy ho eto ambany gny lagnitsy Zaho." 15 La nagnory alitara i Mosesy sady nikaiky zay hoe: " Yaveh ro fanevako." 16 Hoy ie: " Fa gny tana la nasondrotsy ambony ho amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh__fa Yaveh hialy amin'ny Amalekita amin'ireo avorohota afara handimby iaby."