Toko faha 9

1 Fa i Saoly, la mbo nivola fampitahora avao egny fa na hatraminy gny famonoa manohitsy reo mpianatry gny Tompo aza, nandeha tagny amy gny mpisorobe 2 sady nanontany gnan-drozy taratasy ho gnan'ireo synagoga tao Damaskosy, ka laha mahita na ia na ia eo amy gny Lalany ie, na johary na ampela, la andesiny hifatotry agny Jerosalema rozy. 3 Laha mbo nandeha ie, la zao ro nitranga lafa avy teo agnilan'i Damaskosy ie, la tampoky teo la nisy hazava namirapiratsy nagnodidy gnazy bakagny an-dagnitsy; 4 sady nitonta tamin'ny tany ie ka nahaja feo nivola tagnaminy hoe: " Saoly, Saoly, nagnino iha ro magnenjiky gnahy?" 5 Saoly namaly hoe: " Ia iha, Tompo?" Hoy gny Tompo: " Zaho ro Jesosy zay enjehinao, 6 fa mitsangana, milira ao amin'ny tana, sady ho ambara agnaminao zay tsy maintsy ho ataonao." 7 Gny johary zay niara-dia tamin'i Saoly la nijoro tsy nahatery, nahaja gny feo, fa tsy nahajery gnan'ia nia. 8 Nitsanga avy tamin'ny tany i Saoly, sady lafa nanokatsy gny fijeriny ie, la tsy afaky nahajery na ino na ino ie; ka notantanan-drozy tamin'ny tagnany ie sady nandesiny tagny Damaskosy. 9 Tsy nahiratsy ie tagnatiny gny telo andro, sady tsy nihina ie ro sady tsy nisotro. 10 Sady nisy mpianatsy tao Damaskosy kinaiky hoe Ananiasy. Nivola tagnaminy tamin'ny fahita gny Tompo: " Ananiasy!" hoy ie: " Ingo, toy zaho, Tompo." 11 Nivola tagnaminy gny Tompo: " Mitsangana, sady mandehana agny amin'ny lala zay kinaiky hoe Mahitsy, sady lafa ao an-tragnon'i Jodasy la mangataha amin'izay johary bakagny Tarsosy kinaiky hoe Saoly, fa mivavaha ie. 12 Fa nahajery tamin'ny fahita gny fihavian'ny olo kinaiky hoe Ananiasy ie sady hametraky gny tagnany eo aminy, ka mety hahajery ndraiky ie." 13 Fa namaly Ananiasy hoe: " Tompo, fa nahaja tamin'ny maro mikasiky io olo io zaho, mahakasiky gny raty nataony tamin'ny olonao masy tao Jerosalema. 14 Nana fahefa tamin'ireo lohan'ny mpisoro ie mba hisambotsy zay iaby mikaiky gny agnaranao eto." 15 Fa gny Tompo nivola taminy hoe: " Mandehana, fa ie la fitaova nofidiko, mba handay gny agnarako eo agnatrehan'ny Jentilisa voho reo mpanjaka sady gny anak'Israely; 16 fa ho asehoko gnazy hoe nagnino gny fijaliany noho gny amin'ny agnarako." 17 Ka roso i Ananiasy, sady nilitry tao amin'ny tragno. Nametraky gny tagnany teo aminy, la nivola ie hoe: " Rahalahy Saoly, gny Tompo Jesosy, zay niseho tagnaminao tegny an-dala lafa nagnatoy iha, ro nandefa gnahy tatoy mba mety hahiratanao sady feno gny Fagnahy Masy." 18 Teo ro ho eo la raha manahaky gny kihim-pia ro niendaky avy hatrany teo amin'ny fijerin'i Saoly, sady nahiratsy ie; nitsanga ie sady natao batisa; 19 sady nihina ie ka nahazo hery. Nipetraky niaraky tamin'ireo mpianatsy tao Damaskosy tagnaty gny andro maro ie. 20 La nivanta nagnambara gnan'i Jesosy tao amin'ny Synagoga ie, nagnambara fa Ie ro anakin-Dranagnahary. 21 Zay iaby nahaja gnazy la treriky sady nivola hoe: " Tsy io olo io va ro namono reo tagny Jerosalema zay kinaiky tamin'io agnara io? Avy teto ie mba hangalaky gnan-drozy ho fatora ho agny amin'ny mpisorombe." 22 Fa najary nihanahery i Saoly, sady nampijaly gny Jiosy zay nipetraky tao Damaskosy ka nagnaporofo fa Jesosy ro Kristy. 23 Tafarany gny andro maromaro, niara-nanao drafitry mba hamono gnan-drozy Jiosy. 24 Fa lasa hain'i Saoly gny tetikin-drozy. Sady niamby gny vavahady andro aman'alina mba hamono gnazy rozy. 25 Fa nangalaky gnazy tamin'ny haliky reo mpianany sady namela gnazy hizotso tamin'ny rindry, nampizotro gnazy tao agnaty raho. 26 Lafa avy teo Jerosalema ie, la nagnandra gny hagnanto reo mpianatry i Saoly, nefa natahotsy gnazy iaby reo, tsy nino fa mpiantsy ie. 27 Fa nangalaky gnazy i Barnabasy sady nanday gnazy teo amin'ireo Apostoly, sady nivola tamin-drozy hoe nagnino ro nahajeren'i Saoly gny Tompo tegny an-dala voho gny nivolagnany Tompo taminy, sady nagnino ro nitorian'i Saoly am-pasahia tamin'ny agnaran'i Jesosy tao Damaskosy. 28 Nifakatonjy tamin-drozy ie lafa nilitsy sady niboaky gnan'i Jerosalema. Nivola am-pasahia tamin'ny agnaran'i Jesosy Tompo ie 29 sady niady hevitry niaraky tamin'ireo Jiosy Grika; nefa mbo niezaky gny hamono gnazy avao rozy. 30 Lafa hain-drozy rahalahy izay, la nandesin-drozy nizotso tagny Kaisaria ie sady nalefany ho agny Tarsosy ie. 31 Sady bakeo, gny fiangona nagnera gnan'i Jodia iaby, Galilia, voho Samaria nana fiadagna voho voaory; sady nandeha tamin-tahotry gny Tompo voho tamin'ny fampionognany gny Fagnahy Masy, ka nitombo isa gny fiangona. 32 La avy izay henanio, laha nandeha nagnera gny faritsy manontolo Petera, la nandeha nizotso tagny amin'ireo mpino zay nipetraky tao amin'ny tanan'i Lyda avao koa ie. 33 Nahita olo kinaiky hoe Aenasy tao ie, zay fa teo am-pandria tagnatiny gny valo tao, fotony nalemy ie. 34 Petera nivola tagnaminy hoe: " Aenasy, magnasitra gnanao Jesosy Kristy. Mitsangana sady amboaro gny fandrianao,"sady niaraky tamin'izay la nitsanga ie. 35 Fa zay iaby nipetraky tao Lyda voho tao Sarona la nahajery gny johary ka nitoliky tamin'ny Tompo rozy. 36 Sady nisy mpianatsy raiky kinaiky hoe Tabita tao Jopa, zay adika hoe "Dorkasy." Nanao asa soa maro io ampela io sady nanao fagnampia feno asa fiantra zay nataony ho gnan'ny mahantra. 37 Tamin'ireo andro reo la narary ie sady maty; lafa nanasa gnazy rozy, la napetrakin-drozy tao amin'ny efitragno agnabo ie. 38 Fotony fa nagnariny gnan'i Lyda i Jopa, sady nahaja reo mpianatsy tao Petera, la nandefa olo roe tagny aminy rozy, niangavy gnazy: " Miavia lahy agny aminay tsy misy hatak'andro." 39 Nitsanga Petera sady nandeha niaraky tamin-drozy. Lafa avy ie, la nanday gnazy tao amy gny efitsy ambony rozy, sady gny mpitondratena iaby nitsanga teo agnilany nitomany, nampiseho gnazy akanjo voho gny lamba zay nataon'ireo Dorkasy tamy ie niaraky tamin-drozy. 40 Nalefan'i Petere tagny amontony gny efitsy rozy iaby, nandohaliky, sady nivavaky; bakeo, nitoliky tamin'izay raza, nivola ie hoe: " Tabila, mitsangana." La nanokatsy gny masony ie bakeo, sady nahita gnan'i Petera ie la niamby. 41 Bakeo nanolotagna gnazy Petera sady nampitsanga gnazy; sady lafa nikaiky reo mpino voho reo mpitondratena ie, la nasehony tamin-drozy gny fahavelomany. 42 Nanjary hay nagnera gnan'i Jopa iaby izay raha izay, sady olo maro ro nino gny Tompo. 43 tamin'izay Petera la nipetraky andro maromaro niaraky tamin'izay johary raiky kaihy hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko holitsy.