Toko faha 16

1 Nanohy gny lian-drozy bakagny Elima gny vahoaky, sady gny fivondran'ny Israelita la avy tagny amin'ny tany efits'i Sina, izay magnelagnela gnan'i Elima voho Sinay, tamin'ny andro fahadimy tamin'y vola faharoa tafaran-drozy baka ao amin'ny tany Egypta. 2 Nitoreo noho i Mosesy voho Arona gny fikamban'ny Israelita iaby tany an'efitsy. 3 Sady hoy gny Israelita tamin-drozy hoe: " Laha mba matin'ny tagnan'i Yaveh tany amin'ny tany Egypta mantsy tsika tamin'ny nifitahantsika teo agnilan'ireo vilanin-kena ka nijabo mofo la voky. Fa nandesinao niboaky ho atoy amy toy tany efitsy toy rahay mba hahafaty mosare gny fikambananay iaby. 4 Bakeo i Yaveh niteny tamin'ny Mosesy hoe: " Hantsaky mofo bakagny an-dagnitsy ho gnanareo Zaho. Hiboaky reo olo sady hamory gny apy hohaniny isan'andro mba hahafahako mitsapa gnazy reo, hahitako raha handeha araky gny lalako rozy na tsia. 5 Sady amin'ny andro faheny, rozy la hamory indroa mihoatsy am'izay fa namorian-drozy isan'andro teo aloha, ka hiketriky zay ho andesin-drozy." 6 Bakeo la nisafa tamin-drozy vahoakan'Israely i Mosesy vo Arona hoe: " Androany hariva la ho hainareo fa Yaveh ro namoaky gnanareo bakao amin'ny tany Egypta. 7 Gny maraindry la hahajery gny voninahitr'i Yaveh nareo, fa Ie mahare gny fitaraignanareo nohon'ny Aminy. Ia moa rahay ro la mampitoreo gnanareo?" 8 Hoy koa Mosesy hoe: " Ho hainareo zay lafa hamean'i Yaveh hena nareo gny hariva sady sakafo gny maraindray mba ho voky __fotony gny regny gny tareony zay ambaranareo nohon'ny Aminy. Mba ia moa zaho vo Arona? Tsy manohitsy gnanay gny fitaraignanareo; fa manohitsy an'i Yaveh." 9 Mosesy nisafa an'i Arona hoe: " Ambarao amin'ny gny fikambanan'ny vahoakan'Israely iaby hoe: ' Magnatona eo agnatrehan'i Yaveh, fa reny gny fitaraignanareo."' 10 Sady nisafa tamin'ny fikambanan'ny vahoakan'Israely iaby i Arona, la nijery nagnatriky gny tany an'efitsy rozy, sady ingo, niseho tamin-drozy tegny amin'ny raho gny voninahitr'i Yaveh. 11 La niresaky tamin'i Mosesy Yaveh sady nanao hoe: 12 " Fa jako gny fitaraignan'ireo vahoakan'Israely. Sady miresaky amin-drozy ka volagno hoe: ' Hihinan-kena nareo gny haliky, sady ho vokisa mofo nareo gny maraindray. La ho hainao fa zaho lay Yaveh Ndranagnaharinareo."' 13 Sady lafa hariva la nisy papelika niakatsy vo nandrakotsy gny toby. Gny maraindray la niroro magnodidy gny toby gny ando. 14 Lafa lasa gny ando, la nisy vongambongan-jaha manify toa fanala teo amin'ny tany tamin'ny faritsy gny efitsy. 15 Sady lafa nahajery zay gny vahoakan'Israely, la nifagnontany rozy hoe: ' Ino io?" Tsy haindrozy hoe ino lay raha. La hoy Mosesy tamin-drozy: " Io ro mofo zay nomen'i Yaveh hohanina. 16 Zao ro lily zay nomen'i Yaveh: " Ao gny kiraidraiky agnaminareo hamory zay ampy hohaninareo, la gny fatran'ny gomara raiky isan'ny vahoakanao. Manahaky zao ro hamorianao zay: Mamoria zay ampy hohanin'ny olo kiraidraiky zay mipetraky ao agnaty lainao." 17 Sady nataon'ireo vahoakan'Israely zay. Gny sasany namorognany maro, sady gny sasany namory vitsy. 18 Laha nafatran-drozy taminy gomara famarana, zay reo zay namory maro la tsy nisy ambiny, sady zay namory kely la nana gny ampy. Gny olo kiraidraiky la namory zay ampy ho gnan'ny filany. 19 La hoy Mosesy tamin-drozy: "Ao tsy hisy hagnenga sisa amin'izay mandra-piavia gny maraindray." 20 Na zay aza, la tsy nijanjy an'i Mosesy rozy reo. Nisy sasany tamin-drozy ro nagnenga sisa tamin'izay mandra-maray, fa niboaky olitsy vo lasa maimbo zay. 21 La nanjary neloky tamin-drozy reo Mosesy. La navorin-drozy isaky maraindray zay. Samy namory gny ampy gnazy gny olo kiraindraiky mba hohany tamin'io andro io. Lafa nahamay gny masoandro, la rava zay. 22 Sady tamin'ny andro faha eny la namory mofo indroa mihoatsy isan'olo rozy, gomara roa isan'olo. Gny lehiben'ny fikambana iaby la nagnato sady nisafa zay tamin'i Mosesy. 23 Sady hoy ie tamin-drozy hoe: " Zao ro voavolan'i Yaveh: 'Fijanogna masy hamaray, Sabata masy ho fanaja gnan'i Yaveh. Handaso zay tianareo hendasy, sady ketreho zay tianareo hoketrehy. Sady hajario ho gnanareo, hatramin'ny maraindray gny ambiny iaby amin'izay."' 24 La nampirimin-drozy zisiky maraindray zay, araky zay nandidian'i Mosesy. Sady tsy maimbo zay, na nahita olitsy tagnaminy. 25 Hoy Mosesy: " Hano henanio reto sakafo reto, fa henanio la andro voatoka ho Sabata mba hanaja gnan'i Yaveh . Sady henanio la tsy hahita zay agny am-baibo nareo. 26 Sady hamory zay agnatiny gny enign'andro nareo, fa gny andro fahafito la andro Sabata. Gny andro Sabata la tsy hisy mana. 27 Sady tamin'ny andro faha fito la maro reo olo ro nandeha niboaky namory mana, fa tsy nahita na ino na ino rozy. 28 Sady hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " zisiky mbia ro handavanareo hitandry reo liliko vo reo lalako? 29 Ingo, nomen'i Yaveh nareo gny andro Sabata. Sady amin'ny andro faheny la hagnome gnanareo reo mofo agnatiny gny roa andro ie. Ao hijagno eo amin'ny fipetraha misy gnazy bakam'ireo; tsy misy mahazo mivoaky eo amin'ny toera misy gnazy amin'ny andro fahafito." 30 Noho zay la nitsahatra tamin'ny andro fahafito gny vahoaky. 31 " Mana" ro nikaihan-drozy vahoakan'Israely zay sakafo zay. Foty manahaky gny voan-drafy reo, sady mana tsairo manahaky gny koriandra manify misy tantely. 32 Hoy Mosesy: " Zao ro lilin'i Yaveh: ' Ao hisy mana raiky gomara ho voahajary zisiky gny avorohota gny vahoakanao, mba hahita reo mofo namahanako gnanareo tagny an'efitsy gny avorohotanareo, tafaran'ny nitondrako gnanareo niboaky bakagny Egypta."' 33 Sady hoy Mosesy tamin'i Arona: " Mangala valagny sady asio mana raiky gomara ao. Atovo eo agnatrehan'i Yaveh zay mba ho voahajary zisiky gny avorohota gny vahoaky." 34 Araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy, la nihajarin'i Arona tamin'ny lalan'ny fagnekena tao agnaty fiara zay. 35 Nihina mana agnatiny efapolo tao gny vahoakan'Israely zisiky iavian-drozy agny amin'ny tany misy mponina. Nihina zay ie reo zisiky iavian-drozy teo amin'ny sisin-tanin'ny tany Kanana. 36 Sady gny gomara raiky la mitovy ampahafolon'ny efaha raiky.