Toko faha 10

1 Sady nisy johary raiky tao amin'ny tanan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana. 2 Johary mpivavaky ie, izay raiky izay mandrengy an-Dranagnahary miaraky amin'ny ankohonany iaby; nanome jala bevata gnan'ireo zay tao agnatin'ny tsy fahampia ie, sady nivavaky mandrakariva tamin-Dranagnahary. 3 Nagnodidy gny tamin'ny fotoa faha sivy maraindray teo ho eo, nahajery mazava tamin'ny fahita anjelin-Dranagnahary nagnato gnan-drozy. Gny anjely nivola tagnaminy hoe: " Ry Kornelio nandiniky gny anjely sady tena natahotry ka nivola hoe: " Fa ino toy, tompoko?" Gny anjely nivola tagnaminy hoe: " Reo vavakao voho reo fagnomezanao ho gnan'ny mahantra la tafakatsy ho fanati-pahatiarova eo agnatrehan-Dranagnahary. 5 Sady magniraha johary hagnagny amin'ny tanan'ny Jopa mba hangalaky gny johary raiky atao hoe Simona zay kinaiky hoe Petera. Mipetraha miaraky amin'ny mpandoko hoditry kinaiky hoe Simona ie, zay egny amoron-dranomasy gny tragnony." 7 Lafa roso gny anjely zay nivola tagnaminy, la nikaiky gny roe tamin'ny mpanompony tao an-tragno i Kornelio, sady miaramila mpivavaky raiky tamin'ireo zay nanompo gnazy. 8 Kornelio nivola tamin-drozy iaby izay nitranga sady nandefa gnan-drozy tagny Jopa. 9 Sady gny hamarainy igny nagnodidy gny fotoa fahaeny teo, laha mbo tegny an-dala rozy ka namonjy gny tana, la niakatsy tegny ambony tafon-trano i Petera mba hivavaky. 10 Nanomboky niha-mosare ie bakeo ka nila raha ho hany, nefa laha mbo teo am-pila sakafo gny olo, la nahajery fahita ie, 11 sady nahita gny lagnitsy nisokatsy ie voho fitahiriza raiky nizotro, manahaky gny salotry be mizotso eto an-tany, ampizotro amin'ny zorony efatry. 12 Tao ro nisy karazam-biby manan-tomboky efatry voho raha zay milaly iaby eto an-tany, sady gny voron'ny lagnitsy. 13 La nisy feo nivola tagnaminy hoe: " Mitsangana ri Petera, mamonoa sady homana." 14 Fa i Petera nivola hoe: " Tsia, Tompo; fa mbo tsy nihina raha zay voarara voho tsy malio mihitsy aho." 15 Nefa avy tagnaminy fanindroe ndraiky gny feo heo: " Zay nodiovin-Dranagnahary, la tsy kaihy hoe faly." 16 Niseho in-telo izay; sady bakeo gny fitahiriza la nimpoly niakatsy teo noho eo tagny an-dagnitsy. 17 Sady lafa very hevitsy mikasiky gny dikan'izay fahita izay hitany i Petera, la ingo, reo johary zay nalefan'i Kornelio nitsanga tagnatrehany gny vavahady, bakeo reo la nagnontany zay lalan-drozy magnegny an-tragno. 18 La nikaiky rozy sady nagnontany gnan'i Simona, nikaiky avao koa hoe Petera, zay nijanona teo. 19 Laha mbo nieritritsy mikasiky gny fahita i Petera, la nivola tagnaminy gny Fagnahy hoe: " Ingo, Johary telo ro mila gnanao. ( Fanamariha: Gny amin'ny dikan-teny taloha la hoe: " Johary roe ro mila gnanao" na " misy johary sasan-tsasany mila gnanao) 20 Mitsangana sady mizotsoa ka miaraha amin-drozy. Ka misalasala miaraky amin-drozy, fotony zaho ro nandefa an-drozy. 21 Sady Petera nizotro tagny amin'ireo johary reo ka nivola hoe: " Zaho gny ilanareo. Ino ro antony nahavianareo?" 22 Hoy rozy hoe: " Gny kapiteny kinaiky hoe Kornelio, johary to sady olo zay mandrengy an-Dranagnahary, voho soa laza agny amin'ny firenen'ny Jiosy iaby, zay nambaran'ny anjely masin-Dranagnahary mba hangalaky gnanao ho agny an-tragnony, noho izay la afaky minjanjy gny hafatsy avy agnaminao ie." 23 La nanasa gnan-drozy hilitry voho hijano hiaraky aminy Petera. Gny hamainy maraindrainy igny la nitsanga ie ka niaraky tamin-drozy, sady gny sasany tamin'ireo rahalahy bakagny Jopa la nagnaraky gnazy. 24 Gny andro magnaraky la nagnagny Kaisaria rozy. Kornelio la niamby gnan-drozy; kinainy niaraky gny longony voho gny namany mariniky. 25 Sady tamin'izay lafa nilitry Petera, nifankahita taminy i Kornelio sady niankohoky teo an-tombony mba handrengy gnazy. 26 Fa Petera nagnampy gnazy, nivola hoe: " Mitsangany! Zaho avao koa la olo avao 27 Laha mbo nivola niaraky tagnaminy i Petera, la nilitry ie sady nahita olo maro be niara-nivory. 28 Hoy ie tamin-drozy hoe: " Gny vatanareo mahay fa tsy ara-dalana ho gnan'ny Jiosy gny miara-miasa na mamangy olo bak'amin'ny firenena hafa. Fa Ndranagnahary naneho tagnamiko fa tsy tokony hikaiky olo-paly na tsy malio zaho. 29 Izay ro antony nahaviako tsy nisy fanakantsakana, lafa nirahy Aho. ka magnontany gnareo Aho hoe nagnino nareo ro magniraky ho gnahy." 30 Kornelio nivola hoe: " Efatry andro mialohan'izao fotoa zao vatany, la nivavaky tao an-tranoko aho tamin'ny fotoa fahasivy; sady nahajery, johary raiky nitsanga teo agnatrehako nanao salotsy namirapiratsy. 31 Hoy ie hoe: ' Ry Kornelio, fa jan-Dranagnahary gny vavakao, sady reo fanomezanao ho gnan'ireo mahantra la mampatsiahy an-Dranagnahary gny mikasiky gnanao. 32 Noho izay la magniraha olo ho agny Jopa, sady kaiho magnagny aminao gny johary atao hoe Simona zay kinaiky hoe Petera. Mipetraky ao an-tragnon'i Simona mpandon-koditry kinaiky hoe: Simona ie, zay egny amoron-dranomasy.' (fanamariha: Gny dikan-teny taloha la magnampy hoe: " Lafa avy Ie, la hisafa agnaminao." 33 Sady avy la nafeko ho gnanao. Soa gny fahavianao. Sady henanio, tsika iaby avy eto imason-dranagnahary, mba hija reo iaby zay nambaran'ny Tompo anareo ro volagno." (Fanamaraha: " Laha tokony ho: " nambaran'ny Tompo ro volagno" ro eo, la gny dikan-teny taloha la hoe: " Nambaran-Dranagnahary ro volagno.") 34 Bakeo la nanomboky gny vavany Petera sady nivola hoe: " To vatany, haiko fa Ndranagnahary la tsy miandany na amin'ia na amin'ia. 35 Fa koa, agny amin'ny firenena kiraidraiky na ia na ia ro midera voho manao asa to la ekeny iaby. 36 Hainareo izay hafatry izay nalefany ho gnan'ny olon'Israely, lafa nagnambara filazantsara mikasiky gny fiadagna bak'amin'ny alalan'i Jesosy Kristy ie zay Tompon'ny iaby- 37 Nareo vatanare la mahay reo raha niseho, zay tena nitsanga tao amin'ny toera iaby tao Jodia, nanomboky tagny Galilia, tafaran'ny batisa zay nambaran'i Jaona; 38 reo raha nitranga mikasiky gnan'i Jesosin'ny Nazareta, gny fomba nanosoran-Dranagnahary gnazy tamin'ny Fagnahy Masy voho tamin'ny hery. Nandeha nanao soa ie sady nagnasitra reo iaby zay voagejan'ny devoly, fotony Ndranagnahary la niaraky tagnaminy. 39 Tsika la vavolombelon'ireo raha vitan'i Jesosy iaby, tagny amin'ny tanin'ny Jiosy voho tagny Jerosalema. Vinonon-drozy tamin'ny alalan'ny fagnontania gnazy teo amin'ny hazo, 40 fa Ndranagnahary nananga gnazy tamin'ny andro fahatelo sady nanao zay hahajerea gnazy, 41 tsy reo olo iaby, fa reo vavolombelo zay vofilin-Dranagnahary mialoha-tamintsika zay nihina voho nisotro niaraky taminy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 42 Nandily gnanay ie mba hagnambara amin'ny olo voho hijoro vavolombelo fa ie gny raiky nifilin-Dranagnahary ho Mpitsaran'ny velo voho gny maty. 43 Ho gnazy ro hijoroan'ny mpaminany iaby vavolombelo, mba ho reo zay mino gnazy ro handray famelan-keloky amin'ny alalan'ny agnarany. 44 Laha mbo nivola izay raha izay i Petera, la nilatsaky tamin-drozy iaby izay nahaja gny hafatriny gny Fagnahy Masy. 45 Reo olo tao agnatin'ny fikambanan'ny mpino voafora-reo iaby zay niaraky tamin'i Petera-la treriky, fotony gny fanomezan'ny Fagnahy Masy la narotsaky ho gnan'ny Jentilisa avao koa. 46 Fa jan-drozy reo reo Jentilisa zay mivola agnamin'ireo fivolagna hafa voho mankalaza an-Dranagnahary. La namaly Petera hoe: 47 Moa va misy olo afaky mitandraky rano mba tsy hanaova batisa gnan-drozy, reo olo zay nandray gny Fagnahy Masy manahaky antsika koa? 48 La nandily gnan-drozy mba ho atao batisa amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy ie. Sady nangataky gnan-drozy mba hipetraky hiaraky amin-drozy agnatiny gny andro kelikely.