Toko faha 9

1 Nahajery gny Tompo nitsanga teo anilan'ny gny lanitsy aho, ka hoy ie hoe: "Vango gny tendron'aondry reo mba hihozo fototsy reo. Torotoro gnandohany egny iaby, voho hamono amin'ny gny gny sisa tavela amindrozy Aho. Tsy misy ndra raiky handositsy amindrozy, tsy misy hilay gnamindrozy. 2 Ndra nandavaky amin'ny gny fiaignan-tsihita aza rozy, la gny tanako ro hangalaky androzy agny. Ndra la hiakatsy andagnitsy egny aza rozy, la handesiko tomily. 3 Ndra la mietaky an-tampon'ny Karmeka agny aza rozy, la hikaroky voho hangalaky androzy Aho. Ndra la mietaky ambanin'ny gny riaky agny aza rozy, la hagniraky gny bibilava agny Aho, ka hagnehitsy androzy zay. 4 Ndra la mandeha ao amin'ny gny fahababoa aza rozy, andesin'ny gny fahavalo agnatrehandrozy eo, la hagnomea ina gny sabatsy aho, ka hamono androzy zay. Hanenty androzy avao gny masoko mba hanimba fa tsy hanao soa androzy." 5 Yaveh Tompon'ny gny maro la nikasiky gny tany ka nanjary karakay zay; gny iaby zay miay ao la hiojy; hiakatsy manahaky gny Ony zay iaby zay, voho hilentiky ndraiky manahaky gn'onin'i Egypta, v6 Ie ro nagnamboatsy tohatsiny an-dagnitsy agny reo, ka fa nametraky gn'andohalambony gny menaran'ny gny tany. Nikaiky gny ranon'ny gny riaky Ie, ka nandraraky an'izay teo amin'ny gny velaran-tanindrozy, Yaveh gnagnarany. 7 Tsy manahaky gn'olon'i Etiopia ho ahy va nareo, ry olon'Israely? ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. Tsy nanday an'Israely hiboaky an'Egypta, filistina baka Kreta agny, voho Syriana reo baka Kira agny va Aho? 8 Ingo, eo amin'ny gny fanjaka mpanonta gny mason'i Tompo Yaveh, ka hamongotsy azy tsy ho ambanin'ny gny tany eo aho, fe ts hamotiky iaby gny tragnon'i Jakoba aho___ zay gny fagnambaran'i Yaveh. 9 Ingo, hagnomea baiko, ka hangozohozo gny zanak'Israely eo amin'ny gny firenena iaby Aho, manahaky gnolo maniva vary amin'ny gny siva, mba tsy hilatsahan'ny gny vato maliniky amin'ny tany. 10 Gny mpanota iaby baka amin'ny gnoloko la ho maty amin'ny gny sabatsy, reo zay mivola hoe: 'Tsy hahantra na hamonjy antsika gny loza.' 11 Amin'izay andro zay la hananga gny tragno-lain'i Davida zay niatonta Aho, voho hagnampy gny tsy ampy aminy. Hatsangako varavagnany reo, ka hamboariko manahaky gny tamin'ny gn'andro taloha zay. 12 Mba hanagnandrozy gny tavela an'i Edoma, voho gny firenena iaby zay kinaiky tamin'ny gnagnarako ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh ___ nanao an'izay Ie. 13 Ingo, ho avy gn'andro ___ zay gny fagnambaran'i Yaveh ___ lafa mahay gny fijinja gny mpiasa-tany, voho gny mpihaza voaloboky la hahatratsy azy zay namboly gny voany. Tendrombohitsy reo la hampiboiboiky gny divay mamy, voho havoana reo iaby hikororoky miaraky amin'izay. 14 Handesiko mimpoly bakagny amin'ny gny fahababoa gnoloko Israely. Hananga tana rava reo rozy ka hipetraky amin'izay, hamboly tanim-boaloboky rozy ka hino amin'io, hanao zariday rozy ka hihina gny vokats'io. 15 Hamboly an'izay an-tani-ndrozy eo Aho, ka tsy hiombotsy eo amin'ny gny tany zay nomeako androzy io koa rozy," hoy i Yaveh Ndragnaharinareo.