Toko faha 13

1 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh hoe: 2 Avaho ho gnahy gny teraky voalohany iaby,reo talagnolo iaby ao amin'ireo Israelita, ndra olo ndra biby. Gnahy reo talagnolo." 3 La hoy Mosesy tamin'ny gny gnolo maro hoe: "Tiarovy voho ankalazao zao andro zao, la gny andro zay niboahanareo baka amy tany Egypta, baka amy tragno fagnadevoza, fotony tamy tagna maherin'i Yaveh ro nagnandesany anareo niboaky bakao amn'io toera io.Tsy misy mofo misy lalivay azo hany. 4 Hivoaky an'i Egypta amy toy andro toy nareo, amin-gny safan'i Abiba. 5 Lafa andesin'i Yaveh ao amin-gny tanin-gny Kananita, Hitita, Amorita, Hivita, sady gny Jebosita, gny tany zay nianiagnany tamin'ireo razanareo hameny anareo, la gny tany tondra-dronono voho tantely__la tsy maintsy hitandry izay fomba fivavahany izay nareo amin'io vola io. 6 Agnatiny fito andro la tsy maintsy mijabo mofo tsy misy lalivay nareo; amin-gny andro fahafito la hisy andro fisinisinia mba hanomezam-boninahitsy gnan'i Yaveh. 7 Mofo tsy misy lalivay ro tsy maintsy hojabo mandritra gny fito andro; tsy tokony hisy mofo misy lalivay akory hita eo agnaminareo. Tsy misy lalivay tokony ho hita misondry agnaminareo ao anatin-gny sisin-taninareo. 8 Amy zay andro zay la hisafa amin'ireo anakao iha hoe: ' Zay la noho zay nataon'i Yaveh tagnamiko lafa niboaky tagny Egypta zaho'. 9 Zany la ho fampahatiarova ho nareo eo amin'ny tananareo, sady fampahatiarova eo amin'ny handrinareo. Zay la mba ho eo am-baranareo gny lalan'i Yaveh, fa tamin'ny tana maherin'i Yaveh ro nanandesany anareo niboaky bakagny Egypta. 10 Noho zay la tsy maintsy tandremanareo toy lalagna toy amin'ny fotoa fa voatondro isan-tao. 11 Lafa nandy gnanareo ao amin'ny tanin'ireo Kananita Yaveh, araky gny niaignany taminareo vo reo razanareo fa ho ataony, sady lafa magnome gny tany ho gnanareo Ie, 12 la tsy maintsy hanoka ho Gnazy gny aja talagn'olo iaby vo gny voalohan-terak'ireo bibinareo. Sady ho gnan'i Yaveh reo johary. 13 Reo voaloha-teraky gny boriky iaby la tsy maintsy hamily anak'aondry. Laha tsy mampimpoly mivily zay iha, la tsy maintsy manapaky gny vozony. Fa reo lahimatoa iaby eo agnaminareo__la tsy maintsy ampolinareo vily. 14 Laha magnotany gnanao gny anakao johary agny afara hoe: " Ino ro dikan'izao?" la ho volagninao gnazy hoe: " Tamin'ny tana-maherin'i Yaveh ro nanday gnanay niboaky bakagny Egypta, tao amin'ny tragno fanandevoza. 15 Lafa nanda mare gny hagnenga gnanay handeha i Farao, la novonoin'i Yaveh gny talagn'olo tao amin'ny tany Egypta,gny talagn'olon'ireo vahoaky vo gny voalohan-terak'ireo biby. zany ro antony anaovako soro ho gnan'i Yveh gny johary talagn'olo amin'ny biby iaby, sady gny antoyn hampimpoliako gny vilin'ny lhimatoa amin'ireo anako.' 16 Hanjary fampatiarova eo amin'ny tananao, vo fampatiarona eo amin'ny handrinao zay, fa tamin'ny tana-mahery ro namoahan'i Yaveh antsika bakagny Egypta." 17 Lafa nagnenga gny vahoaky nandeha i Farao, la tsy nitariky reo tamin'ny lalagna tany amin'ny tanin'ireo Filistina Ndranagnahary, na la teo agnilany teo aza zay tany zay. Fa hoy Ndranagnahary hoe: " Vasa hiova hevitsy reo vahoaky laha mandalo aly sady himpoly agny Egypta." 18 Fa nandesin-Dranagnahary nanodidy gny efitsy gny Ranomasy Mena reo vahoaky. Niakatsy bakagny amin'ny tany Egypta reo Israelita sady nivonoa ho amin'ny aly. 19 Sady nandesin'i Mosesy nisondry tagnaminy gny taolam-balon'i Josefa, fa Josefa nampifanta mare reo Israelita ka nivola hoe: " Azo antoky fa hamopnjy gnanareo Ndranagnahary, sady tsy maintsy handay gny taolam-baloko misondry agnaminareo nareo." 20 Nandeha bakagny Sokota reo Israelita sady nivory tao Etama teo amin'ny sisin'ny tany efitsy. 21 Yaveh nandeha teo alohan-drozy tao amin'ny andri-rahona tamin'ny atoandro mba hitariky gnazy reo agny an-dala. Sady gny alitara Ie la nandeha manahaky gny andri-fo mba hagnome gnazy fahazava. Tamin'zay fomba zay ro nahafahan-drozy nandeha gny andro vo gny haliky. 22 Tsy nangalaky gny andri-rahona gny atoandro na gny andri-fo gny haliky nanatriky reo vahoaky Yaveh.