Toko faha 20

1 Lafa tapitsy gny tabataba, namory reo mpianatsy i Paoly sady nampahery gnan-drozy bakeo, nanao veloma ie sady roso mba handeha ho agny Makedonia. 2 Lafa nandeha tegny amin'ireo faritsy rozy voho nanao resaky fankahereza maro an-drozy, la avy tagny Gresia ie. 3 Lafa baka nijano telo vola tao ie, nisy teti-draty niforognin'ireo Jiosy hanohera gnazy laha ie handeha hiantsambo ho agny Syria igny, ka nanapa-kevitsy gny himpoly ho agny Makeodonia ie. 4 Nagnaraky gnazy hatrany Asia lavitsy agny i Sopatera anaky lahin'i Pyro bakagny Beria; Aristarko voho Sekondo, samby baka amin'ireo mpino Tesalonika; Gayo bakagny Derbe; Tymoty, sady Tykiko voho Trofimo bakagny Asia. 5 Fa reo johary reo fa nialoha gnanay sady niamby gnanay tany Troasy. 6 Nindra an-tsambo niala tao Filipy rahay tafaran'ny andro fihinana mofo tsy marisa, sady tao agnatin'ny dimy andro la avy tagny amin-drozy tagny Troasy rahay. Sady nipetraky tao rahay tagnatiny gny fito andro. 7 Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, lafa nivory niaraky mba hanapaky gny mofo rahay, la niresaky tamin'ireo mpino i Paoly. Ie la nikasa handeha gny hamarin'igny, ka tsy nanohy niresaky hatramin'ny sasakaly ie. 8 Nisy jiro maro tao amin'ny efitsy agnabo zay niavianay niaraky. 9 Teo amin'ny varavarankely ro nipetraky toy tovolahy kinaiky hoe Eotika, zay tafalatsaky tao agnaty torimaso laliky. Laha niresaky nahiritsy mare i Paoly , io tovolahy io, la mbo natory, tafalatsaky bakegny amin'ny rihana fahatelo sady lafa nimpoly ie la hita fa maty. 10 Fa i paoly nizotso, nagnampatsy gny vatany teo aminy, sady nandrakoky gnazy. Bakeo ie nivola hoe: " Ka malahelo sasy, fa velo ie." 11 La niakatsy ndraiky ie bakeo sady nanapaky gny mofo voho nihina. Lafa baka niresaky ela tamin-drozy hatramin'ny maraindray be ie, la nandeha. 12 Ninday gny tovolahy fa velo nimpoly rozy sady tena faly la faly. 13 Tsika mihitsy ro nandeha nialohan'i Paoly tamin'ny sambo sady niantsambo ho agny Aso, fa agny ro kasainay handraisa gnan'i Paoly. Izay ro fagniria ie vatany ho atao, fotony nagniry handeha an-tany ie. 14 Lafa nifakatonjy taminay tagny Aso ie, la nandesinay tamin'ny sambo ie ka nagnagny Mitylena. 15 Bakeo niantsambo avy teo rahay sady avy tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio gny hamaray. Gny andro magnaraky la nikaiky tao amin'ny nosin'ny Samo rahay, sady gny hamaran'igny la avy tao amin'ny tanan'i Mileto. 16 Fa Paoly nanapa-kevitsy gny hiantsambo handalo gnan'i Efesosy, mba tsy handany fotoa ela agny Asia ie; fotony ie la maiky gny ho agny Jerosalema gny andron'ny Pentekosta, laha azony atao gny manao izay. 17 Bakagny Mileto ro nandefasany johary ho agny Efesosy sady nampikaiky gny loholon'ny fiangona hagneo aminy. 18 Lafa avy tao aminy rozy, la nivola tamin-drozy ie hoe: " Nareo vatanareo mahay, hatramin'ny andro voalohany nanitsahako gnan'i Asia, hoe manahaky ino ro nandaniako gny fotoako niaraky taminareo. 19 Zaho la nanompo hatrany gny Tompo tamin'ny fanetre-tena iaby voho ranomaso, sady tao agnaty fijalea ro nitranga tagnamiko izay nohon'ny teti-dratin'ireo Jiosy. 20 Nareo la mahay fa tsy nitandraky fitsigna tamin'ny fagnambara taminareo reo iaby zay nila aho, voho gny fomba nampianarako gnareo teo imason'olo sady tamin'ny isan-tragno, 21 nijoroako vavolombelo teo amin'ireo Jiosy voho reo Jentilisa mikasiky gny fibebaha amin-Dranagnahary voho gny finoa ao amin'ny Jesosy Tompontsika. 22 Ingo henanizao, ho agny Jerosalema aho, noteren'ny Fagnahy Masy ka tsy mahay zay hahazo gnahy agny, 23 afa-tsy zay hampitandreman'ny Fagnahy Masy gnahy isaky gny tanan-Dehibe amin'ireo famatora voho fijalia zay miamby gnahy. 24 Fa zaho la tsy mihevitsy gny fiainako hoe sarobidy amin'ny vatako, laha tsy hoe hahavita gny hazakazako voho gny asa fanompoko zay norambesiko baka amin'i Jesosy Tompo aho, hagnambara gny filazantsaran'ny fahasoavan-Dranagnahary. 25 Sady ingo henanio, haiko fa nareo iaby, zay nagnambarako gny fanjaka, ro tsy hahajery gny tarehiko sasy. 26 Noho izay ambarako aminareo amy toy andro toy, fa zaho la tsy manan-tsiny amin'ny lion'ny olo. 27 Fa tsy navoniko taminareo gny fagnambara gny sitrapon-Dranagnahary iaby. 28 Noho izay tandremo gny mikasin'ny vatanareo, voho gny mikasik'ireo aondry iaby zay nampiandraketan'ny Fagnahy Masy gnanareo. Mitandrema amin'ny mpiamby aondrin'ny fiangonan-Dranagnahary, zay niviliany tamin'ny liony manoka. ( Fanamariha: laha ohatsy ka " Tamin'ny liony manoka" gny amin'ny antonta-taratasy taloha la mivaky hoe: " Tamin'ny lion'ny anaky lahiny manoka.") 29 Haiko fa afaran'ny fandehanako, la ho avy eo agnaminareo reo amboadia masiaky sady tsy hiantra gnan'ireo aondry. 30 Haiko fa na la avy hanova gny to mba hitariky reo mpianatsy hagnaraky an-drozy. 31 Koa miambena.Tiarovo fa tagnatiny gny telo tao aho ro tsy nijano nampianatsy gny kiraidraiky baka aminareo andro aman'aly tamin'ny ranomaso. 32 Henanizao ankiniko amin-Dranagnahary voho amin'ny safan'ny fahasoavany nareo, zay afaky mananga voho magnome gnanareo gny lova eo amin'ireo iaby zay nohamasiny. 33 Tsy nigniry volafoty, volamena, na lamban'olo zaho. 34 Nareo vatanareo ro mahay fa reto tana reto ro nanolotsy izay nilako sady reo nilan'ireo zay niaraky tagnamiko. 35 Tamin'ny raha-bevata ro nanomezako ohatsy gnanareo gny fomba tokony hanampianareo reo malemy amin'ny alalan'ny asa, sady gny fomba hitalilianareo safan'i Tompo Jesosy, safa izay nambarany ie vatany hoe: " Mahasambatsy mare gny manome noho gny mandramby." 36 Lafa baka nivola manahaky izay ie, la nandohaliky sady nivavaky niaraky tamin-drozy iaby. 37 Nisy fitomania be teo sady nandrakoky gnan'i Paoly voho nanoroky gnazy rozy. 38 Nalahelo gny maro tamin-drozy noho zay nivolagniny, hoe: rozy la tsy hahajery gny vatany sasy. Bakeo nanatitsy gnazy tegny amin'ny sambo rozy.