Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon-Dranagnahary, araky gny fampanantenan'ny fiaigna zay ao amin'i Kristy Jesosy, 2 gnan'i Timoty, anaky tiany: Fahasoava, fiantrana, sady fiadagna avy amin-Dranagnahary gny Baba voho Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Misaotsy an-Dranagnahary aho, zay tompoiko avy amin'ireo razambeko, miaraky amin'ny feon'ny fieretrereta malio, manahaky gny hahatiarovako gnanao mandrakizay amin'ny fivavahako andro aman'aly. 4 Manahaky gny hahatiarovako reo ranomasonao, magniry mare gny hahajery gnanao aho, ka mety ho feno hafalia aho. 5 Nampahatiarovy tagnamiko gny finoanao to, zay niay voalohany tao amin'ny renibenao Loisa voho gny reninao Eonisa, sady resy lahatsy aho zao fa miay ao agnaminao avao koa zay. 6 Izay ro antony ampahatiaviko gnanao mba hampiasanao ndraiky gny fanomezan-Dranagnahary ao agnaminao amin'ny alalan'ny fametrahako tagna. 7 Fa Ndranagnahary tsy nagnome fagnahin'ny tahotsy antsika, fa gny hery voho fitiava sady fifehezan-tena. 8 Ka megnatsy amin'ny fijoroa vavolombelo mikasin'ny Tompontsika, na agnamiko, Paoly gny gadrany. Fa koa, mizara amin'ny fahoria gny filazantsara araky gny herin-Dranagnahary. 9 Fa Ndranagnahary ro namonjy antsika voho nikaiky antsika tamin'ny kaiky masy. Nanao izay Ie, tsy noho reo asantsika, fa nohon'ny drafitry zay fa nataony voho gny fahasoavany. Na la mbo tsy niandoha aza gny fotoa la fa nagnome gnantsika regny raha regny tao amin'i Kristy Jesosy ie. 10 Fa henanizao gny famonjen-Ndranagnahary la nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesosy mpagnavotsy gnantsika. Kristy zay nagnafoa gny fahafatesa sady nanday fiaigna zay tsy ho tapitsa mandrakizay mba hagnazava amin'ny alalan'ny filazantsara. 11 Noho izay, la voatondro ho mpitory teny aho, ho apostoly, sady mpampianatsy. [Fanamariha: Reo dikan-teny taloha sasany la magnampy hoe: " Ho gnan'ny Jentilisa."] 12 Fa noho izay antony izay la mijaly amin'iregny raha regny avao koa aho. Fa tsy megnatsy zaho, fotony haiko Ie izay ninoako. Resy lahatsy aho fa afaky mitandraky zay fa nankiniko tagnaminy Ie mandra-pahavian'izay andro izay. 13 Tandraho gny ohatsy mikasiky reo hafatsy gny finoa zay janareo tagnamiko, miaraky amin'ny finoa voho fitiava zay ao amin'ny Kristy Jesosy. 14 Gny raha soa zay nataon-Dranagnahary tagnaminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fagnahy Masy izay, zay miay ao amintsika. 15 Hainareo izay, fa zay iaby nipetraky tagny Azia la nivaliky tagnamiko. Ao amin'io fikambana io reo Fizelio voho reo Hermozena. 16 Enga anie gny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantragnon'i Onesiforo, fotony namelombelo gnahy matetiky ie sady tsy megnatsy tamin'ny gadrako. 17 Fa koa, lafa tagny Roma ie, la nila gnahy fatratry, ka jeriny aho. 18 Gny Tompo anie hampiseho gnazy ka hahajereany famindram-po bakagny amin'izay andro izay. Reo fomba iaby nagnampiany gnahy tao Efesosy, la hainareo soa.