Toko faha 5

1 Njanjino toy rehaky zay vinolako ho fitaraina aminao eo toy, ry vavean'Israely. 2 Niatonta gny virijinin'i Israely; ka tsy hitsanga koa; Natonta antany eo ie; ka tsy misy ndra raiky aza hanaga azy. 3 Zao gny namabaranin'ny gny Tompo Yaveh: "Gny tana zay niboahan'ny gnarivo la hana zato tavela, voho gny raiky zay niboahan'ny gny zato la hana folko tavela zay an'ny gny vavean'Israely." 4 Zao gny nambaran'i Yaveh tamin'ny gny vavean'Israely hoe: "Ilao Aho la ho velo iha! 5 Ka mila an'i Betela; na militsy a Gileada agny; ka mandeha a Beri-sheba agny. Fa Gileada la ho azo antoky fa ho babo, ka hanjary tsinotsino Betela. 6 Ilao Yaveh la ho velo iha, laha tsy zay la hiboaky manahaky gny bolo ao amin'ny gny vavean'i Josefa Ie. Handrapaky zay, voho tsy hisy ndra ia ndra ia hamono an'izay a Betala agny. 7 Reo olo reo la hamadiky gny to raha mafaitsy ka hanoraky gny fahamarina amin'ny gny tany!" 8 Ndragnahary nanao an'Ikotokelimiadilaona voho gny Telonohorefy; mamaliky gny maiky ho maraindray ie; manao gnandro ho maiky miaraky amin'ny gny haly Ie ka mikaiky gny rano-riaky; magnely azy amin'ny gny velaran-tany Ie. Yaveh gnagnarany! 9 Manday fandringagna tampoky eo amin'ny gny mahery ie mba ho eo amin'ny gny fiarova mahery gny fandrava. 10 Malay gnolo iaby zay manoro androzy ao amin'ny gny vavahadin'ny gny tana Ie, voho malay gnolo iaby zay mivola gny to rozy. 11 Fotony magnitsakitsaky mahantra reo iha voho mangalaky ampaham-bary aminy ___ ndra la nagnory tragno vita tamin'ny gny vato aza iha, la tsy hipetraky ao. Mana tanim-boaloboky soa iha, fe tsy hinon-divay aminio. 12 Fa haiko gnisan'ireo fandikan-dilinao voho gny haben'ireo fahotanao ___ iha la mampijaly gny to, mandramby gny kolikoly, voho mienga amin'ny gnolo mila fanampea amin'ny gny vavahadin'ny gny tana. 13 Nohon'izay la mangiky amin'ny gny fotoa manahaky gny olon-kendry, fotony fotoa raty zay. 14 Mila gny soa fa tsy gny raty, mba ho velo iha. Nohon'izay Yaveh, Gny Ndraganhariny gny maro, la vatany homba anao, araky gny vinolanao fa Ie. 15 Bokao gny raty, tiavo gny soa, apetraho gny to ao amin'ny gny vavahadin'ny gny tana. Vasa Yaveh, gny Ndragnahariny gny maro hamindra fo aminareo tavela nengan'i Josefa. 16 Nohon'izany, zao gny vinolan'i Yaveh, zay Ndragnahariny gny maro, gny Tompo hoe: "Gny fidradradradra la ho aminireo efa-joro iaby, voho hivola an'izay agny amin'ny gny lala iaby rozy, 'Loza, loza!' Hikaiky mpamboly reo mba ho amin'ny gny fijea rozy voho malahelo reo mba hidradradradra. 17 Hisy fidradradradra amin'ny gny tanim-boalobokareo iaby, fotony handalo agnivonareo eo Aho," hoy Yaveh. 18 Loza ho anareo zay magniry gn'andron'i Yaveh! Nagnino nareo ro magniry gn'andron'i Yaveh? Ho fandilova zay voho tsy hisy hazava, 19 manahaky gnolo iaby mandositsy gny liona voho ny bera mifanojo aminy, na militsy antragno ao voho mametraky gny tagnany eo amin'ny gny manda ka magnehitsy azy gny menarara. 20 Gn'andron'i Yaveh va tsy maiky fa tsy hazava? Imbola voho tsy misy famirapirata? 21 "Halako, ataoko tsinotsino gny firavoravoanareo, tsy mangalaky gny maminy amin'ny gny fivoria magnetriketrikareo Aho. 22 Ndra la magnatitsy fagnatitsy horoa voho fagnatitsy ho hany aza nareo, tsy handramby an'irero Aho, na hanenty gny fagnati-pilonkoan'ireo biby vondrakareo. 23 Alao amiko gny tabataban'ny hiranareo reo; tsy hijanjy gny faon'ny gny lokanganareo Aho. 24 Fe, engao hikororoky manahaky gny rano gny to, voho gny to hanahaky gny vavarano mandeha lalandava. 25 Nanday soro voho fagnatitsy tandiomonto agny agnatin'ny gny efa-polo tao ho Ahy va narero, ry vavean'Israely? 26 Hanandratsy an'i Sokita ho mpanjakanareo nareo, voho Kiona, ndragnahariny gny basianareo ___ sampy zay nataonareo ho gnanareo. 27 Nohon'izay la halefako sesitany mihoatsy an'i Damaskosy nareo," hoy Yaveh, zay Ndagnahariny gny maro gnagnarany.