Toko faha 7

1 Zay gny natoron'i Yaveh tamiko. Ingo, namoro valala bevata ie lafa nanomboky niakatsy gny vokatsy gny lohatao, ka ingo, taraiky gny vokatsy tafaran'ny gnan'i mpanjaka. 2 La baka nihina gny vokatsy gny trany rozy la hoy aho: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindra fo amiko lahy, manao ahoa gny haveloman'i Jakoba? Fotony la vatany kely ie?" 3 Ka nampieny gny mahakasiky an'izay Yaveh. "Tsy hiseho zay", hoy Ie. 4 Zao ro naboak'i Tompo Yaveh amiko: Ingo, mikaiky amin'ny gny fitsaran'ny gny bolo gny Tompo Yaveh. zay ro magnamaiky gny tany malalaky, gny rano laliky amban'ny gny tany ka handrava gny tany avao koa. 5 Fe hoy aho hoe: " Tompo Yaveh o, ajanogno lahy; manao ahoa gny haveloman'i Jakoba? Fa la vatany kely ie." 6 La nampieny gny mahakasiky an'izay Yaveh hoe: "Tsy hitranga avao koa zay," hoy Tompo Yaveh. 7 zao gny natorony ahy: Ingo, nitsanga tagnilan'ny gny rindry eo gny Tompo, niaraky tamin'ny gny vato pilao antagnany egny. 8 Yaveh nana tamiko hoe: " Ry Amosa, ino gny tianao?" La hoy aho: "Vato pilao miolahatsy." Ka hoy gny Tompo hoe: "Ingo hamatraky pilao eo amin'ny gny Israely oloko Aho. 9 Horava gny fitoera abon'i Isaka, hopotehy gny fitoera masin'ny Israely reo, ka hitsanga hanohotsy amin'ny gny sabatsy gny vavean'i Jeroboama Aho." 10 Ka Amazia, zay mpisoron'i Betela, nandefa hafatsy tagny amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny gn'Israely hoe: "Fa nikasa hanohitsy anao agnivon'ny vavean'Israely eo i Amosa. Tsy leon'ny gny tany volany iaby reo. 11 Fa zao gny volan'i Amosa: "Ho maty amin'ny gny sabatsy i Jeroboama, ka ho sesi-tany hienga amin'ny gny taniny vatany Israely.'" 12 Amazia nivola tamin'i Amosa hoe: "Ry Mpahita, mimpolia amin'ny gny taninin'i Joda agny, ka mijaboa moa voho maminania agny. 13 Fa ka manao faminania a Betela eto koa, fotony fitoera masin'ny gny mpanjaka voho tragnon'ny gny mpanjaka toy." 14 la hoy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminany aho na anaky gny mpaminany. Mpiarak'aondry voho mpikarakara hazo amontana voho aviavy aho. 15 Fa nangalaky ahy baka ampiarahagn'aondry agny i Yaveh ka nivola amiko hoe: "Mandena, ka maminania amin'ny gny Israely oloko." 16 Henany zao mijanjigna gny volan'i Yaveh. Hoy iha hoe: "Ka maminany mihoatsy an'i Israely, voho ka mivola mihoatsy gny vavean'Isaka." 17 nohon'izay la zay gny nambaran'i Yaveh: "Hanjary mpivaro-tena an-tana ao gny valinao; anakilahinao reovoho anakampelanao reo la ho lavo amin'ny gn'alalan'ny gny sabatsy; horefesy gny taninao ka ho zara; ho maty amin'ny gny tany maloto ao iha, voho halefa sesi-tany hiala ao amin'ny gny taniny vatany gny Israely.""