Toko faha 11

1 Sady reo apostoly voho reo rahalahy zay tagny Jodia nahaja fa reo Jentilisa avao koa la nandray gny Safan-Dranagnahary. 2 Lafa niakatry tagny Jerosalema i Petera, reo zay tao amin'ny antokon'ireo voafora la nanakia gnazy; 3 hoy rozy hoe: " Iha nikamba niaraky tamin'ireo johary tsy voafora sady nihina niaraky tamin-drozy!" 4 Fa Petera nanomboky nagnazava gny raha-nitsanga tamin-drozy tamin'ny antsipirihany; hoy ie hoe: 5 " Nivavaky tagny amin'ny tanan'ny Jopa aho, sady nahajery fahita gny amin'ny fisian-javatsy raiky zay nizotro, manahaky gny lamba bevata nazotro bakagny an-dagnitsy tamin'ireo zorony efatry aho. Nizotro teo agnamiko izay. 6 Nandiniky izay aho sady nisaitsay mikasiky izay. Nahajery reo biby manan-tomboky efatry gny tagny, reo biby la, reo biby milaly, sady reo voro egny amin'ny lagnitsy aho. 7 Bakeo aho la nahaja feo nivola tagnamiko hoe: " Mitsangana, ry Petera; mamonoa sady homana." 8 Hoy aho hoe: " Tsia, ry Tompo; fa tsy mbo nisy raha tsy masy na maloto mihitsy nilitry tato am-bavako." 9 Fa gny feo namaly bakagny an-dagnitsy ndraiky hoe: " Zay nambaran-Dranagnahary fa malio, ka kinaiky hoe maloto." 10 Niseho in-telo izay, sady bakeo la nalany nimpoly niakatry tagny an-dagnitsy ndraiky gny raha iaby. 11 Ingo, teo no ho eo la nisy johary telo nitsanga teo agnatrehan'ny tragno izay nisy gnanay; nalefa bakagny Kaisaria nagnatoy agnamiko rozy. 12 Gny Fagny la nandily gnahy hiaraky amin-drozy, sady tsy tokony hagnisy fizahan-toetry amin-drozy aho. Reo rahalahy enina la nandeha niaraky tagnamiko, sady nandeha nagneo an-tragnon'ny johary rahay. 13 Ie nivola tagnaminay gny nahitany anjely raiky nitsanga tao an-tragnony sady nivola hoe: " Maniraha johary agny Jopa sady andeso mimpoly i Simona zay kinaiky hoe Petera. 14 Ie la hivola hafatsy raiky agnaminao zay havoavonjy gnanao voho gny avorohotany iaby." 15 Laha vo nanomboky nivola tamin-drozy aho, gny Fagnahy Masy la avy tamin-drozy, manahaky gny nizotsoany tagnaminay tagny am-boalohany. 16 Tiaroko gny safan'ny Tompo, gny nivolagnany hoe: " Jaona nanao batisa tamin'ny rano vatany nareo la mila hatao batisa ao amin'ny Fagnahy Masy." 17 Ka laha Ndranagnahary nagnome gnan-drozy gny fanomeza mitovy amin'izay nomeny antsika tamin'isika nino gnan'ny Tompo Jesosy Kristy, ia aho, ro ho afaky hanohitsy gnan-Dranagnahary?" 18 Lafa jan-drozy izay raha izay, tsy nivola na ino na ino hoenti-mamaly rozy, fa nandrengy gnan-Dranagnahary koa rozy sady nivola hoe: " Sady Ndranagnahary nagnome fibebaha ho fiaigna ho gnan'ireo jentilisa avao koa." 19 Sady reo zay naparitaky noho gny fagnejeha zay niatomboky tamin'ny fahafatesan'i Stefana la niely lavitry tagny Foinika, Kyprosy, sady Antioka, fa rozy la nivola gny hafatry mikasiky gnan'i Jesosy tamin'ireo Jiosy avao. 20 Fa gny sasany tamin-drozy, reo johary bakagny Kyprosy voho Kyrena, la nandeha tagny Antioka sady nisafa tamin'ireo Grika avao koa, nivola tamin-drozy gny filazantsara mikasiky gny Tompo Jesosy. 21 Gny tagnan'ny Tompo la niaraky tamin-drozy; maro isa ro nino sady nitoliky tamin'ny Tompo. 22 Reo vaovao mikasiky an-drozy la avy tegny an-tsofin'ny fiangona tao Jerosalema, sady rozy nagniraky gnan'i Barnabasy hatragny Antioky. 23 Lafa avy ie ka nahajery gny fanomezan-Dranagnahary, la ravoravo ie; sady nampahery gnazy iaby mba hitoetry miaraky amin'ny Tompo amin'ny fon-drozy iaby. 24 Fotony ie la johary soa sady feno gny Fagnahy masy voho finoa, sady olo maro ro niampy ho gnan'ny Tompo. 25 La nandeha nagnagny Tarsosy i Barnabasy mba hila gnan'i Saoly. 26 Lafa jeriny ie, la nandesiny tagny Antioka. Sady tagnatiny gny herintao maninjitry rozy la niara-nivory niaraky tamin'ny fiangona sady nampianatry olo maro. Reo mpianatsy la kinaiky voalohany hoe kristiana tao Antioka. 27 Sady tamin'izay andro izay la nisy mpaminany maromaro nizotro bakagny Jerosalema nagnagny Antioka. 28 Raiky tamin-drozy, i Agabo ro nikaiha gnazy, nitsanga sady natoron'ny Fagnahy fa hisy mosary bevata hitranga magnera izao tontolo izao. Nitranga izay tamin'ny andron'i Klaodio. 29 Noho izay, reo mpianatry, araky gny fahafahan'ny kiraidraiky aby, la nanapa-kevitry gny handefa fagnampia ho gnan'ireo rahalahy tagny Jodia. 30 Nanao izay rozy; nandefa jala ho gnan'ireo loholona rozy tamin'ny tagnan'i Barnabasy voho Saoly.