Toko faha 9

1 Ka la nieritseritsy gny momba an'izay iaby zay an-taiko ato aho mba hahatakarako gny momban'ny gn'olo marina voho gn'olo hendry voho gn'asandrozy. Am-pelantagnan'i Ndragnahary eo iaby rozy. Tsy misy ndra ia ndra ia mahay na hatea na ho fagnaboka ro ho avy amin'ny gn'olo raiky. 2 Mindry gny lahatsiny gny kiraikiraiky. Mindry gny lahatsy miamby gn'olo marina voho gn'olo raty fagnahy, gny soa, gny malio, gny maloto, voho gny manao soro noho gny tsy manao soro. Ho maty gn'olo marina, la hanahaky ani'izay avao koa gny mpanota. Ho maty gn'olo manao fagnekegna, la hanahaky an'izay avao koa gn'olo zay matahotsy manao fagnekegna. 3 Misy gny lahatsy raty ho an'ny gny raha iaby zay atao eto ambanin'ny gny masoandro, lahatsy raiky ho an'ny gny kiraikiraiky. Atsiky gny raty gny fon'ny gn'olombelo, am-pondrozy ao gny hadala laha mbo velo rozy. Ka gn'afaran'izay la magnagny amin'ny gny maty rozy. 4 Fa ndra la ia ndra la ia mikomba amin'ny gny velo iaby, la mitamana, manahaky gny mahasoa gny alika velo nohon'ny gny liona maty. 5 La hain'ny gn'olombelo fa ho maty rozy, fa gny maty ro tsy mahay ndra ino ndra ino. Tsy mana valisoa koa rozy, fotony fa haligno gny fahatiarova androzy. 6 Gny hatea, gny fagnaboka, voho gny fagniriandrozy la fa najano ela. Tsy hanan-toera amin'ny gny raha iaby zay atao ambanin'ny gny masoandro etoy koa rozy. 7 Mandena amin'ny gny lalanao, hano ampifalea gny mofonao, voho inomo amin'ny gny fo majoto gny divainao, fotony Ndragnahary la nanenky gny fankalaza gn'asa soa. 8 Ao mba ho foty mandrakariva gn'akanjonao voho ho voahosotsy amin'ny gny soliky gny lohanao. 9 Miagna am-pifalea miaraky amin'ny gny valy teanao amin'ny gn'androm-piainanao aby mandalo, la gn'andro zay namean'i Ndragnahary anao tegny ambanin'ny gny masoandro agnatin'ny gn'andronao mandalo. Io gny valisoanao amin'ny gny fiaina nohon'ny gn'asanao tegny ambanin'ny gny masoandro. 10 Ndra ino ndra ino hitan'ny gny tagnanao atao, la asao amin'ny gny herinao io fotony tsy misy asa na fagnazava na fahaiza na fahendrea agny amin'ny gny fiaigna-tsy hita, zay handenanao. 11 Ka la nahita raha mahatseriky teto ambain'ny gny masoandro aho: Gny lay la tsy an'ny gn'olo mahalay. Gn'aly tsy an'ny gn'olo matanjaky. Gny mofo la tsy an'ny gn'olo hendry. Gny hanagna la tsy an'ny g'olon'ny gny fahazavan-tsay. Gny sitraky la tsy an'ny gn'olon'ny gny fahaiza. Fa gny fotoa voho gny vinta la miambango amindrozy iaby. 12 Fa tsy misy ndra ia ndra ia mahay gn'andro hifatezany, manahaky gny fia zay tratsy amin'ny gny haraton'ny gny fahafatesa, na manahaky gny voro azon'ny gny fandriky. Manahaky gny biby, gadra amin'ny gny fotoan-draty gn'olombelo zay avy tampoky amindrozy. 13 La fa nahita fahendrea teo ambanin'ny gny masoandro avao koa aho manahaky gny hoe bevata amiko io. 14 Nisy tana raiky zay tsy maro olo gn'aminy ao, ka la nisy mpanjaka raiky bevata namono an'ireo ka nagnory toera fiakara bevata tagnilany eo. 15 Ka lanisy mahantra raiky, johary hendry jery amin'ny tana eo ao, zay nagnavotsy gny tana tamin'ny gny fahendreany. Fe tafara atoy, la tsy nisy nahatifaro io johary mahantra io. 16 Ka ataoko amin'ny gny hoe: "Soa gny fahendrea nohon'ny gny tanjaky, fe natao tsinotsino gny fahendrean'ny gn'olo mahantra, ka tsy janjy gny volany." 17 Gny rehakiny gny hendry la soa nohon'ny gny trivotsin'ny gny mpanjaka eo amin'ny gn'adala. 18 Soa gny fahendrea nohon'ny gny fitaovam-pialaia amin'ny gn'aly, Fe gny mpanota raiky la mety handrava soa maro.