Toko faha 18

1 Sady tao afaran'ireo raha reo Paoly la niala tao Atena sady nagnagny Korinto. 2 Nihaona tamina Jiosy nikaiky hoe Akoila tao ie, tera-tany Ponto, zay vo avy bakagny Italia niaraky tamin'i Prisla valiny, fotony i Klaodio nandidy gny Jiosy iaby hiala tao Roma. Paoly nagneo amin-drozy, 3 sady fotony varotsy mitovy avao ro hiasany, la niara-nipetraky tamin-drozy ie sady niasa, fa gny manao lay ro asan-drozy. 4 Ka nialy hevitsy tao amin'ny synagoga isaky gny Sabata i Paoly. Nandresy lahatsy reo Jiosy voho Grika ie. 5 Fa lafa nizotso avy tagny Makedonia i Silasy voho Timoty, la niteren'ny Fagnahy hagnambara amin'ireo Jiosy fa Jesosy ro Kristy i Paoly . 6 Lafa nanohitsy voho nanesoeso an-drozy Jiosy, la nanofaofa gny lambany tany amin-drozy i Paoly ka nanao hoe: " Ho eo amin'ny loholonareo anie gny lionareo; tsy manan-tsiny zaho. Fa manomboky zao la ho agny amin'ny Jentilisa aho." 7 La niala teo ie bakeo sady nandeha nagnagny an-tragnon'i Timosy Josto, johary zay manompo gnan-Dranagnahary. Gny tragnony la marikitsin'ny Synagoga. 8 Krispo, mpitarika gny synagoga, nino gny Tompo, niaraky tamin'ireo iaby ze nipetraky tao amin'ny tragnony; sady maro tamin'ireo Korintiana zay nahaja mikasiky izay ro nino voho natao batisa 9 Gny Tompo nivola tamin'i Paoly tamin'ny fahita gny haliky hoe: " Ka matahotsy, sady ka mitsy fa mivolagna. 10 Fa Zaho miaro gnanao, sady tsy hisy olo hahazo hanao raty gnanao, fa mana olo maro amy toy tana toy Zaho." 11 Nipetraky tao herintao voho enim-bola i Paoly sady nampianatsy gny safan-Dranagnahary teo amin-drozy. 12 Fa lafa najary governoran'ny Akaia i Galio, la niara-nitsanga reo Jiosy hanohitsy gnan'i Paoly ka nanday gnazy teo agnatrehan'ny toeram-pitsara; 13 nivola rozy hoe: " Io johary io la mandresy lahatsy gny vahoaky mba hanompo an-Dranagnahary zay mifanohitsy amin'ny lalagna." 14 Sady laha handeha hivola Paoly, la nivola tamin'ny Jiosy i Galio hoe: " Nareo Jiosy, laha ohatsy ka resaky raha-raty na heloky izay, la mbo azo eretrerety gny fifampiraharaha agnaminareo." 15 Fa nanomboky nisian'ireo fanontania mikasiky reo safa voho agnara sady lalanareo manoka reo, alaminonareo izay. Zaho tsy magniry gny ho mpitsara izay raharaha izay." 16 Galio nangalaky gnan-drozy teo amin'ny sezam-pitsara. 17 Ka nisambotsy gnan'i Sostena rozy iaby, gny mpanampaky gny synagoga, sady namango gnazy teo agnatrehan'ny toeram-pitsara. Fa Galio tsy niraharaha zay nataon-drozy. 18 Paoly, lafa baka nipetraky tao tagnatiny gny andro maromaro, la nagnenga reo rahalahy ka nindra an-tsambo ho agny Syria niaraky tamin'i Prisila voho Akolia. Talohan'ny nialany teo amin'ny seranan-tsambo la nihetezany tao Kenkrea gny volony noho gny voady zay nataony. 19 Lafa avy tagny Efesosy rozy, la nengan'i Paoly teo i Prisila voho Akoila, fa ie vatany nilitsy tao amin'ny synagoga ka nialy hevitsy tamin'ireo Jiosy. 20 Lafa nangataky gnan'i Paoly mba hijano elaela rozy, la nanda ie. 21 Fa nagnenga gnan-drozy ie, nivola hoe: " Mbo himpoly atoy aho laha sitrapon-Dranagnahary izay." La niondra an-tsambo niala tao Efesosy ie bakeo. 22 Lafa nikaiky tao Kaisaria i Paoly, la niakatsy ie ka niarahaba gny fiangonan'ny Jerosalema sady nizotso nagnagny Antioky bakeo. 23 Lafa avy nitoetra ora maromaro tao ie, la niainga i Paoly ka nitety reo faritr'i Galatia voho Frygia sady nankahery gny mpianatsy iaby. 24 Sady nisy Jiosy raiky nikaiky hoe Apostoly, teraky tagny Aleksandria, avy tao Efesosy. Ie la nahay nandaha-teny sady nahay soa gny Soratsy Masy. 25 Apostoly la nampianary tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mazoto amin'ny fagnahy, ie nivola voho nampianatsy to reo raha gny batisan'i Jaona avao ro hainy. 26 Apostoly nanomboky nivola am-pahasakia tao amin'ny synagoga. Fa lafa nahajanjy gnazy i Prisila voho Akoila, la nangalaky gnazy ho egny amin'ny sisiny sady nanazava taminy marina mare gny lalan-Dranagnahary. 27 Lafa nagniry mba hamakivaky gnan'i Akaia ie, la nampahery an-drozy rahalahy sady nanoratsy ho gnan'ireo mpianatsy tao Akaia mba handramby gnazy. Lafa avy ie, la nagnampy maro reo zay nino tamin'ny fahasoava. 28 Apolosy nanohitsy mare reo Jiosy tamin'ny aly hevitsy ampahibemaso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratsy Masy fa Jesosy ro Kristy.